Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivendrivendry: (vendrivendry) a.: Toetra na fomban'ny olona mivendrivendry, izany hoe mitotototo ats? sy ar?. Ahitsio
Fiventesana: (venty) a.: Fitarihana (hira, fivavahana, rasa-ka...). Ahitsio
Fiventy: (venty) a.: Fomba entina miventy, izany hoe mitarika (hira, fivavahana...). Ahitsio
Fiverahana: (veraka) o.: Fahavakisan-javatra ixay ka mise-ho daholo ny ao anatiny. Ahitsio
Fiveraka: (veraka) a.: Toetran' ny zavatra miveraka, izany hoe mitresaka na vaky ka miseho daholo ny ao anatiny. Ahitsio
Fiveravera: (veravera) a.: Toetran'ny zavatra miveravera, izany hoe voatsikerakera, voavohavoha; toetran'ny olona miveravera, izany hoe mitavozavoza, tsy kinga. Ahitsio
Fiveraverana: (veravera) a.: Fivaroradrorahana, fitavozavozàna, fitahontahiinana: Oadray it9 fiveraueran'i Bozy! zavatra maivan-kely iny dia naveiany hianjera. Ahitsio
Fiverenana: (veriny) a,: Fodiana: Tsy mbola fantatra ny fiverenako fa hendre tsara ambara-pahatongako. ~ Fahatongavana indray amin'ny nialana: Mandalo tsy misy fiverenana intsony ny andro, ~ Fitsingerenana, fiherenana: Fiverenan'ny lohataona izao. ~ Andalan-tononkira izay averina isaky ny avy mih¢a ny andininy tsirairay: Mailamailaka kokoa ny fiuerenana noho ny andininy. Ahitsio
Fiverina: (verina) a.: Fomban' ny zavatra na olona miverina, izany hoe tonga indray amin'ny toerana nialana. Ahitsio
Fivesarana: (uesatra) a.: Toetran'ny olona mitondra zavatra be lanja: Tsy afa-mihazakazaka aho noho ny fivesaran'ny entana ao an-damosiko. Ahitsio
Fivesatra: (uesatra) a.: Fomba na toetran'ny olona mivesatra, izany hoe mitondra, milonjy: Fivesatry ny fahoriana. Ahitsio
Fivesohana: (vesoka) a.: Fitariàvana, fanaovana resaka tsisy farany mandany andro foana. Ahitsio
Fivesoka: (vesoka) a.: Fomban' ny olona mivesoka, izany hoe mitaria, manao resaka tslsy farany mandany andro foana. Ahitsio
Fivetrahana: (vetraka) a,: Fipetrahana amin'ny tany ka mitsotra tsara ny tongotra roa. Ahitsio
Fivetraka: (vetraka) a.: Toetran'ny olona mivetraka, izany hoe mipetraka amin'ny tany ka mitsotra tsara ny tongotra roa. Ahitsio
Fivetrehana: (vetrika) a.: Fivatsavatsàna, fibedibedèna tsisy farany. Ahitsio
Fivetrika: (vetrika) a.: Fomban' ny olona mivetrika, izany hoe mivatsavatsa, mibedibedy tsisy farany. Ahitsio
Fivetro: na Fivetrovetro (vetro, vetrovetro) a.: Toetran'ny nahandro mivetro, izany hoe ny anana no betsaka ao anatiny. Ahitsio
Fivezarana: (vezatra) a.: Firoritana mba hisokatra: Ataovy lehibe ny fivezaran'ny vavan'ny harona sao tsy omby an'ity vorontsiloza itý. Ahitsio
Fivezatra: (vezatra) a.: Toetran' ny zavatra mivezatra, izany hoe mirirotra mba hisokafan' ne vavany baba kokoa. Ahitsio