Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vinanina: (vinany) mt. ih. (vinanio): Lazaina na ambara mialoha: Novinaniny ny hahazo ny olombelona any amin'ny taonjato faha-XXV. - Fantarina na dia tsy hita aza: Vinanio iza no namely anao. ~ Fantarina kitoatoa: Vinanio iza no nahazo ny loka lehibe indrindra tamin' ny antsapaka. ~ Alain antsaina, an'eritreritra: Tsy azonao vinanina ny fahoriana nahazo ahy. Ahitsio
vinanio:avy amin'ny ftt "vinany" : ezaho fantarina, fantaro, alaivo sary an-tsaina Ahitsio
Vinanto: a.: Vadin'ny zanakalahy na ny zanakavavy, ka arakaraka lzany no iantsoana azy hoe "vinantola, hy" na "vinantovavy". * Ohab.: Misosososo ohatra ny vinanto tsy mahare fosa: enti-milaza ny olona tay mahimahina ny amin'izay olona hatonina fa aviavy ery} mamboraka izay ao am-po. Ahitsio
Vinany: a.: Vava fidtran'ny renirano amin'ny ony, na ny ony amin'ny ranomasina. Ahitsio
Vinany: a.: Eritreritra na tsindrimandry amin'ny mbola ho avy, tombantombana eo ho eo: Vinany ara-keviny fotsiny ante no ilazako izany e! - Nofinofy sy hevi-dravina kitoatoa na anjoanjo: Iaiahy ity koa dia manao vinany'mihitsy! ~ Zavatra na teti-dratsy, hasomparana: Tandremo 800 manao vinany aty aminay aty a! (f.t.m.) - t.i.f.: Vinanina, avinany, voavinany / maminany, faminany, mpaminany) aminaniana, faminaniana ! mahavinany / vinaninany. Ahitsio
Vinavina: a.: Tombantombana, fisainana na tetika ara-keviny fotsiny momba ny zavatra iray, izay tsy lavitra ny tena marina: Anaovy vinavina kely, ange, ny ho laniko amin'ny fanamboarana to trano io, - t.i.f.: Vinavinaina, avinavina, voavinavina / maminavina, faminavina, mpaminavina / aminavinana, faminavinana / mahavinavina. Ahitsio
Vinavinaina: (vinavina) mt. ih. (vinavinào): Tombantombanana: Vinavinào aloha izay ho laninao alohan'ny hanorenanao trano. Ahitsio
Vinda: o.: Zavamaniry fanao tsihy na harona. Ahitsio
Vindaka: p.t.: Sosotra. Vindavinda a.: Teny an-katezerana mikitakita. - t.i.f.: Tafavindaka, tafavindavinda I mivindaka, na mivindavinda, fivindaka na fivindavindaa, mpivindaka na mpivindavinda I ivindahana na ivindavindàna, fivindahana na fivindavindàna / mahavindaka na mahavindavind a. Ahitsio
Vindina: ft.: Fivontosana tahaka ny voakaikitry ny renitantely; fivontosan'ny molotra raha 'dardera na nisy namely totohondry. - t.i.f.: Mivindina, fivindina / ivindinana, fivindinana. Ahitsio
Vingavinga: a: Fanaovana olona ho tsy mitovy saranga amin'ny tena ka entina tsy misy fanajana; fanivaivana, fanambaniana, far.azimbana. 1 Vingavingaina, voavingavinga ! mamingavinga, famingavinga, mpamingavinga 1 amingavingana, famingavingana / mahavingavinga. Ahitsio
Vingavingaina: (vingavinga) mt, ih. (vingavingao): Ivaivain, ambanina, zimbaina, hamavoina, tsy asiana hasina, tsy hajaina: Novingavingainy teo imason'olona maro be teo a-ho ka tsy manaiky. Ahitsio
Vingina: na Vingivingina (vingy) mt. ih. (uingfo, uingivingio): Entina amin'ny tandron-tanana. •Tsiratsirafna. Ahitsio
Vingitina: na Vingirina (vingiira) mt. ih (vingito, vingiro): Entina amin'ny loba fanondro sy ny ankibe: Ento tsara fa aza vingitina toy izao io mosara io fa efa madio. Ahitsio
Vingitra: a.: Fitondran-javatra amin'ny loba fanondro sy ny ankibe ka sisiny kely no itondrana azy. - t.i.f.: Vingitina, vingirina, voavingitra / mamingitra, famingitra, mpamingitra / amingftana, famingitana / vingfmbingitra. Ahitsio
Vingy: sy Vingivingy ft.: Fitondran-javatra amin'ny tendron-tanna ihany, toy ny zavatra maivan-kely. ~ Fanaovana tsinontsinona, tsy fanajana, fanixatsirana. - t.i.f.: Vingina, vingivingina, avingivingy, voavinay, voavingivingy, tafavingy, tala= vingivingy / mamingivingy, famingivingy, mpamingivingy I amingivinglana, famingivingiana / mivingy na mivingivingy, fivingy na fivingivingy, mpivingy na mpivingivingy I ivingivingiana, fivingivingiana I mavingy, mavingivingy. Ahitsio
Vinidy: (vidy) mt, ih misy tsofoka in: Voavidy, novidina, naloa vola: Taiza no novinidinao it? tsihy it9? Ahitsio
Vinikina: (vikina) mt. ih. misy tsofoka in: Novikinina, nodinganina, nihoarana: Tatatra ma metatra no novinikin' ity zaza mbola kely ity. Ahitsio
Vinimbina: (vimbina) mt. ih misy tsofoka in: Voavimbina, vimbinina, entina amin' ny tanana: Voankazo kely no novinimbinay ho anareo. ? Tahina, arovana: Novinimbin'Andriamonitra ity fianakaviana it? fa sady nomeny taranaka maro no nomeny harena koa. Ahitsio
Vinirina: (vinitra) mt. ih. (vint-ro): Atao izay hahatezitra: Aza uinirina rainao, anaka. Ahitsio