Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mamita: (vita) mt.p. (mamità): Manatanteraka, manatontosa, manapitra, manao hatramin'ny farany: Mbola mamita kely ny taratasy ho an-ja- M nako aho fa aza kotabaina / Hamita ny trosan-dRabe amiko aloha aho vao hanao trano. • Manapaka, mamarana: Mamita ny fifanekeny ry zareo ao avaratra. Ahitsio
Mamitaka: (fitaka) mt.p. (mamitaha): Manambaka: Aza mamitaka ny bado. • Manoloky, mametsy: Namitaka ny olona tao an-tanna iny mpisoloky iny. • Mahadiso hevitra: Loza fa namitaka ahy ny masoko: ataoko it? vola ariary zato no nomeny ahy, hay roapolo! ¶ M.h,: Mamangopangoka, mametsy, manangoly, manabony, mandroboka, mandrendrika, misaroro, misarory, mandroky, mandrokidroky, misodika, manao solia, manao sombia, manao sombe, manome vohony, manome vohon-dambo, manao antohimamba, mandainga, manao marina tsy to, manome fitaka, manome lainga, manambaka, mivarotra saka be loha, manolo-bato mafana, manao varo-draikirailry, mamahan-dalitre, m am ahandainga, manao hosoka, manao tsipandrifandry, mania dika, mifetsy, misoloky, misandoka, manandoka, mivarotra, mamandrika, manolikoly, manao ronono an-ta vy, mampidi-bingo, mampidi-kizo, mampiditra amin'ny ety, mampiditra amin'ny maizina, manao longoa mitoto-bozaka, mahavoafitaka, manodoka. Ahitsio
Mamitra: (fitra) mt.p. (mamira): Mamafa, mamaoka, manesotra ny diky amin'ny vorodamba, taratasy... Ahitsio
Mamitrana: (vitrana) mt. p. (mamitràna): Manjaitra (zavatra) roa mba hitambatra ho iray: Iza no namitrana ireto tsihy ireto? • Marnplrindra (fiha vanana tapaka): Izy no namitrana ny fihavananay ka isaory izy. Ahitsio
Mamitsaka: (fitsaka) mt.p. sady mt.s. (mamitsaha): Manao izay hahafisaka, hampifintina: Mamitsaka ny tony ny ranonorana. • 1) Mipetraka tsars miampirimpirina tsy mihetsika amin'ny toerana iray: Mamitsaka eo amorompotana ny saka. 2) Miery ao an-katakonana sady mitily: Namitsaka tao anaty lobolobo ilay mpangalatra. 3) Mipe- traka, miaritra, miandry fotoana tsaratsara kokoa: Mamitsaka izahay izao fa resy. Ahitsio
Mamitsoka: (fitsoka) mt. p. (mamitsoha): Mamely, manisy: Mamitsoka tehamaina. * Mandany: Tamin'ny soavaly no namitsohan-dry Rabe mivady ny uoiany rehetra • Manao tsara mihoatra noho...: Namitsoka indrindra tamin'ny mpianatra namany rehetra izy. Ahitsio
Mamitsy: na Manavitsy (vitsy) mt, p. (mamitsia, manauitsia): Mampihena isa. Ahitsio
Mamivitra: (viuitra) mt.p. (mamivita): Mandray amin'ny sisiny na amin'ny ilany kely foana. • Misintontsintona, mandrirodrirotra. • Mitsongo (teny) ka mandrirotra izany mba hiadiana. Ahitsio
Mamizana: (vizana) mt p.: Manasatra, mahasasatra: Mamizana ahy izany mihaino ny bedibedinareo izany ka lasa aho. ? Mandreraka: Mamizana ity osa mibata entana lava it?. Ahitsio
Mamizatra: (vizatra) mt.p.: Miteny olona miriadriatra: Tsy tiako Rangahy io fa mahery mamizatra mpiasa aoka izany er?. Ahitsio
Mamizaviza: (vizaviza) mt. p. (mamizavizà): Manao tsinontsinona, mamingavinga: Tanora tsy vanona no sahy mamizaviza ny an titra. Ahitsio
Mamo: p.t: Nihinana na nisotro zavatra be loatra ka nan jary tsy tia intsony; lao: Mamom-paraky ny anao lahy. • Very saina noho ny herin'ny zavapisotro mahery nosotroina: Mamo maty izy ka noraofina tany an-tatatra. - t.i.f.: Mamoina / manamamo, fanamamo, mpanamamo / anamamoana, fanamamoana ( mahamamo / mimamo, fimamo, mpimamo / imamoana, fimamoana / mamomamo / mankamamo / hamamo, hamamoana. - F.-p,: Mamo fotaka: leon' ny raharaham-panetsana efa saika tsy efa. / Mamo maty: doroka tanteraka ary tsy mahahetsika mihitsy fa midaboka. f Mamo ratsy: Leondeony sy valabalaka. ¶ M. h.: Mienjika, varivariny, jaonjaona, tafiditra, didy, mitadidy, mivembena, doroka, mandraingiraingy, jobo, biri-ka, leon-toaka, trabo, mena maso, mandref? lalana, manao tari-damba, mirediredy, very saina, mamo maty, mamo be ohatza ny omby. Ahitsio
Mamoa: (voa) mt.p.: Mitondra vos: Namoa betsaka it? voaloboka ity taon-dasa. Ahitsio
Mamoafady: (voa) p.t.: Entimilaza olona miteniteny foa• na na miteny ratsy ka mahatonga izay manatrika eo ho menatra: Mangina ity fa aza mamoafady eo. Ahitsio
Mamoaka: (voaka) mt.p. (mamoàha): Mampiala ny trano: Mamoaka ny ankizy haka rivotra ny mpampianatra. • Milaza am-pahibemaso: Efa namoaka didy mihitsy ny fanjakana momba izany. • Mamosaka, mampiseho: Aoka ianao hamoaka mazava ny heuitrao eto anoloanay. • Mampiseho voalohany ho hitan'ny olona: Vao namoaka gazety indray izao Randria. * Manome:Mamoaka feo tsara sy mahafinaritra io orga vao novidinay io. * Enti-milaza ny ray aman-dreny izay mandefa ny zanany hanambady, amin'ny fotoanan'ny fampakarana:Hamoaka zazavauy Rakoto mivady rahampitso Asabotsy. Ahitsio
Mamoana: (foana) mt.p.:Mamongana, mandany, manjifa: Tontakely no namoana ny fananan-dRabe. Ahitsio
Mamoanjo: (uoanjo) mt.s: Mametraka na mandefa miaramilahiandry tany. Ahitsio
Mamoavary: p.t.: Misy voavary: Any amin'ny lelany no amantarana ny kisoa mamoavary. Ahitsio
Mamody: (vody) mts.: Misy vodiny: Mbola tsy mamody ireto mangahazo ireto. Ahitsio
Mamofo: (fofo) mt.p. (mamofoa): Mifidy ho fofombady. Ahitsio