Fitsinainaina | : | (tsinainaina) a.: Filerana, fisesefan-kanina.
Ahitsio |
Fitsinaka | : | (tsinaka) a.: Toetran' ny kibo mitsinaka na mibontsina.
Ahitsio |
Fitsinanginangiana | : | (tsinanginangy) a.: Fahasahian-dratsy be loatra; fidaondaom-bava.
Ahitsio |
Fitsinanginangy | : | (tsinanginangy) a.: Toetran'ny olona mitsinanginangy, izany hoe sahy ratsy be loatra, na midaondaom-bava.
Ahitsio |
Fitsinanika | : | (tsinanika) a.: Fomba na toetran'olona mitsinanika, izany hoe mihinan-kanina tsy mahalala onony.
Ahitsio |
Fitsindrantsindrana | : | (tsindrantsindrana) a.: Fomba na toetran'ny olona mitsindrantsindrana, izany hoe mipelipelika tsy mahapetraka fa mankatsy mankeroa noho ny tsy fahamaotinana.
Ahitsio |
Fitsindrantsindranana | : | (tsindrantsindrana) a.: Fikorontànan'ny volo fa misy mitsangan tsan gan a na mitsingatotra. 1 Fipelipelehan'ny zazavavy tsy mahapetraka fa manketsy mankeroa noho ny tsy fahamaotinana.
Ahitsio |
Fitsindriana | : | (tsindry) a.: Toetran'ny zavatra voaporitra na voatery.
Ahitsio |
Fitsindroandroana | : | (tsindroandroana) a.: Toetran'ny zavamaniry izay maniry etsy sy eroa.
Ahitsio |
Fitsindroandroanana | : | (tsindroana) a.: Fanirian-javamaniry izay maniry etsy sy eroa.
Ahitsio |
Fitsindrohana | : | (tsindroka) a.: Fitsaingohan'ny vavam-borona voan-javatra amin'ny tany: Ny fitsindrohan'ny vorona ny voa amin'ny tany no ivelomany- ~ Fandraisana zava-pihinana latsaka amin'ny tany: Nifaninana tamin'ny fitsindrohana ny voankazo latsaka tamin'ny tany ny ankizy.
Ahitsio |
Fitsindroka | : | (tsindroka) a.: Fomba entina mitsindroka, izany hoe mitsaingoka voanjavatra amin'ny tany (vorona), na mandray zava-pihinana latsaka amin'ny tany.
Ahitsio |
Fitsindrona | : | (tsindrona) a.: Hazo marani-doha famporisihana ny biby hiasa.
Ahitsio |
Fitsingadina | : | (tsingadina) a.: Toetran'ny olona mitsingadina, izany hoe miaulera mikodiadia, mivarina.
Ahitsio |
Fitsingadinana | : | (tsingadina) a.: Fianjerana mikodiadia, fivarinana. ? Fahafatesana antoka.
Ahitsio |
Fitsingalahalana | : | (tsingala) a.: Fikofokofohana, fitrifantrifanana; fiovaovana, fivadibadihana.
Ahitsio |
Fitsinganga | : | (tsinganga) a.: Toetran'ny zavatra mitsinganga, izany hoe miainga ila: Maharatsy ny bikan'ny lohanao ny fitsingangan'ny volonao.
Ahitsio |
Fitsingangana | : | (tsinganga) a.: Fiaingan'ny ilan-javatra ixay.
Ahitsio |
Fitsingatorana | : | (tsingatotra) a.: Fahapotrahana manan-toetra manokana ka miainga ny ilany vao miaulera; fahalavoana mitsingadina mankany andamosina ny fidabony.
Ahitsio |
Fitsingatotra | : | (tsingatotra) a.: Toetran'ny zavatra na olona mitsingatotra, izany hoe potraka ka miainga ny ilany vao mianjera na lavo mitsingadina mankany an-damosina ny fidabony.
Ahitsio |