Fitofezaka | : | (tofezaka) a.: Toetran'ny biby na olona mitofezaka, izany hoe reraka no-ho ny tsy fihinanan-kanina.
Ahitsio |
Fitofina | : | (tofina) a.: Fomba fianjera: Tsy dia avo loatra ny nianjerany, fa ny fitofiny no nahatapaka ny tanany.
Ahitsio |
Fitofintofina | : | (tofina) a.: Toetran'ny zavatra mitofintofina, izany hoe manonjanonja, mitopatopa.
Ahitsio |
Fitofintofinana | : | (tofina) a.: Fanonjanonjana, fitopatopana.
Ahitsio |
Fitoforana | : | (tofotra) a.: Fiddnana, fipbhana: Ny fitoforan'ilay lakana tamin'ny harambato no nahavaky azy.
Ahitsio |
Fitofotra | : | (tofotra) a. :Toetran' ny zavatra mitofotra, izany hoe mipoka, midona aminjavatra hafa; fidofitra.
Ahitsio |
Fitoha | : | (toha) a.: Fomba entina mitoha, izany hoe mitady, mizaha (remby, haza). 1 p.t.: Azo tohaina, hazaina.
Ahitsio |
Fitohana | : | (tohana) a.: Toetran' ny zavatra mitohana, izany hoe misy tohana, zavatra iankinana: Tsy toy izao velively ny fomba fitohan'ny voninkazo amin'ny rindrina, ~ Toetran'ny zavatra mitohana, izany hoe misy tohana, misy zavatra manakana: Ny fitohan'ny rano any irĂ no mahakely ny rano manondraka ny tanimbolintsika.
Ahitsio |
Fitohana | : | (tohana) a.: Toetran' ny olona mitohana, izany hoe maharitra fotoana elaela tsy mivalana.
Ahitsio |
Fitohana | : | (toha) a.: Fitadiavana (remby, zaha),
Ahitsio |
Fitohanana | : | (tohana) a.: Faharetana elaela tsy mivalana: Misy milaza fa ny fitohanana dia mariky ny fitomboana ho an'ny zazakely.
Ahitsio |
Fitohanana | : | (tohana) a.: Fiankinana: Asivy fitohanana ityt zanakazo itJ fa mita hitolefika.
Ahitsio |
Fitohifana | : | (tohika) a.: Fanaovana ditra, fikiribibiana.
Ahitsio |
Fitohika | : | (tohika) a.: Fomba entina mitohika, izany hoe manao ditra, manao botraika, mikiribiby.
Ahitsio |
Fitohinjaka | : | (tohinjaka) a.: Fomba entina mitohinjaka, izany hoe sady mihetsiketsika no mihovotrovotra.
Ahitsio |
Fitohizambalala | : | a.: Karazan' ahitra (cyperus o b tusifolius).
Ahitsio |
Fitohizana | : | (tohy) a.: Izay entina na ampiasaina hitohy hena, vakana...: Andeha aloha maka kofehy kely atoo fitohizan-kena.
Ahitsio |
Fitohofana | : | (tohoka) a.: Fihandronana. ? Fiavovonana kitay betsaka eo am-patana.
Ahitsio |
Fitohoka | : | (tohoka) a. :Fomban' ny zavatra mitohoka, izany hoe mihandrona betsaka eo am-bavan-javatra, varavarana, sns...: Jereo izato fitohoky ny vahoaka eo am-baravarana,
Ahitsio |
Fitohotra | : | (tohotra) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mitohotra, izany hoe miampy ka mikambana mivaingana hatrany tahaka ny toho-tantely.
Ahitsio |