Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Baiko: a.: Teny vahiny (noho izy tany am-boalohany narabina fihetsiky ny tanana mba ho azo tsara; araka izany ny teny vahiny ampiasaina ankehitriny dia tsy tokony ha-tao izany intsony). • Teny na famantarana ifanomezana ka tsy mety ho fantatr'izay olona ivelany hafa: Izao no baiko nifamantaran'ny mpikambana; namoha sy nanidy ny boko-palitaony ilay niteny. + Teny nomena hotanterahina: Izany no baiko voaraiko, tompoko, ka tsy afamanoatra aho. 1 Didy fampahafantarana izay hatao: Indrisy! nisy namono teny andalana ilay miaramila ni-tondra baiko avy tamin'ny jeneraly. 4 Teny na fihetsehan-tanana ifankahazoan-kevitra amin'ny olona moana na amin'ny biby: Mahalala baiko fatratra it? alikanao ity izany. 6 t. t. f,: Baikoina, voabaiko I mibaiko, fibaiko, mpibaiko, ibaikoana, fibaikoana 1 mahabaiko. ? F,-p.: Baikon'ny moana: fampahafantaran'ny moana ny heviny amin'ny fihetsiky ny tanany na ny lohany, I Baiko tanana: famantarana atao amin'ny tanana mba hifankah az oan-kevitra. Ahitsio
Baikoina: (baiko) mt. ih. (baikoy): Omena baiko: Nobaikoiny tamin'ny masony fotsiny ihany ilay alika dia niantsambotra teny amin' ilay olon-dratsy. Ahitsio
Baikona: a.: Mitovy amin'ny hoe baika. Ahitsio
Bailoka: p. t.: Tsy mahitsy, meloka, mivilana, mitovy amin' ny hoe biloka, izay fampiasa matetika kokoa: Tsy azo anaovana na inona na inona ity hazo ity fa bailoka. ¶ M, h.: Meloka, mivaona, mivilana, bilaka, biloka, miolana, mibirioka. Ahitsio
Bainga: a.: Vongan-tany navadika ary naongana tamin'ny angady. * Ohab.: Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga: Ny zavatra vita no porofo misongadina amin'ny asa natao. ¶ M. h.: Vaingan-tany, bongan-tany, tomba-tany, Ahitsio
Baingo: Baingoka a,: Habilabilana; toetran'ny zavatra vilana sy mifelopeloka, miolikolika. - t.i.f.: Abaingo, baingoina / mibaingo, fibaingo. Ahitsio
Baingoka: a.: (fer. Baingo). - t.i.f.: Abaingobaingoka, baingobaingohina / mibaingoka, fibaingoka. Ahitsio
Baka: p. t.: Enti-milaza: Ny tandrok'omby misamaka, izany hoe mivelatra mifanalavitra, mihataka (mifan: Kirongo). ? Ny fisarahan'ny zavatra iray toerana na mizara roa misy elanelana lavitra. 6 ti.f.: Bakaina, abaka, voabaka, nobinaka 1 manabaka, fanabaka, mpanabaka f anabakana, fanabakana I mibaka, fibaka 1 ibakana, fibakana f mahabaka / bakabaka I sabaka. - F,-p,: Baka lany sahaza: tsy misy toa azy, tokana aman-tans. * Fiten.: Raha baka mahay misisika (na mihorirana ) ianao, izaho kirongo tsy azo idirana: teny ifanaovan'olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. I Fiten, mit. heu.: Raha mihen)an-ko mahazaka ianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho, Ahitsio
Bakabaka: (baka) t.u,r,: Milaza fihenan-kevitra, tsy dia baka loatra. Ahitsio
Bakaina: (baka) mk ih, (bakao): Ampifanalavirina, samahina. Ahitsio
Bakaka: p. t.: Enti-milaza nify mielanelana be toy ny banga. • H. i,: Entina ilazana koa ny rary be maso tsy mikatona tsara: Tsy tiako ity tsihy ity fa bakaka be ohatra ny inona. Ahitsio
Bakaka: (Ski) a: Anaran'ahitra lehibe izay mety hahatratra hatramin'ny roa na telo metatra. Ahitsio
Bakakely: a.: Karazan-javamaniry madinika misy tsilotsilony fanao fefy. Ahitsio
Bakalorea: (fr. baccalauréat) a: Fanadinana mamarana ny fianarana ambaratonga faharoa; diplaoma amena an'izay afaka an'io fanadinana io: Manao fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika ny mpianatra afaka bakalorea Ahitsio
Bakatraka: p, t.: Bakaka be tsy soa. Ahitsio
Bakelaka: p. t.: Enti-milaza ny tsihy na ny lamba vaventy, ratsy ny rariny na tenony: Soloy hafa ity tsihy ity fa bakelaka loatra ka tsy tiako. Ahitsio
Bakitiky: (Ats) a: Dihin-jazavavy amin'ny alma diavolana. Ahitsio
Bako: (t.tr.): Fefin-tokotany vita amin'ny hazo, na vala. Ahitsio
Bako: Bakobako p. t.: Tsara bika, lava vaventy, ranianana sady matombintombina: Jerena lavitra iry tovovavy iry toa bako dia bako. Ahitsio
Bako: Bakobako p. t.: Valabalaka, vizana tsy mahahetsika firy: Bako marina aho izany fa niasa angady indray andro maninjitra Ahitsio