Fitsaika | : | (tsaika) a.: Fomba entina mitsaika, izany hoe mifantina izay voam-bary tsara hatagg,,masbmboly. 1 p. t.: Azo tsvdkaina, azo fantenana.
Ahitsio |
Fitsaika | : | (tsaika) q.: Fomba entina mitsaika, izany hoe manatona morarnora tsy re na mangalatra mangingina tsy misy mahita.
Ahitsio |
Fitsaikana | : | (tsaika) a.: Fifantenana ny voam-bary tsara: Raha ta hanana vokatra tsara, ny fitsaikana ny masomboly no tokony hatao tsara.
Ahitsio |
Fitsaikana | : | na Fitsaihana (tsaika) a.: Fanatonana moramora tsy re: Ny fitsaihany tao an-damosiko tao no tsy nandrenesako azy. 1 Fangalarana mangingina tsy misy mahita: Tsy hita mihitsy ny fitsaihan-dry zalahy ny zavatra mipetraka eto ambony latabatra eto.
Ahitsio |
Fitsaikona | : | (tsaikona) a.: Fomba na toetran'ny soavaly mitsaikona, izany hoe mandeha haingana tsy manipy tanana.
Ahitsio |
Fitsaikonana | : | (tsaikona) a.: Famindran'ny soavaiy mande-ha haingana tsy manipy ta-nana; fanaovana hazakazamadinika: Raha tsY tianao ny firiotran'ny soavaly, baikoy hanao fitsaikonana.
Ahitsio |
Fitsaka | : | (tsaka) a.: Toetran' ny zava-maranitra mitsaka, izany hoe milentika na mitrobaka miaraka amin'ny feo manokana izay.
Ahitsio |
Fitsaka | : | (tsaka) a.: Fomba entina mitsaka na mita rano.
Ahitsio |
Fitsaka | : | a.: Tsy fihetsehana sady miafina; fipetrahana mitampify tsy mihetsiketsika; fierena ao amin'ny takona. i Fitsahina, afitsaka, voafitsaka (mamitsaka, famitsaka, mpamitsaka / amitsahana, famitsahana / mifitsaka, fifitsaka, mpifitsaka i ifitsahana, fifitsahana / mahafitsaka.
Ahitsio |
Fitsakana | : | na Fitsaka (tsaka) a.: Filentehana, fitrobahanjava-maranitra miaraka amim-peo manokana: Toa hahatsiravina izany mandre ny fitsakan'ny antsy ao anaty nofon'olombelona izany.
Ahitsio |
Fitsakana | : | (tsaka) a.: Fitàna rano amin'ny firobohana ao anaty rano: Raha marivo ny rano na tsy misy voaY, ny fitsakana no haingana indrindra amin'ny fitana azy.
Ahitsio |
Fitsakatsaka | : | (tsakatsaka) a.: Toetra na fomban'izay mitsakatsaka, izany hoe mande-ha miditra anaty lobolobo, mivezivezy amin'ny toerana tsy fantatra.
Ahitsio |
Fitsakatsakana | : | (tsakatsaka) a.: Fandehanana miditra any anaty lobolobo mis), lolo na vazimba; fivezivezena amin' ny toerana tsy fantatra; firioriovana etsy sy eroa.
Ahitsio |
Fitsako | : | (tsako) a.: Fomba entina mitsako, izany hoe manapotipotika amin'ny nify ao am-bava: Hafa kely ny fitsakon'ny omby. •p.t.: Azo tsakoina: Ny rano tsy fitsako.
Ahitsio |
Fitsakoana | : | (tsako) a.: Fanapotipotehana amin'ny nify ao am-bava: Aza zatra amin'ny fitsakoana amin' ny nify anoloana.
Ahitsio |
Fitsambikina | : | (tsambikina) a.: Fomba entina mitsambikina, na miezaka mandingana mafy.
Ahitsio |
Fitsambikinana | : | (tsambikina) a.: Fiezahana mandingana mafy; fivikinana, fiantsamborana, fitsipihana.
Ahitsio |
Fitsamontsamona | : | (tsamontsamona) a,: Fomba na toetran' ny olona mitsamontsamona, izany hoe manapoapoaka sy mampitsefotsefotra ny molotra rehefa mihinana.
Ahitsio |
Fitsamontsamonana | : | (tsamontsamona) a.: Fanapoapoahana na fampitsefotseforana ny molotra rehefa mihinana :Mi-tory tsy fahalalam-pomba ny fitsamontsamonana eo ampihinanana.
Ahitsio |
Fitsananahana | : | (tsananaka) a,: Fiempoan'ny menaka.
Ahitsio |