Fitsananaka | : | (tsananaka) a,: Toetran'ny zavatra mitsana-, naka, izany hoe miempo, mitsonika.
Ahitsio |
Fitsangana | : | (tsangana) a.: Fomba entina mitsangana, mijoro: Mitsangdna tsara fa tsy toy izao no fitsangana eo anoloan'ny lehibe,
Ahitsio |
Fitsanganana | : | (tsangana) a.: Fiaingana mijoro eo ambonin' ny tongotra roa: Tsy ampy rankizy, ny fitsanganana rehefa misy lehibe miditra fa tsy maintsy miarahaba koa. 1 Fijoroana: Matory am-pitsanganana ity zaza ity, • Fisehoana, fitoloran-tena: Ila na herimpo ny fitsanganana ho vavolombeiona.
Ahitsio |
Fitsangantsanganana | : | (tsangana) a.: Fandehandehanana ats? sy ary an-tongotra na anaty fiara mba haka rivotra na hiala voly. Toerana faleha mitsangantsangana: Misy fitsangantsanganana mahafinaritra eny Ambodiatafana.
Ahitsio |
Fitsantsanana | : | (tsantsana) a.: Fanenoana mikarantsana:Ny fitsantsanan'ny kipantsona.l Famailaham-bava izay sady mikarantsana no mampiseho hasiahana koa: Tsy fitsantsanam-bavan'izay vehivavy re izan y!
Ahitsio |
Fitsaohana | : | (tsaoka) a.: Fiondrehan'ny loha sy fanantazan-tanana ho maxi-panaiana lehibe: Vao tonga izy dia mari-pitsaohan no nataony teo anoloan'ny Fiiohan'ny Nosy. ? Fanehoam-panajana fanao amin'Andriamanitra tokana ihany ho fankatoavana ny maha-Mpahary azy.
Ahitsio |
Fitsaoka | : | (tsaoka) a.: Fomba entina mitsaoka, izany hoe miondrika ambany sy mananty tanana ho mari-panajana. ?P.t.: Azo tsaohina.
Ahitsio |
Fitsaontsaona | : | (tsaontsaona) a.: Fomban'ny vava mitsaontsaona, izany hoe miteniteny tsy misy kitotony, miteniteny teny tsy voahevitra.
Ahitsio |
Fitsaontsaonana | : | (tsaontsaona) a.: Fitenitenenana teny tsy voahevitra.
Ahitsio |
Fitsapa | : | (tsapa) a.: Fomba entina mitsap a na mikasika amin' ny tanana. 1 p.t.: Azo tsapaina.
Ahitsio |
Fitsapahana | : | (tsopaka) a.: Fidirana ao amin'ny zavatra iray tsy misy manohina: TsY nampoiziny akory ity fitsapahany tao anaty vahoaka. 1 Fidirana, filentehana: Tsy hita mihitsy ny fitsapahan'it9 zohy id ao anaty tendrombohitra. 1 Fianjerana: Ny fitsapahan'ny omby tao anaty fotaka.
Ahitsio |
Fitsapaka | : | (tsapaka) a.: Toetran'ny olona na zavatra mitsapaka, izany hoe miditra na milentika ao anaty zavatra iray hafa.
Ahitsio |
Fitsapana | : | (tsapa) a.: Fikasihana amin'ny tanana: NY fitsapana no ahalalan'ny olombelona ny momba ny hamafy na hafanan'ny zavatra iray. ~ Fanandramana: Efp nanaouanao fitsapana ve et? masinina vao namboarinao ity?. ? Fijerena izay tena toetran' ny zavatra iray marina, fisedrana: Ny fanadinana tsy inona fa fitsapana ny fahaizan'ny mpianatra. / Mahereza fa mety ho fitsapana avy amin'Andriamanitra ihany izao voina mahazo anao ?ao. 1 Famangiana amin'ny fahoriana raha misy maty, famangiana mania, fanaladiana: E-fa tonga nanao fitsapana teo ve ny fokonolona?
Ahitsio |
Fitsara | : | (tsara) a.: Fomba entina mitsara, izany hoe manavaka ny manana ny marina sy ny diso, mandanjalanja ny mety sy ny tsy mety. ~ P. t.: Azo tsaraina.
Ahitsio |
Fitsara-mizana | : | na Lahi-mizana a.: Ilay fanjaitra eo afovoan' ny mizana milaza ny fahamarinan'ny lanja, rehefa ny eo afovoany marina tsara no tondroiny.
Ahitsio |
Fitsaraingona | : | (tsaraingona) a.: Fomba entina mitsaraingona, izany hoe misalovana na misosoka eo anoloan'olona na manapaka tenin'olona ka miteny raha mbola miteny izy.
Ahitsio |
Fitsaraingonana | : | (tsaraingona) a.: Fisalovanana na fisosohana eo anoloan'olona. • Fanapahana tenin'olona, fitsatsaingohana. ~ Fitsabahana amin'ny raharahan'olona.
Ahitsio |
Fitsarana | : | (tsara) a.: Asan'ny saina manavaka ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy; fandanjalanjana ny mety sy ny tsy mety: Aoka tsy hiady hevitra firy ianareo fa samy manana ny fitsarany zavatra ny olona rehetra. ? Fahefana napetraky ny fanjakana mampiseho izay rariny sy hitsiny amin'ny alalan'ny f andinihana sy fampiharana ny lalàna manamarina na manameloka: Efa niakatra fitsarana ny raharahan-dry Rabe sy Ranaivo. ? Toerana anaovana io fitsarana io: Laso eny amui' ny Fitsarana i dada. ? Anarana nomena ny tangena fahizay. Misy ambaratonga telo ny fitsarana: ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny Fitsarana ambony (azon'izay resy tamin'ny voalohany angatahina hitsarana azy indray), ary ny fitsarana tampony (azon'izay resy tamin' ny faharoa angatahina hitsarana azy farany). Ny arao hoe Fitsarana atm) kosa dia ny antoko-mpitsara miandraikitra ny fampanoavana ny Lalàm-dranorenana.
Ahitsio |
Fitsarapahana | : | (tsarapaka) a.: Fianjerana na fibolisàrana tampoka tsy nampoizina ao anaty lavaka na rano na fandrika: Tapaka ny tongony tamin'ny fitsarapahany tao anaty lavaka ilay izy nody alina indray mandeha m'y niandry faty,
Ahitsio |
Fitsarapaka | : | (tsarapaka) a.: Toetran'ny olona mitsarapaka, izany hoe mianjera na mibolisatra tampoka ao anatY lavaka na fandrika.
Ahitsio |