Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
A:Tarehintsoratra ary zanatsoratra voalohany amin'ny abidy malagasy. Ahitsio
A: t.p, : Feo kely ampanarahina ny anaran'olona antsoina raha ankizy na olona tsy dia hajaina firy: 0 ry Koto a, ento aty ny famaky. •Enti-milaza fahatairana, figagana: A! hadinoko lahy ny nampandre an-dry dadatoa! ~ Entimiangavy somary mihanta ary manantitrantitra: Itondray mofo kely ange aho rehefa mankany an-tsena i neny; izany ange, ry neny a! Ahitsio
A:: Tovona fanaovana karazana matoanteny roa, dia: a) ny matoantenin'ny atao (mt. at. J, izay entina milaza ny hevitra hoe "atao" na "asaina" na "avela"...: Aato: asaina miato; ajaridina: avala hijaridina. b) ny matoantenin'ny fitaovana (mt. fit.), izay enti-milaza ny zavatra "entina manao" na "ampiasaina hanao" asa iray: Adaka: entina mandaka, adidy: ampiasaina handidy. Ahitsio
A:Endriky ny an na ana eo alohan'ny teny iray manomboka amin'ny m na n: Amorona (an-morona), anosy (annosY) Ahitsio
Aainginaingina: (ainginaingina), mt. at. (aainginaingeno): Apetraka amin'ny toerana avo: Aza aainginaingina eny io tavim-boninkazo io. Ahitsio
Aaloka: (aloka) mt. at. (aatofy): Atao fialofana: Ireto ampanga ireto aaloka ny zanakazo. Ahitsio
Aampatra: (ampatra), ma at. (aamparo): Atsotra mandry mivalampatra; avalandotra: Andeha haampatra etsy ambony ahi-maitso aloha ny marary. Ahitsio
Aankina: (ankina), mt. at. (aankino): Atao miankina (amin' ny hevitra ara-bakiteny): Aza aankina amin'ny rindrina ny sahafa sao maloto ny rindrina. Ahitsio
Aantsona: (antsona), mt. at. (aantsony): Atao miantsona, ajanona amin'ny toerana iray amoron-dranomasina: Naantsona tsy fidiny tao Toamasina ilay sambo noho ny tafiodrivotra. Ahitsio
Aapanapana: (apanapana), mt. at. (aapanapano): Atotototo, avezivezy: Mba ratsy koa Rangahy iny; naapanapany eran'ny birao ity olona ity. Ahitsio
Aato: (ato), mt. at. (aato), mandidy (aatoy): Ajanona kely fa tsy tohizina; tapahina: Naato ny fivoriana mba hahafahana mifanakalo hevitra. Aatoy ny fiara fa misy miala. Ahitsio
Aatoka: (atoka), mt. at. (aatohy): Hetsehina midina sy miakatra ny loha ho mari-panekena na fiantsoana: Tsy niteny izy fa ny lohany fotsiny Ahitsio
Aatokatoka: (atokatoka) mt.at. (aatokatohy): Ahetsiketsika mba ho mari-pandavana: Ny lohany naatokatony no mariky ny fandauany. Ahitsio
Aatrana: (atrana), mt.at. (aatrano): Fiteny amin'nY basy izay raisina ka ajoro tsara: Naatran'ny miaramila ny basy nandritra ny porizenitra. Ahitsio
Aba: a. Teny fahita indrindra amin'ny fitenim-paritra, mitovy hevitra amin'ny hoe:dada, kaky: Ey, abako be, hoy Iboina tamin-dRanakombe, izaho no izy. (Jar. Dada). Ahitsio
Ababy: (baby), mt. at. (ababeo): Atao am-babena. Ahitsio
abado:soherin-jorery (anaty tany), tsikovopotsy Ahitsio
Abafoka: (bafoka), mt. at. (abafohy): Avala hitsilailay eo am-pandriana: Aiza no tsy ho kamo i Solo kely? zauatra abafok'i reniny hatramin'ny valo maraina ny adala lahy. Ahitsio
Abahana: (bahana), mt. at. (abahano): Atao mibahana, atsivetraka mba haka toerana be, asakana: Aza abahana eo ny tongotrao fa andehanan' ny olona eo. Ahitsio
Abaiko: (baiko), mt, fit. (abaikoy): Entina manome baiko: Py maso fotsiny no abaikony ny alikany. Ahitsio