Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Abovolo: (Ski), a.: Vay eo ampelandohalika. Ahitsio
Aby: p, mt.: Teny fahita indrindra amin'ny fitenimparitra, mitovy hevitra amin'ny hoe daholo, avokoa: Tonga aby ny mpianatra tao am-pianaranay androany f.-p.: Isika aby: teny fampiasa ho valin'ny firariana hoe: "Velona", raha misy mievina. Ahitsio
Adabo: a.: Karazan-kazo lehibe izay fihinana ny voany ary fanao lakana ny vatany; ny raviny kosanilalaovan'ny ankizy fahizay nataony elo ka avy amin'izany no nahatonga ilay fitenenana hoe: Mielo ravin'adabo, ka na tsy uoky ny voany aza mieloelo ny ravin y. (Ficus cocculifolia) Ahitsio
Adabobe na Adabovavy: a,: Karazan'adabo lehibe voa ary manopy vonivony; tsy dia tsara tsiro loatra hany ka atao fanome ny omby afahy (Ficus cocculifolia subsp. sakalavarum). Ahitsio
Adaboboka: (daboboka), mt. vt. (adabobohy): Azera ka miantonta mafy, avarina: Nadabobok' Andriamanitra tany amin'ny halo ireo anjely mpikomy. Ahitsio
Adaboka: (daboka), mt. at. (adabohy): Azera, apotraka amin'ny tany: Nadaboky ny riuo-doza ilay hazo teo andrefan-tranonay. Ahitsio
Adabolahy: a.: Karazan'adabo kelikely voa fa mani-pofona, nefa mankaleo raha ihinanana be loatra, sady mampivalan-dra (Ficus cocculifolia subsp, sakalauarum). Ahitsio
Adabovavy: a: Karazan'adabo lehibe voa ary manopy vonivony; tsy dia tsara tsiro loatra hany ka ataon'ny olona fanome ny omby afahy. der. Adabobe) (Ficus cocculifolia subsp. sakalavarum), Ahitsio
Adaka: (daka), mt. fit. (adakao) Asaina mandaka, ampiasaina handaka: Raha marary ny tongotrao havanana, ny ha-via adaka. Ahitsio
Adala: a.: Enti-milaza olona very sain, simba na marary sain ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala. ¶ M.h.: adala vatana, adala vendrais, adala raikitra, adala lefaka, adala lefy, very sains, foka, adala manondrana, mivadika atidoha, mivadika lakoraika, mivadika ondrana, manary lamba, manenjika alika, mihomehy rindrim-baky. ? h.o.: tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin'ireo uauentiuenty novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory. ? Tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka. ? Sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) na raha miteny (vava): Mboia adala voua ity zaza ity. Raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny. ? Matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan'adin'akoholahy ny zanako lahy aiuo. ? Teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin'ny tena, Izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian'ny adala holazaina tamin'ireo teny ireo. i t,i.f•: adalaina, voadala/ manadala, fanadala, mpanadala/anadalana, fanadalana / miadaladala / iadaladalana, fiadaladalana / mihadala I mahadala I adaladala. ~ f.-p.: Manao adala matanjaka: enti-milaza olona manao an-kery, am-borivory. // Adala manara-bolana: rahefa tsinana ny volana no mihetsika ny hadalany. Ohab.: Ady amin'adala: ny manam-panahy no mandefitra: tsy tokony hiala-bara-tena sy handany andro foana hiady amin'ny kely sains ny olon-kendry, fa hihataka amim-pandeferana. // Adala nomen-tanan'ondry: na hosoloana hofany aza tsy mety: enti-milaza ireo miraikitra amin'ny tiany na ny heviny ka tsy azo ahodin-doha na zavatra tsara sy marina aza no atolotra azy. // Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body: entimilaza ireo manambady vehivavy fatra-piroborobo ka na mitahiry sy manangona ohatrinona aza, lany tsisY mijanona ny vidin-kasasarana. Ahitsio
