Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vokatra: a: Ny voan'ny zavamaniry na ny vodin'ny zavamaniry fihinana tonga amin' ny fahamasahany: Rehefa miakatra ny vokatra, somebiseby ny iray tanàna ~ Ny soa azo: Mivelona amin'ny uokatry ny asan-tanany izy. - p. t.: Be dia be, betsaka, sesehena: Vokatra ny paiso tamin'ity taona ity. ~ Lonaka: Vidio io saha io fa tsy hohita tany uokatra ohatra an'io ianao. - t.i.f.: Mamokatra, famokatra, mpamokatra / amokarana, famokarana 1 mahavokatra, fahavokatra, mpahavokatra / ahavokarana, fahavokarana. Ahitsio
Vokehana: (vokeky) p.t.: Miketrona, miforitra. Ahitsio
Vokeky: p. t.: Mitovy amin'ny Vokaiky. - t.i.f.: Vokehana 1 mamokehana. Ahitsio
Vokenana: p.t.: Matanjaka, tomady, matomboka. Ahitsio
Vokim-pelaka: (Btm) a.: Fombam-bolom-behivavy betsimisaraka taloha: avonkina ny volo apetaka eo ambony sofina havia sy havanana. Ahitsio
Vokimbahy: (Tsm) a.: Biby iray tarika amin'ny voalavo, saingy mivelona ambony hazo. Ahitsio
Vokisana: (voky) mt, ih. (vokiso): Omena sakafo betsaka: Efa novokisan'Ikoto tsarave ny vorona? 1 Taomina, tarihina: Novokison'ny namany izy ka nangalatra ~ Ambosfna, amporisrhina, tarihina: Nouokisan'ireo mpanao politika fotsiny ny vahoaka. Ahitsio
Vokoka: p.t.: Miforitra ohatra ny volantsinana, manantsika: Hazo vokoka no novidinao ka tsy azo ampiasaina. 0 Enti-milaza olona miforitra ny hazondamosiny ka zary mikainkona izy: Rafotsibe vokoka. 6 t. L f.: Avokoka, voavokoka 1 mamokoka, famokoka, mpamokoka 1 amokohana, famokohana 1 mivokoka, fivokoka, mpivokoka 1 ivokohana, fivokohana 1 mahavokokalvokobokoka. Ahitsio
Vokovoko: a: Anaran-kafa ilazana ny lakroa (jer. io teny io), fa natokana kosa hilazaha keo Fikambanana samihafa famonjena sy fanasoavana antokon'olona: Vokovoko mena (mamonjy ny miaramila maratra an'ady sy mitsabo'ny ankizy madinika), Vokovoko manga sy Vokovoko volamena (manaQ irisika hifady zava-pisotro misy alkaola sy mitandrina izay efa vonon-kifady); Vokovoko maitso (mampirisika hifady sigara, paraky): Vokovoko fotsy (mamonjy nY olona manao fitondran-tena ratsy ka mitaona azy hiala amin'izany). Ahitsio
Voky: p.t.: Feno ny kibo ka tsy te hihinana intsony: Misaotra fa voky, tompoko! ? Manankarena: Ireny olona efa voky ka hifaninananaof ~ Afa-po, afa-diana: Tsy mety voky tamin'ny fijerena izany zavatra mohafinaritra izany ny masoko. - t.i.f.: Vokisana, avoky, vinoky, voavoky 1 mamoky, famoky, mpamoky I amokisana, famokisana 1 mivoky, fivoky, mpivoky 1 ivokisana, fivokisana I mahavoky / vokivoky. ¶ M.h.: Feno, miatiaty. — Voky, afa-po, afa-diana, boboka. — Manao voky, manao tranga, miboboka, misesika, mibitabita, mibibaka, mibitabitaka. — Mamoky, mitaona, manabontsina, ma-nome fo, mambosy, mandroboka, mandrokiroky, mandraviravy, mamahana, manao toho-tsofina, mandrendrika, manadala, mitomany ambony fe. Ahitsio
