Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitselaka: (tselaka)a.: Fomban' ny zavatra mitselaka, izany hoe mirehitra tampoka sy vetivety, mitselatra, martjelanjelatra. Ahitsio
Fitselarana: (tselatra) a,: Firehetana tampoka ary vetivety, fitselah,na. ? Firehetana hamgana: Ny fitselaran'ny bozaka maina no itiavan'ny olona azy hampirehetany afo. Ahitsio
Fitselatra: (tselatra) a.: Toetran'ny zavatra mitselatra na manjelanjelatra tampoka sy vetivety: Mahatsiravina ny fitselatry ny uaratra. Ahitsio
Fitselehana: (tselika) a.: Fandehanana haingana, fanaovanjavatra haingana: Ny fitselehany no itiavako io irakiraka io. ~ Fangalarana amimpahakingana: Tsy lefitro ny fitselehana ny bokiko toy izany, Ahitsio
Fitselika: (tselika) a.: Fomba entina mitselika, izany hoe manao zavatra haingana amim-pahamailahana, na mangalatra amim-pahakingana. Ahitsio
Fitsembohana: (tsemboka) a.: Fisasarana, fisahiranana mafy dia mafy: Aiza ka dia ho uery maina ny fitsembohako tamin'ny nanabe azy? Ahitsio
Fitsemboka: (tsemboka) a.; Toetran'ny olona mitsemboka. Ahitsio
Fitsena: (tsena) a.: Fomba entina mitsena, izany hoe mandeha mba handray olona tonga avy lavitra. Ahitsio
Fitsenana: (tsena) a.: Fandehanana mba handray olona tonga avy lavitra. Ahitsio
Fitsentsefana: (tsentsitra) a.: Fitrohana ranon-javatra amin'ny vava, fitrohana ny ao anaty zavatra: Ny fitsentsefan'ny renitantely ny mamin'ny voninkazo no anoovany ny maminy. 1 H.o,: Fihinanana ny soa: Ny fitsentsefan'ny mpanjana-tany ny zanatany no ifikirany mafy aminy. Ahitsio
Fitsentsitra: (tsentsitra) a.: Fomba entina mitsentsitra, izany hoe mitroka ranon-javatra amin'ny vava. ~ p.t.: Azo tsentsefina: Vatomamy fitsentsitra itony fa tsy fitelina avy hatrany akory. Ahitsio
Fitserana: (tsetra) a,: Falahelovana,fahonena,fang orahana: Olona manam-pitserana ny mahantra ?y. Ahitsio
Fitsetahana: (tsetaka) a.: Fiadiana tsara, fifanentanana: Ny fitsetahan'ny peratra amin'ny rantsantananao no omantarana fa antonona anao tsara ilay izy. Ahitsio
Fitsetaka: (tsetaka) a.: Toetran' ny zavatra mitsetaka, izany hoe miady tsara, mifanentana tsara amin'ny... Ahitsio
Fitsetra: (tsetra) a,: Fomba entina mitsetra, izany hoe malahelo, onena, mangoraka olona. Ahitsio
Fitsetsahana: (tsetsaka) a.: Firehetana haingana: Tsy mahagaga raha trano tafo bozaka dimy no may tao anatin'ny adiny iray noho ny fitsetsahan'ny afo. 1 H.o,: Famaliana haingana:Tsy fitsetsahambauan'olona iahy iny Ramatoa iny! Ahitsio
Fitsetsatsetsa: (tsetsatsetsa) a.: Fomban'ny afo mitsetsatsetsa, izany hoe mirefodrefotra noho izy voatondra-drano na menaka. Ahitsio
Fitsetsatsetsana: (tsetsatsetsa) a.: Firefodrefotan'ny afo voatondra-drano na menaka. Ahitsio
Fitsetsohana: (tsetsoka) a.: Fahabasiam-bava, fanaovana teny tsy misy kitotony, fitsaontsaonam-bava, fipentsompentsonam-bava. Ahitsio
Fitsetsoka: (tsetsoka) a.: Fomban 'ny olona mitsetsoka, fomba enti-mitsetsoka, izany hoe manao teny tsy misy kitotony, mipentsompentsombava, mitsaontsaom-bava. Ahitsio