Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sointsoina: p.t.: Fihatahana menamenatra sy mangaihay noho ny tena diso fanantenana na tsy noeritreretin'ny olona. - t.i.f. : Asointsoina, tafasointsoina / misofntsoina, fisointsoina, mpisointsoina / isointsoinana, fisointsoinana / mahasointsoina. Ahitsio
Soirina: (soitra) mt, ih, (soiro): Alaina na hetsehina amin' ny hazo na zavatra maranidoha: Nosoirin'ny ankizy tamin'ny hazo lava ny voankazo. • Totoin'ny omby amiri' ny tandrony: Nosoirin'ny omby iiay zaza. ? Ailika, savasavana: Soirina ny lavenona mba hirehetan'ny afo tsara. Ahitsio
Soitra: a.: Fanalana na fanesorana amin'ny hazo na zavatra marani-doha; fanotoan' ny omby amin'ny tandrony; fanilihana hihataka. - t.i.f.: Soirina, asoitra, voasoitra, tafasoitra / misoitra, fisoitra, mpisoitra / isoirana, fisoirana / mahasoitra / soitsoitra / manoitsoitra. Ahitsio
Soitrafo: na Siotrafo a.: Hazo kely lavalava fandrosoana sy famboarana ny kitay mba hirehetany tsara ao anaty fatana ary hanangonana ny vain' afo tsy hiparitaka. * Ohab.: May tsy mba ho-mana ohatra ny soitrafo: enti-milaza ireo mpanao soa tsy mba heverin'ny olona akory. Ahitsio
Soitsoitra: a.: Totom-boangahazo mains endasina. Ahitsio
Soka: a.: Fanatsobohana ao anaty rano, toy ny fandokoana ny lamba na fanofénana ny vy avy notefena. ? Ranondoko mainty, loko mainty: Lopotra tsara soka. - t.i.f.: Asoka, voasoka, tafasoka / manoka, fanoka, mpanoka / anokana, fanokana / manasoka, fanasoka, mpanasoka / anasokana, fanasokana / misoka, fisoka, mpisoka / isokana, fisokana / mahasoka. Ahitsio
Sokafana: (sokatra) mt. ih. (sokafy): Alana sarona: Sokafy ny vata hakako ny akanjoko, • Avala hitanatana (vava), hihiratra (maso), hivelatra (boky)...: Sokafana ny vava rehefa mihinana. ? Avala handehanana: Lalana vao nosokafana ity. Ahitsio
Sokaiky: Jer. Kokiky. Ahitsio
Sokajin-teny: a.: Teny ilazana ny karazan-teny fampiasa hanaovana fehezanteny. Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy: ny matoanteny (oh. miteny), ny anarana (ankizy), ny mpamaritra (fotsy), ny mpisolo (izy), ny mpanoritra (ilay), ny mpampiankin-teny (amy), ny mpampitohy fehezan-kevitra (rehefa), ny mpampitohy (ary), ny tenim-piontanana (indrisy), ny kian-teny (ve). Maro amin'ireo sokajin-teny ireo indray no mitsinjara ho karazany vitsivltsy. Ahitsio
Sokajy: (angl. squad) a.: Antokon andia-miaramila madinika izay misy miaramila dhny amby roapolo. ? h.i.: Fizarazaran'ny antoko na fikambanana iray: Misy sokajy efatra ao amin'ny Akademia MalagasY. Ahitsio
Sokaka: p.t.: (rafitra) Tsy miady tsara fa misokatra ny zorony. 1 h.i.: (olona kidaladala) Mitanatana vava raha mahita zavatra mahavariana azy. - t.i.f.: Asokaka, tafasokaka / misokaka, fisokaka, mpisokaka / sokakakaka. Ahitsio
Sokatra: a.: Karazam-biby man-dia tongotra efatra, iva tongotra, mifono ao anaty akora, izay mafy eo amin'ny faritra manarona ny lamosiny sy ny tendany, manify kosa eo amin'ny fanambaniny; manatody aleviny any anaty fasika ny sokatra; hanin'ny olona ny nofon'ny sokatra. Ahitsio
Sokatra: ft.: Fivohana; tsy fikombonana fa fitanatanana. i t.i.f.: Sokafana, asokatra, voasokatra, tafasokatra 1 manokatra, fanokatra, mpanokatra 1 anokafana, fanokafana 1 misokatra, fisokatra, mpisokatra / isokafana, fisokafana 1 mahasokatra I sokatsokatra. Ahitsio
Sokatrika: a.: Fipetraka tiana ho hita tsara eo anoloana; fiatrikatrehana raha mipetraka. - t.i.f.: Asokatrika, tafasokatrika 1 misokatrika, fisokatrika, mpisokatrika / isokatrehana, fisokatrehana I mahasokatrika 1 sokatrikatrika. Ahitsio
Sokay: (fr. chaux) a.: Karazambato malemy mora misa atsaraka, fotsifotsy, anaovana feta hatao fandalorana na handitiana ny vato arafitra. Ahitsio
Soke: (Ski) a.: Karazan'akorandriaka boribory, sahalahala amin'ny sokina mivonkina, izay fihinana ny nofony. Ahitsio
Sokera: (angl. square) a.: Fiasan'ny mpandrafitra sy ny mpanao sary, izay ahazoany sy anipihany ny efa-joro marina. 1 Fanodidinana toerana na tanàna. 1 Trano mibikana sokera, izany hoe misy tohiny mitsivalana. - t.i.f:: Sokeraina, asokera, voasokera 1 manasokera, fanasokera, mpanasokera 1 anasokerana, fanasokerana. Ahitsio
Sokeraina: (sokera) mt. ih. (sokerao): Hodidinina avy eo amin'ny lafiny roa na mihoatra: Nosokerain'ny fahavalo ny tanna ka tsy nisy afa-niiefa ny mponina. Ahitsio
Soketa: a.: Tsiny tsy ara-drariny; endrikendrika atao; adidy, fondro: Mahazo soketa eo ianao fa aleo miala. i t.f.f•: Soketaina, asoketa, voasoketa 1 m anasok eta 1 mahasoketa. Ahitsio
Soketaina: (soketa) mt. ih. (soketao): Tsinina, adidina, endrikendrehina tsy ara-drariny. Ahitsio