Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsiahana: (tsiaka) a.: Fitriarana. Ahitsio
Fitsiaka: (tsiaka) a.: Toetran' ny zavatra mitsiaka, na mitriatra. Ahitsio
Fitsiatsia: (tsiatsia) a.: Fomba fakana rivotra na fialana voly amin'ny hatsiatsiaka. ? Fihatsaratsaran'ny marary, fanaretana: Amin'izao fitsiatsian' ny marary izao, dia azo atao tsara ny mamangy matetika. Ahitsio
Fitsidihana: (tsidika)a.: Famangiana miserana fotsiny: Fitsidihana ihany no ataonay fa mbola be ny adidy tsy maintsy haleha. 1 Fisehoana kely na fijerena eo am-baravarankely: Fitsidihako teo am-baravarankely no nahitako azy ter? amoron-dalana toa miandry olona. 1 Fanombohan' ny andro na ny fizaran-taona iray: Voalohandohan'ny septambra indrindra tamin' izay, fitsidihan'ny lohataona. Ahitsio
Fitsidika: (tsidika) a.: Fomba entina mitsidika, izany hoe mamangy miserana fotsiny. 1 p. t.: Azo tsidihina. Ahitsio
Fitsidradra: na Fitsidradraka (tsidradra, tsidradraka) a.: Toetran'ny zavatra mitsidradraka, izany hoe miainga ho avo na mitsangana misandrahaka. Ahitsio
Fitsidradrana: na Fitsidradrahana na Fitsidradraka (tsidradra, tsidradraka) a.: Fiaingana ho avo, fitsanganan'ny volo, tanana, tongotra misandrahaka: Oadray izany fitsidradraky ny uolon'ity zazalahy ity! Ahitsio
Fitsihana: (tsika) a,: Fivoahan' ny rano tsikelikely avy aminjavatra iray: Ny fitsihan'ny rano avy amin'ity vatolam-PY ity no mahatonga ny tranonareo ho mando lava. Ahitsio
Fitsika: (tsika) a.: Toetran'ny rano mitsika, izany hoe mivoaka tsikelikely avy ao anatin-javatra. Ahitsio
Fitsikabaka: (tsikabaka) a.: Toetran'ny zavatra mitsikabaka, izany hoe mitsinkafona ao anaty rano. Ahitsio
Fitsikala: na Fitsikalana (tsikala) a.: Toetran'ny zavatra misy tsikalana na aro mba tsy hipetahany mivantana amin'ny tany. Ahitsio
Fitsikamokamo: (tsikamokamo) a.: Toetran'ny olona mitsikamokamo, na malaindaina. Ahitsio
Fitsikanikany: (tsikanikany) a.: Fomban'ny olona mitsikanikany, izany hoe mihomehimehy foana tsy misy antony, mivanivany. Ahitsio
Fitsikanina: (tsikanina) a.: Toetra na fomban'ny olona mitsikanina, izany hoe mitanina afo na mitanina andro. Ahitsio
Fitsikaninana: (tsikanina) a.: Fitaninana afo, fitaninana andro. Ahitsio
Fitsikarakara: (tsikarakara) a,: Toetran'ny zavatra mitsikarakara na makarakara, izany hoe mahalana ny rafiny na ny tenony na ny rariny ka hita ny ao anatiny: Tsy tiako ity lamba ity noho ny fitsikarakarany. Ahitsio
Fitsikarohana: (tsikaroka) a.: Fihohazana, fihadianalavaka amin'ny tongotra aman-tanana: Ny fitsikarohan'ny akohonareo no nanimba ny tokotaninay. 1 Fanetsehana ny tongotra na ny tanana ao anaty rano: Loza izay fitsikarohany izay tamin'ny lomano fa tsy mbola nahazo voalohany ihany izy. Ahitsio
Fitsikaroka: (tsikaroka) a.: Fomba entina mitsikaroka, izany hoe mihohy amin'ny tongotra aman-tanana, na manetsika ny tongotra sy ny tanana ao anaty rano. Ahitsio
Fitsikebona: (tsikebona) a.: Toetran'ny zavatra mitsikebona, izany hoe mitsinkafona ao anaty rano. Ahitsio
Fitsikebonana: (tsikebona) a.: Fitsinkafonana ao anaty rano. Ahitsio