Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitarainana: (taraina) a.: Fimenomenonana: Tsy hita hohenoina daholo ny fitarainan' ny mpianatra noho ny habetsahan'ny lesona sy ny entimody. / Alahelo: Henonao izao ny fitarainan'ny rahalahinao. / Fitolokoana aman fitoreovana: Mahatorotoro fo ny mandre ny fitarainan' io mahantra io. 1 Fitoriana: Nandefa fitarainana tany amin'ny fanjakana aho noho ny fanalam-baraka nafitsony ahy. Ahitsio
Fitaratra: (taratra) a.: Tamaboha fisaka fanao amin'ny varavarana izay tsy mamela ny rivotra hiditra nefa ahazoana mahita izay rehetra any ivelany: Mometaka fitaratra amin'ny varavarankely. 1 Tamaboha malamalama tsara ary nasiana manjany ao an-damosiny ka afaka mamerina ny sarin'izay zavatra eo anoloany: Alao ny fitaratra hijereko ny tarehiko fa sao misy arina. Ahitsio
Fitarihana: (tarika) a.: Fandroritana, fisintonana: Naharary ahy ny fitarihany ahy tamin'ny sandriko. 1 Fanaovana izay hisarihana zavatra iray hanaraka ny tena: Fitarihan'ny soaualy ny kalesY. 1 Fitondrana: Eto no manomboka ny fitarihana ny rano ho ao an-tanna, 1 Fanoroana lalana: Fitarihana olona any anaty ala. 1 Fitaomana: Ikezaho ny fitarihana ny namana ho amin'ny tsara. 1 Fanaingana, fanentanana: Anao ny fitarihana ny fivavahana anio. 1 Fibaikoana: Nomena ny Kolonely ny fitarihana ny tafika. Ahitsio
Fitarika: (tarika) o.: Fomba en-tins mitarika: mandrirotra, misintona; manao izay hisarihana zavatra iray hanaraka ny tena; mitondra; manoro lalana; mitaona; manainga, manentana; mibaiko. Ahitsio
Fitarikandro: a.: Anaran'ilay kintana mialoha ny masoandro (raha ny ten marina dia tsy tans kintana izy io fa ny planta VĂ©nus). Ahitsio
Fitaroka: (taroka) a.: Fomban' ny hazo mamoaka tsimoka tanora milenodenoka. Ahitsio
Fitarozaka: (tarozaka) a.: Toetran'ny zavatra na resaka mitarozaka, izany hoe lava miraviravy na lavareny. Ahitsio
Fitataka: (tataka) a.: Toetran' ny zavatra tataka; firovitra. Ahitsio
Fitatatata: (tatatata) a.: Toetran'ny faon-lavera mitatatata, maneno mafy toy ny basy mitefotefoka. Ahitsio
Fitatatatana: (tatatata) a.: Faneno mafy toy ny an'ny basy mitefotefoka, ny langorony velesina. Ahitsio
Fitatatra: (tatatra) a.: Fomba entina mitatatra na manao tatatra. Ahitsio
Fitatavoka: (tatavoka) a.: Fomban'ny olona mitatavoka, izany hoe potraka miantatafoka. Ahitsio
Fitaterana: (tatitro) a.: Fitondrana, fitaomana olona na zavatra imbetsaka miverimberina: Fiarakodia fitaterana mpiantra. Ahitsio
Fitatitra: (tatitro) a.: Fomba entina mitatitra, izany hoe mitondra, mitaona imbetsaka miverimberina. Ahitsio
Fitatra: a.: Karazam-boronkely izay heno maneno vao maraim-be, nahatonga ilay fitenenana hoe "mifoha alohan'ny fitatra", izany hoe mifoha maraina be alohan' ny maneno akoho mihitsy aza. Ahitsio
Fitavana: (tavana) a: Fomban' ny olona mitavana, izany hoe mikotaba, mihinjakinjaka, mitsinja-pifaliana. Ahitsio
Fitavanana: (tavana) a.: Fikotabana, fihinjakinjahana, fitsinjaham-pifaliana. Ahitsio
Fitavoka: a.: Vy boribory lava-lava mifanerana tsars amin' ny atin'ny paompy na ny tafoforana ka miakatra sy midina ao, misintona sy mampiakatra ny rano na ny rivotra (jer. koa Tavoka). Ahitsio
Fitavona: (tavona) a.: Toetran' ny olona mitavona, izany hoe mihosotra, mihosina (menaka), mifotetaka. Ahitsio
Fitavonana: (tavona) a.: Fihosorana, fihosenana menaka, fifotetahana. Ahitsio