Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsararaka: (tsararaka) a.: Toetran'ny akanga mitsararàka, feon'ny akanga maneno: Efa nahaheno ny fitsararakan'ny akanga ve ianao? Ahitsio
Fitsatohana: (tsatoka) a.: Fidirana sady filentehana ao anaty zavatra: Ny fitsatohan'ny antsy eo amin'ny tendan'ny omby. ~ Filentehana miraikitra tsy afa-mihetsika: Ny tsy fitsatohan'it? andry it9 tsara no mampihozongozona azy. ~ Fijoroana tsy mihetsika na fijaridinana, fijanonana ela miandry: Sorena aoka izany aho tom in'ny fitsatohako teo amoron-dalano adiny iray maninjitra niandry anao. Ahitsio
Fitsatoka: (tsatoka) a. :Toetran' ny zavatra mitsatoka, izany hoe milentika miraikitra tsy afa-mihetsika. Ahitsio
Fitsatsaingona: (tsatsoingona) o.: Fomba entina mitsatsaingona, izany hoe mamonjy miteny raha mbola misY o10-na miteny. Ahitsio
Fitsatsaingonana: (tsatsaingona) a.: Fanapahana tenin'olona mbola miteny, famonjena miteny raha mbola misy olona miteny. Ahitsio
Fitsatsatsatsa: (tsatsatsatsa) a.: Toetran'ny menaka anendasana mipitripitrika noho izy voarara-drano. Ahitsio
Fitsatsatsatsana: (tsatsatsatsa) a,: Fipitripitrihan'ny mena-ka anendasana voarara-drano. 1 Fitsaontsaom-bava, fikamentsonana. Ahitsio
Fitsatsiahana: (tsatsiaka) a.: Faharovitan-javatra izay heno ny fitrlaranY. Ahitsio
Fitsatsiaka: (tsatsiaka) a.: Toetran'ny zavatra mitsatsiaka, izany hoe rovitra ka heno ny fitriarany. Ahitsio
Fitsatsihana: (tsatsika) a.: Toetran'ny hena natsatsika, izany hoe natono na natsikanina; fitsikaninana. • H.o.: Famindroana eo akaikin'ny a-fo. Ahitsio
Fitsatsika: (tsatsika) a.: Toetran'ny hena mitsatsika, izany hoe atao eo ambony afo. Ahitsio
Fitsefahana: (tsefaka) a.: Fivakisana, fitresahana: Ny fitsefahan'ny uilany. Ahitsio
Fitsefaka: (tsefaka) a,: Toetran' ny zavatra mitsefaka, na vaky misalasaka. Ahitsio
Fitseforana: (tsefotra) a.: Fipoahana kely, fivoahan'ny rivotra voangona tampoka. Ahitsio
Fitsefotra: (tsefotra) a.: Toetran'ny zavatra mitsefotra na mipoaka kely. Ahitsio
Fitsehatseha: (tsehatseha) o.: Fihetsika milamina, miadana; fomba fandeha mailamailaka. Ahitsio
Fitsehatsehana: (tsehatseha) a.: Fandehanana moramora, tsy mingodona na kely aza ary mailamailaka. Ahitsio
Fitsehontsehona: (tsehontsehona) a.: Fomban'ny olona mitsehontsehona na mitsaontsaom-bava, tsy mahatambava. Ahitsio
Fitsehontsehonana: (tsehontseho na) a.: Fitsaontsaonambava, tsy fahatanam-bava, fahamantam-bava: Mahasosotra ny mpiara-monina ny fitsehon tse honan-dRasoa. Ahitsio
Fitselahana: (tselaka) a.: Firehetana, famirapiratana, fanjelanjelarana, fitselarana: Ny fitselahan'ny hazavana auy amin'ny vatoafo ao anatin' ny haizina. Ahitsio