Vola: a.: Taratasy na metaly, misy sary ary voamarika, ataon'ny fanjakan'ny tany tsirairay avy, ka manan-kery amin'io tany io hahazoana mividy zavatra: Tsy azo vidim-bola aman-karena izahay. - t.i.f.: Volaina. Ny Ariary (Ar) no anaran'ny vola ampiasain'ny fanjakana malagasy amin'izao fotoana izao: vola majinika vita amin'ny metaly 1Ar na ariary, 2Ar ariary roa, 4Ar na ariary efatra (miloko mavo izy io fa efa tsy dia hita firy intsony), 5Ar ariary dimy, 10Ar ariary folo, 20Ar ariary roapolo, 50Ar dimampolo ariary vola taratasy: 100Ar ariary zato, 200Ar roanjato ariary, 500Ar dimanjato ariary 1000Ar arivo ariary, 2000Ar roa arivo ariary, 5000Ar dimy arivo ariary, 10.000Ar iray alina ariary. ohabolana: aleo very tsikalakalambola toy izay very tsikalakalampihavanana vola aloha mialoha: vodiondrimbarotra jiolahimbola: vola fanao an-tratra htato fiandry volavita: anarana karazana omby Ahitsio
Vola: na Volafotsy a,: Metaly sarobidy, izay fotsy mamirapiratra manana singa ara-tsimia "Ag" , anaovana vola sy firavaka. Ahitsio
Volaina: (vola)-mt. ih. (uglào): Amidy mba ho tonga vola: Milaza tsy manam-bola ianao, nefa manan-trano; raha izaho ianao, volaiko ilay trano. Ahitsio
Volamena: a.: Karazana metaly anisin'ixeo antsoina hoe "sarobidy": mavomena mamiratra mahafinaritra ny volony, mavesa-danja izy, azo hanifisina faran'izay kely ary tsy mety miova fenitra na oviana na oviana: ireo toetrany rehetra ireo no nahatonga azy hanaovana firavaka sarobidy isan-kazazany sy ho fototry ny sandam-bola miasa eran-tany; misy karazany roa ny vola-mena: ny volamena maitso sy mena. * Ohab.: VoIamena latsaka am-bovoka: tsy auelan'ny tarehiny tsy hihiratra: tsy saro-pantarina fa miavaka eny ihany ny zava-tsoa sy sarobidy na dia very amin' ny toerana tsy mendrika azy aza. Ahitsio
Volana: a.: Teny atao, teny aloakan'ny vava, 1 t.if: Volanina / mivolana, fivolana, mpivolana / ivolanana, fivolanana / mahavolana, volambolana, 1 F.-p.: Kobaka am-bava, volana hatenda: teny be fampanantenana eo am-bava fotsiny fa tsy arahim-panatanterahana, / Loa-bolana: vaky vava, tsy maharitra ka miteny. / Ma-bolana ilalana: mandray sy mino izao honohono re eny an-dalana rehetra izao. / Mamaia volana: mihiaka farany (fiteny amin'ny angely izay efa ho resy ka miantsoantso mafy). / Miaiky volana: miaiky fa tsara, mikoy. / Mitati-bolana: mandeha milaza amin' ny lehtbe izay rehetra ataon' ny sasany entina hanaratsiana azy. / Mivadi-bolana: mivadika amin'ny teny natao. / Tsara volana imaso: mihatsaravelatathy. / Tsy miteny tsy mioolana: mizixiziry tsy miteny na dia indraim-bava aza. / Volan-kankafotra: teny na zavatra toy ny teo aloha thany tsy misy fiovany. Ahitsio
