Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Bibifaly: (Tsm.) a: Karazana bibilava roa soratra, ny tapany aloha maintimaintY ary ny tapant' aoriana vonivony. Ahitsio
Bibikely: a.: Teny ilazana ireo biby madinika ankapobeny izay mizara telo ny vatany: ny lohany, ny tratrany ary ny kibony. Misy karazany maro ny bibikely arakaraka ny toetran'ny elany na ny tsy fisiany mihitsy: misy la-va mahitsy ny elany (ny valala); misy manana elatra roa an-daniny avy ka mifanarona (ny voangory); na mipetaka eo an-tenatenany ny elany roa an-daniny avy (ny renitantely); misy tsy manana afa-tsy elatra iray tsotra andaniny avy (ny lalitra); ary misy aza tsy manana elatra mihitsy (ny hao, ny ParasY)• Ahitsio
Bibilava: a.: Karazam-biby lavalava tsy misy tongony na tanany fa mikisaka amin'ny kibony no fifindrany toerana. — Misy karazany maro ny bibilava eto amintsika, izay tsy mba misy poizina ny ankamaroany: ny bibimora, ny do na dona, ny fanany, ny fandrefiala, ny mandopotsy, ny mandotra na ranimandotra, ny marolongo, ny menarana, ny renivitsika, ny tompondrano, ny tampontany. * Ohab.: Bibilava vonono: tsy tanan-kandrangotra na tongotra hitsipaka, fa Andriamanitra no andrasana: enti-milaza ny olona osa na madinika na mahantra izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin'ny tenany raha misy mamely azy fa Andriamanitra no antenainy hamaly izay mampahory azy. Ahitsio
Bibimora: a.: Karazam-bibilava malemy fanahy ka izany no nahatonga ny anarany; somary volontany ny volony fa ny ambany kibony mipenti- na fotsy vasobasoka. Ahitsio
Bibina: p. t.: Misy kankana: Bibine it? zaza itf fa ento any amin'ny dokotera. Ahitsio
Bibiolona: a.: Biby miendrik'olona na biby ninoana ho nidiran'ny ambiroan'olona efa maty. Ahitsio
Biby: a: Anarana ilazana ny zavamananaina tsY manantsaina, raha faritana ankapobeny: Ny omby dia anisan' ny biby manampy betsaka ny olombelona. H. i.: Enti-milaza toetra ambany sy maharikoriko: Biby marina raha i Néron fa ny reny niteraka azy no nde halentiny any anaty rano. - t.i.f.: Bibina 1 bibibiby, mibibibiby 1 habibiana. - F.-p.: Bibim-bars: Bibikely manimba ny vars', haombary, / Bibim-bomanga, bibin-tsaonjo: bibikely mihinana ny ravim-bomanga na ny ravin-tsaonjo; miofo ho lolo izy ireo. j Bibin'andriana: enti-milaza ireo olo-mainty vavy tsara tarehy nalain'ny andriana fahiny ho vady taindranony. / Bibin-dandy: biby mpamorona ny landy rehefa miombo ho landY. / Bibin-kena: ireo bibikely hita ao amin'ny rorohan-kena. / Bibin' olona (olona biby): olona sahisahy tsy matahotra n'inona n'inona / Biby dia: Biby tsy voatanan'ny olombelona ka mivelona any an' ala any. / Biby manompo, na biby fiompy: biby manampy ny olombelona amin'ny lahasany na ataony sakafo, ka velominy sy karakarainy ary mipetraka tsy lavitra ny fonenany na ao an-tranony mihitsy aza. / Biby olona: lalaon'ny ankizy izay ahitana iray amin'izy ireo mifono ahitra toy ny biby mandehandeha mampitahotra ny hafa. / Fanahim-biby: toetra ambany sy maharikoriko tsy mahalala menatra. Ahitsio
Bidà: a.: Trosa tsy misy antoka. * Manco bidd: moka zavatra izay tsy aloa eo no ho eo ny vidiny fa atao trosa. Ahitsio
Bidahera: (Tsm.) a.: Omby misy pentina fotsy tokana eo an-kandriny. Ahitsio
Bidibidina: (bidibidy) mt. ih.: Sainina, irina. * Tsy azo bidibidina: tsy azo sainina sy irina. / tsy azo naikanaikaina, tsy azo anaovana mosalahy. Ahitsio
Bidibidy: o.: Hevitrevitra, saintsaina. - t.i.f.: Bidibidina / mibidibidy. Ahitsio
Bie: (fr. billet) a: Tapakila vidin'ny saran-dalana amin'ny fiara na ny saran-toerana amin'ny lanonana misy vidimpidirana; karatra. Ahitsio
Bifona: a.: Fialana, fitsipahana handositra. - t.i.f.: Tafabifona / mibifona, fibifona, mpibifona / ibifonana, fibifonana / mahabifona. Ahitsio
Bigody: (fr. bigoudi) a: Vy kely fitanam-bolo. Ahitsio
Bihara: a: Karazan-tsokatra na rare lehibe monina any andranomasina. Ahitsio
Bihy: a: Anarana nomena ny zaza izay nateraky ny olona nampoizina tsy hiteraka intsony. Ahitsio
Bija: p. t.: Ilazana ny zazavavy sady fohy no manify; vehivavy kely reny sy manifinify. Ahitsio
Bika: a.: Toetran'ny toe-batana, izay tombanana indrincira eo amin'ny fijorony: Tsara bika io lehilahy io fa tsy lava tsy fohy izy ary tsy matavy tsy mahia. • H. i: Fisehoan'ny endriky ny zavatra iray ety ivelany: (Matetika amin'ny endrika verindroa: bikabika no ampiasaina ny teny amin'ity hevitra its'): Tahaka ny ahoana ny bikabikan'ilay bokinao vert' izay. - t.i.f.: Bikaina / mibika, fibika / ibikana, fibikana / mahabika / bikana. Ahitsio
Bikaina: (bika) mt. ih. (bikao): Tombanana amin'ny bikany: Nobikainy ers' aho nanatona azy. Ahitsio
Bikàna: p. t.: Tsara bika: Bikana aoka izany iny tovooavy iny ka betsaka ny tovolahy no miherika manana-maso azy. Ahitsio