Fitony | : | (tony) a.: Toetran'ny zavatra na olona mitony, na mihalefaka, mihaketraka; fihalefahana, fihaketrahana: Ny fitonin'ny rivotra no tsy nahafahan'nysambonay nandeha
Ahitsio |
Fitopatopa | : | (topatopa) a.: Toetran'ny zavatra mitopatopa; fihetsiketsika, fihevingevina, fanonja: Ny fitopatopan'ny ranomasina
Ahitsio |
Fitopatopana | : | (topatopa) a.: Fihetsiketsehana (rano, alondrano), fihevingevenana, fanonjàna.
Ahitsio |
Fitopazana | : | (topy) a.: Ny fijerena kely miserana, fiantefan-javatra: Ny fitopazan'ny masony fotsiny teny amiko dia ampy nankahery ahy.
Ahitsio |
Fitopy | : | (topy) a.: Fiantefa (enti-milaza ny maso na zavatra tonga miserana kely): Ny fitopin'ny maso. / Ny fitopin 'ny tsiodrivotra.
Ahitsio |
Fitorahana | : | (toraka) a.: Fanipazana vato (na zavatra ha-fa) amin'olona na zavatra iray mba hahavoa azy: Tsy nitsahatra ny fitorahana ny tranonay raha tsy afaka adiny iray. / Ny fitorahana sponjy ny mpanao ady totohondry iray dia mariky ny fahareseny. • Fizorana, fihitsiana: Rehefa tonga amin' io tanàna io ianao, dia ny fitorahana miantsinanana no hahatonga anao any aminay.
Ahitsio |
Fitoraka | : | (toraka) a.: Fomba entina mitoraka: lhomehezan'ny ankizy ny fitorak'io kavia fo. ? p.t.: Azo torahana: Misy vorona tsy fitoraka, hono.
Ahitsio |
Fitoreo | : | (toreo) a,: Fomban'ny olona na biby mitoreo, izany hoe manao feo mampahonena: Mba tsy tohako loatra ny mihaino ny fitoreon'izany vorona izany.
Ahitsio |
Fitoretra | : | (toretra) a.: Toetran' ny olona mitoretra, tsy kinga, mikisinkisina.
Ahitsio |
Fitorevahana | : | (torevaka) a.: Fipetrahana fotsiny tsy manao na inona na inona, fidonanaham-poana.
Ahitsio |
Fitorevaka | : | (torevaka) a: Toetran'ny olona mitorevaka, izany hoe mipetraka fotsiny tsy manao na irions na inona.
Ahitsio |
Fitorian-teny | : | a.: Toerana avo ao am-piangonana itorian'ny mpitondra fivavahana ny tenin'Andriamanitra.
Ahitsio |
Fitoriana | : | (tory) a.: Fanasilahana ny tsiratsirany: Tsy dia zavatra mora loatra akory ny fitoriana ny rongony alohan' ny hamolesana azy, • Fanasiana soritra manelanelana na manavaka: Ny fitoriana ny tanimbary dia ny fizarazarana azy. 1 Fiampangana olona nanao ratsy na hadisoana amin'ny manam-pahefana miandraikitra ny raharaham-pitsarana: Efa lasa ny fitoriako anao noho ny fanalam-baraka ahy nataonao. [t Filazana sy fivoasana ny tenin'Andriamanitra: flanc fahaizana sy fiomanana ny fitorian-teny,
Ahitsio |
Fitoriana | : | (tory) a.: Fanasiana soritra manelanelana na manavaka.
Ahitsio |
Fitoriany | : | a,: Ny trafony sy ny havanan-kena atao koa hoe vavatoriny, izay didiana voalohany eo amin'ny tampon-dam osin 'ny omby,
Ahitsio |
Fitorohana | : | (toroka) a.: Fanendrikendrehana amin'ny zavatra tsy natao, fiampangana tsy marina: Tsy avelako ianao amin'ny fitorohanao ahy ho naka ny firavakao.
Ahitsio |
Fitoroka | : | (toroka) a,: Fomba entina mitoroka, izany hoe miampanga tsy marina, manendrikendrika.
Ahitsio |
Fitoroka | : | a.: Volotsangana na vakin-kazo lava marotsaka apetraka manaraka ny lavan' ny lohatrano ka atao mifanelanelana aminy amin'ny trano tafo herana.
Ahitsio |
Fitorovohana | : | (torovoka) a.: Fipetrahana miarinarina amin'ny tany na eo ambony tsihy, ny lohalika atsangana misafosafo amin'ny saoka.
Ahitsio |
Fitorovoka | : | (torovoka) a.: Toetran'ny olona mitorovoka, izany hoe mipetraka miarinarina, ny lohalika atsangana misafosafo amin'ny saoka.
Ahitsio |