Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsingedana: (taingedana) a.: Toetran'ny olona mitsingedana, izany hoe mandry mivalampatra, mitsotra toy ny amalo-maty. Ahitsio
Fitsingedanana: (tsingedana)a.:Fandriana mivalampatra, fitsorana toy ny amalo-maty; fitsorana mivalandotra. Ahitsio
Fitsingerenana: (tsingerina) a,: Fiherenan'ny andro anankiray isan-taona: Niantso ny namany Rakoto tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany. Ahitsio
Fitsingerina: (tsingerina) a.: Toetran'ny zavatra mitsingerina, izany hoe miverina ara-ka ny fihodinan'ny andro amin'ny taona. Ahitsio
Fitsingevenana: (tsingevina) a.: Fisaviliviliana, fikipilipilizana. Ahitsio
Fitsingevina: (tsingevina) a.: Toetran'ny zavatra mitsingevina, izany hoe mikivilivily, misavilivily, na mikiraviravy, mikirazorazo. Ahitsio
Fitsingilahila: (tsingilahila) a.: Toetran'ny zavatra mitsingilahila, izany hoe mirondrona na mivembena fa tsy marin-toerana tsara. Ahitsio
Fitsingilahilana: (tsingilahila) a.: Tsy fitoerana miarina tsara fa mihilana atsy mihilana aroa. Ahitsio
Fitsingina: (tsingina) a.: Fomba entina mitsingina, izany hoe mandray (zavatra) amin'ny loha rantsana. Ahitsio
Fitsinginana: (tsingina) a.: Fandraisana (zavatra) amin'ny loha rantsana: Nahasosotra ahy ny fitsinginany ilay taratasy nomeko azy, ohatra ny dia zavatra maloto • Fakana izay voafihina amin'ny loha rantsana, izany hoe zavatra pitiny kely. Ahitsio
Fitsingoana: (tsingoana) a. :Toetran'ny zavatra mitsingoana, izany hoe mirona na miraika izaitsizy ka ny ambany lasa ambony. Ahitsio
Fitsingolohana: (tsingoloka) a.: Firdnana ka ny loha no atao ambany; fitadiavana hanambaka, an-kafetsena; filàna vaniny amin'ny zavatra faran'izay madinika hamelezana olona. Ahitsio
Fitsingoloka: (tsingoloka) a.: Toetra na fomban'ny olona na zavatra mitsingoloka, izany hoe mirona ka ny loha no lasa ambany, na mitady hanambaka an-kafetsena, na mila vaniny amin'ny zavatra faran'izay madinika. Ahitsio
Fitsingozahoza: (tsingozahoza) a.: Toetran'ny olona mitsingozahoza, izany hoe reraka tsy afaka mandeha mijoro tsara. Ahitsio
Fitsingozahozana: (tsingozahoza) a.: Faharerahana tsy ahafahana mandeha miioro tsara; fihozangozanana; fangozohozoana. Ahitsio
Fitsininganingana: (tsininganingana) a,: Toetran'ny olona mitsininganingana, izany hoe mihindrahindra, mipelipelika, mihavatravatra, mihefikefika. Ahitsio
Fitsininganinganana: (tsininganingana) a.: Fipelipelehana, fihindrahindrana, fihavatravarana, fihefikefehana. Ahitsio
Fitsinjahana: (tsinjaka) a,: Fandihizana mitsambikimbikina; fihinjakinjahana. Ahitsio
Fitsinjaka: (tsinjaka) a.: Fomba entina mitsinjaka, izany hoe mandihy mitsambikimbikina. Ahitsio
Fitsinjara: (tsinjara)a.: Toetran' ny zavatra mitsinjara, izany hoe mizarazara ho tokony kely maromaro fa tsy ambongadiny. Ahitsio