Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rora: a.: Tsiranorano miforona ao anaty vava, manampy amin'ny fitelemana ny hanina ary manova ny toetoetrany simika; iray amin'ny ivy ihany ny rora, saingy somary mandroatra ary iniana avoaka. - t.i.f.: Rorana, arora, voarora 1 mandrora, fandrora, mpandrora / androrana, fandrorana 1 maharora. - F.-p.: Fotsy rora: ilazana ny olona tsy ankatoavina ny anatra na torohevitra omeny: Aza atao fotsy rora ireo ray aman-dreninareo! / Miteiin-drora: mitsiriritra ny hihinan-javatra amin'ny fahitana azy fotsiny. / Mitsipy rora: mampiseho tsy fitiavana na fanivaivana zavatra na olona amin'ny fandefasana rora eo anoloany. / Roram-piso: a) ny roran'ny saka izay itsofany ny biby miady aminy; b) enti-milaza koa ny erika madinika mifafy, indrindra amin'ny ririnina. Ahitsio
Roraka: p. t.: Tsy mifintina tsara fa mihamiletsy sy mitambotsotra. ? Kivy tsy afa-mioitra. - t.i.f.: Aroraka, voaroraka, tafaroraka / mandroraka, f androraka, mpandroraka / androrahana, fandrorahana / miroraka, firoraka, mpiroraka / irorahana, firorahana / maharoraka / roradroraka / mivaroraka. Ahitsio
Rorampiso: a.: Orana manify dia manify fahita matetika eny amin'ny toerana misy tendrombohitra avo; erika madinika. ¶ M. h.: Erikerika, laviana, amanimboalavo. Ahitsio
Rorana: (rora) mt. ih. (rorao): Tsipazana rora: Nororan'ilay mpanao fanafody ny fery dia toa maina. ? Atao tsinonts}-nona, tebahina, fotsifotsina, zimbazimbaina: Nororany ilay mpangalatra dia lasa izy. Ahitsio
Roranga: (Btm) a.: Tanety rakotra bozaka. RORANGA dia antsoina hoe CLAIRIERE . Toerana mangadihady amin'ny toerana Rakotra Ala mikitroka, no famaritana azy. Fahita any amin'ny faritra be ala mikitroka, toy ny amin'ny Tagnala. Toerana ao anaty ala mikitroka tsy misy hazo maniry voajanahary azon'ny mponina ampiasaina io toerana io. ohatra: Any Ifanadiana dia misy toerana antsoina hoe : ANDRORANGAVOLA. Mbola feno ala mikitroka tany taloha, asa ankehitriny. Very ny maha roranga azy rahefa ripaka ny ala manodidina azy. NB: Mety feno bozaka ny roranga fa tsy misy hazo mijoalajoala anatin'ny ala mikitroka. Matetika dia toerana mangadihady tsy misy bozaka. NB: ny tanety midadasika tsy tazamaso ,feno bozaka indray dia steppes. NB: raha toa ka efa tsy misy ala intsony manodidina ny roranga dia tsy antsoina intsony hoe roranga. Ahitsio
Roria: ft.: Fijerena mitsipendrampendrana be ihany ka toa manjary roa daholo izay zavatra jerena. * t.i.f. : Mandroria. Ahitsio
Rorika: ft.: Ketraka, borerarera, gorera. - t.i.f. : Arorika, voarorika, tafarorika / mirorika, firorika, mpirorika / roridrorika. Ahitsio
Rorirory: ft.: Toetran'izay rehetra manify sy malemy, toy ny lamba izany, ohatra. - t.i.f.: Mirorirory, firorirory. Ahitsio
Roritina: (roritra) mt. ih. (rorito): Sintonina, tarihina, sarihana: Aza roritinao mafy toy izao ny sandriko. ? Henjanina: Nororitiny ny lamboridin-tsoaualy dia nijanona tampoka ilay biby. ? Halavaina, itarina, taritina ho la-va: Nororitiny ny filazan-jauatra ka nanjary nahasosotra. ? Vivitina: Rorito ny sofin'io zaza io fa mandainga. Ahitsio
Roritra: a.: Fisintonana zavatra mafy; fanaovana izay hahahenjana zavatra iray tsy hi-garera; fit arihan a zavatra mankamin'ny tena. - t.i.f.: Roritina, aroritra, voaroritra / mandroritra, fandroritra, mpandroritra 1 androritana, fandroritana 1 miroritra, firoritra, mpiroritra 1 iroritana, firoritana / maharoritra 1 roridroritra. Ahitsio
Roroa: p. t.: Roa, ka entina milaza indrindra vehivavy roa na lehilahy sy vehivavy mivady na mahazo mivady: Lasa any an-tanàna izy roroa. (jar. Roa). Ahitsio
Roroha: a.: Karazana kitapo anangonan'ny biby mandinika sasantsasanY, toy ny omby, ny ahitra raotiny eny antsaha, ka rehefa mipetraka milamina izy, dia ampiakariny avy ao indray ireo ahitra ireo mba hitsakoany azy tsara. Ahitsio
Roroka: ft.: Fitomboana haingana, fahalehibeazana vetivety. • fi, f.: Maroroka 1 maharoroka 1 marorodroroka f haroroka, faharoroka, harorohana, faharorohana. Ahitsio
Rorona: a.: Fietrena, fidinana amin'ny fahambaniana, fitambotsorana mahamenatra sy mahafa-baraka. 6 f.: Arorona, tafarorona 1 mandrorona, fandrorona, mpandrorona 1 androronana, fandroronana / maharorona / rorondrorona. Ahitsio
Rorotra: Mitovy amin'ny Roritra. Ahitsio
Rosana: mt. ih.: Mitovy amin' ny Orosana. Ahitsio
Rosarosa: a,: Anisan'ny randrana fihaingoana fatratra nahameva ny tovovavy fahizay: randramadinika milahadahatra manodidina izy io ka mivona ny tendrony. (Ny miaramilan-dRadama I koa, ho-no, nanao rosarosa ka io no nahatonga ny fitenenana hoe "fony nanao rosarosa", mba hilazana hoe "fony nanao volo lava ny miaramila"). Ahitsio
Rosia: (fr. reçu) a.: Taratasy fanamarinana ny nandraisana vola tamin'olona; tapakila. Ahitsio
Rosianina: (fr. russe) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Rosia (Eoropa atsinanana sy Azia avaratra): Hatramin'ny taona 1917, ny mpanjaka atao hoe Tsar no nitondra ny Rosianina. ? p. t.: Momba an'i Rosia, an'i Rosia na avy any Rosia: Misy boky na tantara malagasy efa uoadika amin'ny teny rosianina. Ahitsio
Roso: rat.: Efa miainga; efa lasa: Roso ny dia. - t.i.f.: Rosoana, aroso, voaroso, tafaroso 1 mandroso, fandroso, mpandroso I androsoana, fandrosoana 1 miroso, firoso, mpiroso / irosoana, firosoana / maharoso / rosoroso. Ahitsio