Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsikefakefahana: (tsikefakefaka) a.: Fiendahana amin'ny laniny iray; fihofahofàna amin'ny laniny iray. Ahitsio
Fitsikefakefaka: (tsikefakefaka) a.: Toetran'ny zavatra mitsikefakefaka, izany hoe miendaka amin'ny laniny iray. Ahitsio
Fitsikera: (tsikera) a.: Fomba entina mitsikera, izany hoe manao izay tsy hifatraran' ny zavatra iray, manasaratsaraka, mivaofy. Ahitsio
Fitsikerana: (tsikera) a.: Fanasaratsarahana, tsy famelana hifitsaka: Ny anton'ny fitsikerana ny mololo dia mba hahamaina azy haingana. 1 Fanaratsarahana, fivoasana: Fitsikerana lahatsoratra. Ahitsio
Fitsikiakia: (tsikiakia) a.: Fomba entina mitsikiakia, izany hoe mampihomehy, manao hatsikana. Ahitsio
Fitsikiakianana: (tsikiakia) a.: Fampihomehezana, fanaovana hatsikana, famazivaziana, fisangisangiana: Lany ny andro tamin'ny fitsikiakianan' io tovolahy io. Ahitsio
Fitsikilo: (tsikilo) a.: Fomba entina mitsikilo, izany hoe mizaha taratra, manara-maso sy mihainohaino izay ataon'ny olona iray.l P.t.:A-zo tsikiloina. Ahitsio
Fitsikiloana: (tsikilo) a.: Fanaovana ara-maso sy fihainohainoana izay rehetra ataon'ny olona iray, nefa tsy hitany; fitarafana, fizahana taratra: Raharaha sarotra ny fitsikiloana. Ahitsio
Fitsikintsikina: (tsikintsikina) a.: Toetran'ny olona mitsikintsikina, izany hoe midihindihina, mitikintikina. Ahitsio
Fitsikintsikinana: (tsikintsikina) a.: Fidihindihinana, fitikintikinana, fiangentsanana amin'ny fomba famindra sy ny haingo. Ahitsio
Fitsikofokofohana: (tsikofokofoka) a.: Fihetsiketsehana, fitsipatsipahana, fitrifantrifanana, fihavatravarana. Ahitsio
Fitsikofokofoka: (tsikofokofoka) a.: Toetran'ny olonamitsikofokofoka, izany hoe mitsipatsipaka, mitrifantrifana. Ahitsio
Fitsikoinkoina: (tsikoinkoina) a.: Fomba na toetran'ny olona mitsikoinkoina, izany hoe mitaraindraina, mimoimoy. Ahitsio
Fitsikoinkoinana: (tsikoinkoina) a.: Fimoimoizana, fitaraindrainana, fikoinkoinana: Tonga hatrany an-tampony ny fitsikoinkoinan'ny mpianatra kilasimandry ratsy sakafo. Ahitsio
Fitsikozakoza: (tsikozakoza) a.: Fomban'ny olona mitsikozakoza, izany hoe mitaredretra noho ny aretina na ny hakamoana. Ahitsio
Fitsikozakozana: (tsikozakoza) a.: Fitaredretràna, fitsiredaredàna noho ny aretina na ny hakamoana. Ahitsio
Fitsilailaizana: (tsilailay) a: Fandriana mivadibadika; fitsimbadibadihana; fitsinkasinkasinana: Mahafinaritra ny ankizy ny fitsilailaizana eny ambony ahitra. 1 Fitaredretrana, fitsiredaredana: Ny fitsilailaizana fomban'ny kamo, Ahitsio
Fitsilailay: (tsilailay) a.: Fomba entina mitsilailay, izany hoe mandry mitsimbadimbadika, mitsinkasinkasina. Ahitsio
Fitsilanesana: (tsilany) a.: Fandriana ka ny lamosina no a-tao ambany, izany hoe ny maso miandrandra ambony: Ny filanesana no fomba fandriana ahazoana aina tsara indrindra. Ahitsio
Fitsilany: (tsilany) a.: Fomban' ny olona mitsilàny, izany hoe mandry ny lamosina no atao ambany. Ahitsio