Rosoana | : | (roso) mt. pdr. (rosoy): Enti-milaza olona omena zavatra hohanina ka atao eo anoloany izany zavatra izany: Rosoana uary ny uahiny.
Ahitsio |
Rota | : | p. t.: Rovitra, simba. - t.i.f.: Mandrota 1 rotarota.
Ahitsio |
Rotahana | : | (rotaka) mt. ih. (rotahy): Anehoana tsy fahafaliana ka simbana ny fananany.
Ahitsio |
Rotaka | : | a.: Fanehoana ts? fa- ROI hafaliana ataon' olona maro, izay mamakivaky arabe ka manimba izay rehetra sendra azy. * t.i.f.: Rotahana / mirotaka, firotaka, mpirotaka / irotahana, firotahana.
Ahitsio |
Rotaka | : | sy Rotarota a.: Ilazana ny kibo be, toy ny kibon'ny bevohoka na ny an'ny olona matavy. * t.i.f.: Mirotaka.
Ahitsio |
Rotana | : | mt. ih.: (Mitovy amin' ny Orotana, jer. Orotra): Ro-sana, tangosana befahatanY sy ataotao fotsiny (ravin-javam aniry ).
Ahitsio |
Rotay | : | (fr. rotin) a.: Rantsan' ny tsontsoraka anaovana tehina, seza...
Ahitsio |
Rotehina | : | (rotika) mt. ih. (roteho): Rovitina atao kotika tsy misy horaisina.
Ahitsio |
Roterote | : | (Ski) a.: Nofom-biby (hena na hazandrano) ampifangaroina amin'ny menany.
Ahitsio |
Rotika | : | mt. ih. sy p.t.: Rovidrovitra be ihany, kotika, potika. * f.: Rotehina, voarotika / mandrotika, fandrotika, mpandrotika 1 androtehana, fandrotehana 1 mirotika, firotika, mpixotika 1 mifandrotika / ifandrotehana, fifandrotehana 1 manarotika, fanarotika, mpanarotika / anarotehana, fanarotehana 1 mifanarotika / maharotika / mikorotika.
Ahitsio |
Rotoroto | : | a.: Fanaovana (zavatra) haingana; fahamaikana sy fandeha mihazakazaka, hadodonana izaitsizy. - t.i.f.: Rotorotoina, moto-roto, tafarotoroto 1 mandrotoroto, fandrotoroto, mpandrotoroto 1 androtorotoana, fandrotorotoana 1 mirotoroto, firotoroto, mpirotoroto / irotorotoana, firotorotoana 1 maharotoroto.
Ahitsio |
Rotorotoina | : | (rotoroto) mt. ih. (rotorotoy): Atao haingana dia haingana: Aza rotorotoina ny asa fa mahatonga azy ho zara fa uita.
Ahitsio |
Rototra | : | p.t.: Mafana fo vonona hanao zavatra, mazoto, marisika: Rototra amin'ny fianaran'ny zanany kokoa Rasoa noho Rakoto. ? Mai-ka, dodona: Heuerinao ue fa rototra akory izy nahita ny setroka nidonaka eran'ny trano? - t.i.f.: Maharototra / mifanarototra. - F.-p.: Tsy rototra: tsy miraika, tsy taitra.
Ahitsio |
Rotra | : | a.: Hazo lehibe fahita saika hatraiza hatraiza, fa indrindra manaraka ny moron'ny renirano; maro ny ilana ny rotra: ny voany, me-na antitra, somary boribory lavalava dia anisan'ny voankazo maro mpitia na dia somary maisamaisatra kely aza; ny hazony kosa dia hanaovana hazon-trano, fa indrindra hazon-tsarety sy foiben-kodiarana (Myrtacées eugenia).
Ahitsio |
Rotsahana | : | (rotsaka) mt. pdr. (rotsahy): Ampidinana na rarahana zavatra (rano na voa madinika...): Norotsahany rano ilay vain'afo uao maty.
Ahitsio |
Rotsaka | : | a.: Fampidirana na fandrarahana rano na voa madinika na vovo-javatra ho eo amin'ny toerana ambany tiana hamindrana azy. ? Fidirana ho eo an-tsehatra handray adidy na hianatra na hilalao... - t.i.f.: Rotsahana, arotsaka, voarotsaka, tafarotsaka / mandrotsaka, fandrotsaka, mpandrotsaka / androtsahana, fandrotsahana / mirotsaka, firotsaka, mpirotsaka / irotsahana, firotsahana / maharotsaka / rotsadrotsaka.
Ahitsio |
Rotsina | : | Rotsirotsina (rotsy) mt. ih. (rotsio, rotsirotsio): (hoditra) Atao mibontsimbontsina, marokoroko.
Ahitsio |
Rotsirotsina | : | (rotsirotsy) mt. ih. (rotsirotsio): (zaza) Asavilivily eo amin'ny sandry mba hampangina na hampatory azy na hahafinaritra azy fotsiny.
Ahitsio |
Rotsirotsy | : | a.: Fanindrahindrana na fanasaviliviliana ny zaza eo ambony sandry mba hampatory na hampangina na hahafinaritra azy. - t.i.f.: Rotsirotsina, voarotsirotsy / mandrotsirotsy, fandrotsixotsy, mpandrotsirotsy / androtsirotsiana, fandrotsirotsiana / maharotsirotsy.
Ahitsio |
Rotsy | : | na Rotsirotsy a.: Fivontovontosana kely madinika amin'ny hoditra ka mahatonga hibontsimbontsina na marokoroko. i tif: Rotsina, voarotsy / mandrotsy, fandrotsy, mpandrotsy / androtsiana, fandrotsiana.
Ahitsio |