Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitronana: (trona) a.: Famoaham-peo tsy faly toy ny manerona: Ny fitronan'ny kisoa. 1 Fisatrasatrana tsy avY miaina: Tsy te hihaino ny fitronan'ny olona marary mafy aho, Ahitsio
Fitrongisana: (trongy) a.: Fihadiana, fihohazana ny tany amin'ny vava (kisoa), tandroka, angadinomby, arY fitaovana toy ny bilidaozera... Ahitsio
Fitrongy: (trongy) a.: Fomban' ny biby na ny zavatra entina mitrongy, izany hoe mihady na mihoha ny tany amin'ny vava (kisoa), tandroka (omby), angadinomby na fitaovana toy ny bilidaozem... Ahitsio
Fitrosa: (trosa) a.: Fomba entina mitrosa, izany hoe mividy zavatra ka tsy mandoa ny vidiny eo no ho eo fa mangataka andro. Ahitsio
Fitrosana: (trosa) a.: Fividianan-javatra izay tsy aloa eo no ho eo ny vidiny fa angatahana andro: Tsy tsara velively ny fitrosana fa mahatonga ny tena, araka ny filazan'ny olona hoe, "bolan'olona mandehandeha". Ahitsio
Fitrosina: (trosina) a.: Toetran' ny olona mitrosina, izany hoe mianjera miantoraka any anoloana, na mangataka miambezo, na mikohaka izaitsizy, toetran'ny zavatra mikoa, mihotsaka, Ahitsio
Fitrosinana: (trosina) a.: Fihotsahana, firodanana: Ny fitrosinan'ilay tamboho no nahatapaka ny lalana mankany aminay. 1 Fianjerana miantoraka any anoloana ka ny loha no mipoka aloha amin' ny tany: Vaky ra ny handrin'i dadabe noho ny fitrosinany tamin'ny tany. 1 Fiambezoana mafy: Tsy anerany ioatra ny fitrosinan'ity+ zaza it? amin-dreniny. • Fikohafana izaitsizy: Tsy mahita tory mihitsy aho amin' ny fitrosinan'io marary io rahalina. Ahitsio
Fitrotro: (trotro) a.: Fomba entina mitrotro, izany hoe mamihina zaza eny amin'ny sandry anankiroa ka manankina azy amin'ny tratra. 1 p.t.: Azo trotroina. Ahitsio
Fitrotroana: (trotro) a.: Famihinana amin'ny sandry anankiroa ka ankinina amin'ny tratra. Ahitsio
Fitrotrongiana: (trotrongy) a.: Fianjeràna mandroso any anoloana ka mitehika amin' ny tany ny tarehy. Ahitsio
Fitrotrongy: (trotrongy) a.: Fomban'ny olona mitrotrongy, izany hoe mianjera mandroso any anoloana: Ratsy ilay fitrotronginy izay fa sendra teo ambony vato indrindra izy no nianjera. Ahitsio
Fitsabahana: (tsabaka) a.: Fangaronana amin'ny tanana: Maharikoriko ny fitsabahan' io zaza maloto io ny hanina. 1 Fidirana amin'ny toerana iray: Voarara ny fitsabahana amin'ny trano misy mararin' areti-mifindra. 1 Fiditridirana amin'ny raharahan'ny sasany: Tsy anjaranao ny fitsabahana amin'ny raharahantokantranonay. Ahitsio
Fitsabaka: (tsabaka) a.: Fomba entina mitsabaka, izany hoe mangarona amin'ny tanana, na miditra amin'ny toerana iray, na miditriditra amin' ny raharahan'ny sasany. 1 P. t.: Azo tsabahina: Tsy fitsabaka, rankizy, ny hanina na ny rano sotroina. Ahitsio
Fitsabo: (tsabo) a.: Fomba entina mitsabo, izany hoe mikarakara marary amin'ny fanomezana fanafody azy sy mikajakaja azy mba ho sitrana. p.t.: Azo tsaboina. Ahitsio
Fitsaboahana: (tsaboaka) a.: Famoahan'ny rano feo rehefa anipazana na torahana vato. Ahitsio
Fitsaboaka: (tsaboaka) a.: Toetran'ny rano mitsaboaka, izany hoe mamoaka feo manokana rehefa torahana na anipazam-bato. Ahitsio
Fitsaboana: (tsabo) a.: Fikarakaràna amin'ny fanomezana fanafody sy fikajakajana mba ho sitrana: Arakaraka ny fahamafisan'ny aretina no mahela sy mahasarotra ny fitsaboana. Ahitsio
Fitsaharana: (tsahatra) a.: Fijanonana: Ny fitsaharan'ny rivotra no nahatonga anay handeha. 1 Fiatoana: Manomboka anio ny fitsaharan' ny fianarana. Ahitsio
Fitsahatra: (tsahatra) a.: Toetran'ny zavatra mitsahatra, izany hoe mijanona na miato. Ahitsio
Fitsahina: (fitsaka) mt.ih, (fitsaho) : Atao mifitsaka, mifintina: Fitsahina amin'ny rano ny volon-doha. Ahitsio