Litera T

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Tsimamindrahehitra: a.: Bibikely fahita ambany tsihy. 1 Anarana ilazan'ny olona koa ny mamba noho izy tsy afaka mamindra…tohiny
Tsimandingana: a.: Anarana ilazana ny zipotapa-behivavy tery kely ny ambany. tohiny
Tsimandoa: na Tsimandao a,: Iraka mpitondra ny taratasim-panjakana tany ivelany fahizay. tohiny
Tsimandravina: a.: Zavamaniry tsy an-dravina toy ny vahinkary. tohiny
Tsimaroavaratra: a.: Lamba lasoa mainty. tohiny
Tsimatahoposa: (Ski) a.: Bara-rata ladinina mifanizina atao rindrin-trano. tohiny
Tsimativonoina: a.: Anaran-javamaniry mateza tsy maty vonoina. tohiny
Tsimatoalaza: a.: Anaran-javamaniry fanao fanafody. tohiny
Tsimatra: a.: Hombo apetaka amin'ny sobiky hahazoana mamatotra azy amin'ny bao filanjana. 1 Hombo vy mifaraingo…tohiny
Tsimbadika: a.: Vadika, fihodinana hankao amin'ny ilany; hohoka. - t.i.f.: Atsimbadika, voatsimbadika, tafatsimbadika…tohiny
Tsimbaivay: a.: Karazam-balala maitsomaitso. 1 p.t.: Mavany, sahy ratsy. tohiny
Tsimbalabala: a.: Kilalaon'ny ankizy mifampitifitifitra ka voan-javatra boribory kely no ataony balabala. tohiny
Tsimbalivaly: a.: Valim-bonoana. tohiny
Tsimbalivaly: a.: Teny ilazana fa misy ny valiny na setriny daholo izay atao: Tsimbalivaly ny fiainana. tohiny
Tsimbalombalo: a.: Ny atin' ny tandrok'omby. tohiny
Tsimbarivary: a.: Karazan-damba misoratsoratra. tohiny
Tsimbasibasy: a.: Kilalao misarim-basy. tohiny
Tsimbatavata: a.: Anaram-balala. tohiny
Tsimberivery: a.: Riorio, renireny. • t.if.: Tafatsimberivery / mitsimberivery, fitsimberivery, mpitsimberivery /…tohiny
Tsimbilaotra: a.: Karazan-kazo kely madinika malefolefo fanao garaba. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0142