Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Akivy: (Ats), a.: Sazy famaizana olon-dratsy ataon'ny olona amin'ny fokontany iray ka ahatany na ahibony tsy hifanerasera amin'ny olona ilay faizina. Ahitsio
Akizaka: (kizaka), mt. fit. (akizaho): Entina manome tsiny, anomezan-tsiny arahin-devilevy na trerona: Zavatra kely iny dia hitany nakizaka ahy. Ahitsio
Ako: a.: Fiverenan'ny feo mahadona zavatra, toy ny rindrina na tamboho na tendrombohitra. • h.o.: Fiverenana any aoriana: Ao ny tsantan'ny andro taloha sy ny hiran'ny fahazazako no milevina ka tsy mifoha na miverina mba hitondra ako! (J.-J. R.) - t.i.f.: manako, fanako ! anakoana, fanakoana ( mana• koako. Ahitsio
Akoa: (koa), mt. at. (akoavy): Ahitsio
Akobaka: (kobaka), mt. fit. (akobahy): Entina manakobaka, manetsiketsika ny rano: Haxo lavalava no nakobany ny rano tao anaty barika. • mt. at.: Hetsiketsehina, sasana (ao anaty rano): Nakobany tao anaty rano ny tongony fa feno fotaka. Ahitsio
Akobana: (kobana), mt. at. (akobano): Atao izay hihetsiketsehany, hivontosany: Nakobany tao anaty rano mafana ny tavolo. Ahitsio
Akobila: (kobila), mt. at. (akobilao): Atao tonga bila, mivaona. Ahitsio
Akobona: (kobona), mt. fit. (akobony): Entina handrakofana, hanafenana: Taratasy no nakobony ilay mangahazo nomeko azy. Ahitsio
Akodadaka: (kodadaka), mt.at. (akodadaho): Asaina mikodadaka na mikodedika. Ahitsio
Akodia: (kodia), mt. at. (akodiavo): Alefa hikodia, hikodingy; akodingy: Nakodian'ny anjely ilay vato teo amin'ny varavaram-pasana, dia nipetrahany. Ahitsio
Akodingy: (kodingy), mt. at. (akodingio): Azera, adaboka dia avela hikodiadia: Nakodinginy tany an-tevana ilay vato nanakan-dalana anay. • h.o.: Aongana: Nakodingin' ny Filoha ireo minisitra faly nameno paosy. Ahitsio
Akofa: a.: Voambary poaka aty na foana ny atiny. - t.i.f.: manakofa. Ahitsio
Akofoka: (kofoka), mt. at. (akofohy): Hofokofohina, ahetsiketsika: Akofohy ny ana-na fa matetika misy bibin'anana. • Akopaka: Akofohy ny lamba fandiavana isa-maraina. .1 Kapohina: Nako fodminy ilay zazalahy fa naditra. Ahitsio
Akohaka: (kohaka), mt. at. (akohafy): Avoaka amin'ny kohaka: Be ny rehoka nakohaky ny marary. Ahitsio
Akoho: a.: Karazam-borona mpitslndroka, somary boribory vatana bontolontolo va-va somary mamokotra, fohifohy elatra ka tsy afa-manidina lavitra, fiompin'ny olombelona hatramin'ny ela be noho ny henany sy ny atodiny, (akohouavy, akoholahy, vontotr'akoho, akohokely). Ny teny ilazana ny feon'akoho dia ireto avy: mikoraika (ny akohovavy), mikakàka (ny akohovavy hanatody), mikoràka (ny akohovavy avy nanatody na nis), nanaitra), maneno (ny akoholahy), mikohokoho (ny akoholahy miantso ny akohovavy na ny akohovavy miantso ny zanany). ~ * Ohab.: Akoho tsy naneno ohatra izay lanin'ny kary: enti-milaza famoizan-zavatra nandrasan-tsy tonga. Ahitsio
Akohokely: a.: Zanak'akoho mbola kely. * Ohab.: Faly sahirana ohatra ny akohokely tsipaxampotsimbary: enti-milaza olona nahazo soa betsaka mitontohitra ka diboky ny hafaliana nefa sahirana indray fa toa tsy hita izay horaisina. / Akohokely lasam-papango: nisidina ambony vao tra-pahoriana: tafakatra amin'ny Akoholahy toerana ambony vao nahita loza. Ahitsio
Akoholahy: a.: Ny lahy ami?' ny akoho. * F.-p.: Akoholahy maneno alina: olona mipentsompentsom-bava; ) adin'akoholahy fantàka: ady manao tari-dositra. Ahitsio
Akohovavy: a.: Ny vavy amin' ny akoho. * F.-p.: Akohovavy maneno: vehivavy avo vava miseho ho mpitarika ao an-tokantrano. Ahitsio
Akojy: (kojy), mt. fit. (akojeo) Entina manakojy, mitarika, manjono, manangoly: Vola ve no akojinao ahy? Manana aho. Ahitsio
Akolepaka: (kolepaka), mt. at. (akolepaho): Atao mikolepaka, mandringa. Ahitsio