Adalaboboka: (dalaboboka), mt. at. (adalabobohy): Atao midalaboboka, azera na apetraka miantatafoka. Ahitsio
Adaladala: (adala) p. t.; t.u.r. Enti-milaza olona kely sain, tsy misy loba, fatra-panaonao foana sady miseho ho bado, tsy mahazo tsara na oviana na oviana izay lazaina aminy: Adaladala ilay vahinin-dry zareo ato atsimo: nahazo vorona izy, ka ny volom-bodiny no nongotany fa tsy ny elany, ka lasa nanidina ilay vorona. ¶ M.h.: Misy kely, nahafahana, kaondrana, vendrana, tangoarara, fondrana, baibo, zanakalo, tsy tohinina, manangan-tsampois, toraiky, ondranondranana, kidramadrama, manondrana, manasatsasaka, mirendrirendry, mitanendrinendrina, mitandrantandrana, mitondrantondrana, mitondrintondrina, mitondrendrena. Ahitsio
Adalaina: (adala), mt. ih. (adalao): Taomina amin'ny fanangolingolena ka ohatra ny a-tao izay hahavery ny loha: Nadalain'iny tovolahy iny nandritra ny telo volana ny zanany vauy. ? Lalaovina, a-tao fihomehezana: Efa miendrik'adala loatra ny anao lahy amin'ilay uolo lavany ka tian'ny olona hadalaina. ?Fetsifetsena, ambakaina: Tsy azon'ialahy adalaina intsony aho. ? Ariana andro: Axa adalain'ialahy amin'ny resaka foana eto aho fa tsy vitako ny asako. Ahitsio
Adalo: a. Anaran'ny volana faharafka ambin'ny folo amin' ny filaharan'ny volana malagasy merina, manarakaraka ny Adijady ary alohan'ny A-lohotsy, ka ny toerany ao an-trano dia eo amin'ny lafin-drindrina avaratra, ilany andrefana. Ny rivotra dia na-tao hoe adalo, ary ny rivotr' adalo dia manimba zavatra betsaka. Ny tononandro adalo dia lazaina ho androndranomaso be alahelo. ? Fanandr.: Vavany: miala vintana fa maty kely;vodiny: midalodalo ka miadaladala, tsara vintana, tratra antitra anefa, na dia manan-toetra malahelohelo aza araka ilay fitenenana hoe: Adalo be rano maso. Ahitsio
Adana: ft.: Fandehanana na fitenenana na fanaovan-javatra milamina, tsy rototra. ¶M,h.: Anoka, danoka, daresaka, darona, tanesaka, fisomararetra, havotsana, havozavozana / hasambarana, hafinaretana, raondraona, firaondraonana, roandroana, firoandroanana, oronorona, fioronoronana / fandrian-tsaina, tsy fitebitebena, tsy fananana tahotra am-po / fandriam-pahaieman, tsy fana-nana horohoro. 1 t.i.f•: adanina, tafadana / miadana, fiadana / iadaisn, fiadanana / mampiadana/ adanadana. Ahitsio
Adânadâna: (danadana), mt. at. (adanadanao): Atao midanadana, mivoha mibanabana: Adanadanao ny uarauarana. Ahitsio
Adangadanga: (dangadanga), mt. at. (adangadangao): Aderadera, aseho ambony ho hi-ta tsara; arangaranga. Ahitsio
Adangana: (dangana), mt. at. —(adangano): Asondrotra avo be: Nadangan'ny mpivarotra ny uidin-jauatra ka mahantra ny madinika. Ahitsio
Adanina: (adana), mt. ih. (adano): Ampandehanina moramora: Adano ny fandehan' ny fiarakodia fa mandomando izany arabe izany. Ahitsio
Adaoro: a.: Anaran'ny volana faharoa amin'ny filaharan'ny volana malagasy marina, manarakaraka ny Alahamady ary alohan'ny Adizaoza, ka ny toerana nomen'ny Ntaolo azy tao an-trano dia eo amin' ny lafin-drindrina atsinanana, ilany avaratra, ka eo no fametrahana ny fandriana. Ny tononandro Adaoro dia atao hoe andro mena na andron'afo ka natahorana amin'ny afo ary halam-baratra ny trano aorina amin'ny A-daoro, ? Fanandr.: Ny zaza teraka vava adaoro dia atahorana afo ka alana vintana; ny teraka vody adaoro, tsara fa hidaoro (hidoboka) tsara: mahay mitondra ny tenany, mahay miteny; raha lehilahy dia mpikabary; raha vehivavy, mahay mitondra tena. Ahitsio