Volana: a.: Antontan-javatra mihodina manodidina ny tany nefs mandray hazavana avy amin'ny masoandro, ka io hazavana io no atarany ety amin'ny tany rehefa mifanitsy ny faritra voazavan' ny masoandro aminy sy ny tany: Telo andro sisa dia ho fenomanana ny volana. 1 Ny fotoana ihodinan'ny volana manodidina ny tany. Ny volana malagasY dia mifanentana amin'ny fihodinan'ny volana manodidina ny tany mihitsy ka maharitra 28 andro mahery kely hatrany ary roa ambin'ny fo-Io no isany: (Alahamady, A-daoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo, Alohotsy), fa ny volana vazaha kosa dia notsinjaraina mitovitovy faharetana fotsiny: Zanvie: 31 andro, Fevrie: 28 na 29, Mar-sa: 31, Avrily: 30, May: 31, Jiona: 30, Jolay: 31, Aogositra: 31, Septambra: 30, 0-ktobra: 31, Novambra: 30, Desambra: 31. - F.-p.: Tsinam-bolana: volana vaovao. / Hitam-biby ny volana: andro faharoa amin'ny fiverenan'ny volana. / Miarim-bolana: andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny fiverenan'ny volana. / Fano volana, Fenomanana: boribory tsara ny volana. / Mira-bolana: fotoana fihenan' ny volana. / Milefi-bolana: herinandro sisa tsy hahatsinana indray ny volana. / Maizim-bolana: fotoana tsy ahitana ny volana. / Maty volana: fotoana ifanandrifian'ny masoandro sy ny tany ka tsy hita mihitsy ny volana. / Mahita volana alohan'i Habiby: milaza habobo (ninoan'ny Ntaolo fa raha vao tsinana ny volana dia hitan'i Habiby mpisikidy, fa ny olona tantra kosa tsy mahita azy raha tsy efa tainan-kateloana: koa izay milaza ho mahita volana alohan'i Habiby dia nataony ho mpilaza habobo daholo. Misy endrika hafa omena an'io fitenenana io koa anefa, dia ny hoe: "Mahita volana alohan'ny biby" satria ninoan' ny Ntaolo amin'ny fandinihana ny biby, hgno, fa raha vao tsfnana indroa andro ny volana dia efa hitan'ny biby sahady). / Mamono volana an-trano na an-drano: manao kitoatoa, manao anjoanjo, / Misoka ny volana: milentika ny volana. / Teraka ny vola-na: mitranga ny volana. /Ma-raine ny volana: misy faribolana manodidina ny volana izay atao koa hoe "latsaka an-tamboho ny volana". / Masoandro amam-bofana: ny ray sy ny reny. / Volana ambony: ny volana ho avy. / Volana hitsahina: ny volana diavina. Ahitsio
Volanina: (volana) mt. ih. (volàno): Tenenina, lazafna. Ahitsio
Volavelona: a.: Karaza-metaly sarobidy, tsiranoranony fa tsy mivongana ny toetrany, ary anaovana ireo fitaovana fitsapana hafanana na fitsapana ny havesatry ny sera. Ahitsio
Volavita: p.t.: Enti-milaza omby misy sorany manokana (misy fotsy ny handriny, ny tampon-damosinY, ny feny ary ny rambony) fanolotra ny mpanjaka hoenti-manaja azy, ka izay omby toy izany dia nolazaina ho azy na dia nanan-tompo aza. * Ohab.: Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha: enti-milaza tsy fananan'ny tena fizakana manana amin'ny zavatra iray, fa ny mitahiry sy mikarakara fotsiny no anjaran'ny tena. Ahitsio
Volavola: a.: Varimasaka atao boribory mba hoentina ha-tao vatsy rehefa misy dia la-vitra haleha.: Volavolam-bary. 1 Enti-milaza zavatra kasaina na ampoizina hatao: Nanan vo?avolan-dalàna ny fan)akana, - t.i.f.: Volavolaina, voavolavola / mamolavola, famolavola, mpamolavola / ainolavolana, famolavolana / ma-h avolavola. Ahitsio