Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitelo: (telo) a.: Fomba entina mitelo na mizara telo. Ahitsio
Fiteloana: (telo) a.: Fizarana telo. Ahitsio
Fitemitra: (temitra) a,: Toetran' ny zavatra mitemitra na misy temitra: Tsy tiako ny fitemitr'ity efitra Ahitsio
Fitemohana: (temoka) a.: Fipetrahana eo amorony kely. • Fanaovana fotoana an-kamehana sy tampoka. • Fangalarana amim-pahakingana. Ahitsio
Fitemoka: (temoka) a.: Fomba entina mitemoka, izany hoe mipetraka eo amorony kely na manao fotoana an-kamehana sy tampoka. Ahitsio
Fitemontemona: (temontemona) a,: Fomban'ny olona mitemontemona, mipetraka mininginingina amin'ny voditongotra. Ahitsio
Fitemontemonana: (temontemona) a.: Fipetrahana mininginingina amin'ny voditongotra. Ahitsio
Fitendrena: (tendry) a.: Fikasihana zavamaneno mba hamoahany feo: Kingalahy izy amin'ny fitendrena lokanga. ? Fihinanana zavatra kely: Raha halain-dra, tsy azo atao na dia fitendrena hanina kely foana aza. Ahitsio
Fitenenana: (teny) a,: Famoahana feo misy heviny: An'ny olombelona ihany ny titane-nana. • Anjara teny atao: Rakoto no nandray titane-nana taorian'ny Filohan'ny fikambanana, ? Filazana: Nahazo fitenenana izahay mba tsy hamela na an'iza na an'iza handeha eto. • Teny fampiasa matetika izay efa misy heviny iray andraisan' ny olona azy: Misy fitenenana iray manao hoe: "Varivarian'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso". (Ny maha-samy hafa ny fitenenana amin'ny ohabolana, dia ny ohabolana misy ohatra na sarisary: Ny hoe "Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny" dia ohabolana). Ahitsio
Fitentenana: (tentina) a,: Fihosorana loko mitsitentitentina; fitsentsenana. Ahitsio
Fitentina: (tentina) a.: Toetra na fomban'ny zavatra mitentina na misy loko mitsitentintentina. Ahitsio
Fiteny: (teny) a.: Fomba entina miteny: Mahitsy fiteny io zaza io izany. • Zavatra lazaina: Niova fiteny ianao izany, ? Fomba na baiko atao fifandraisana: Fiteny tsy fantatra ny an'ny biby. • p.t.: Azo tenenina: Teny tsy fiteny eo tmason'olom-pady izany. Ahitsio
Fiteny: a.: Teny iombonan'antokon'olona iray, izay saika mandrakariva iray firenena: Mirindra aoka izany ny fiteny malagasY. - F. p,: Fitenim-paritany na fitenim-paritra: fomba fampiasan'ny faritany isanisany ny teny iombonana. Ao anaty fiteny malagasy, dia misy fitenim-paritany andrefana, manao hoe tihy, taly..., ary fitenim-paritany atsinanana, manao hoe: tsihy, tady. Ahitsio
Fitepo: Fitepotepo (tepo) a.: Toetra na fomban'ny zavatra mitepo, izany hoe mipaipaika, midond6na moramora. Ahitsio
Fitepoana: na Fitepotepoana na Fitepo (tepo) a,: Fipepehana, fidondbnana moramora, fiemponemponana:Nohenoin'ny dokotera ny fitepoan'ny fony, ny fitepon'ny fony, nefa indrisy tsy henony intsony! Ahitsio
Fiterahana: (teraka) a.: Famoahana zaza avy ao an-kibo: Saro-piterahana, hono, Rasoa tamin'ilay zanany farany tao. Ahitsio
Fiteraka: (teraka) a.: Fomba entina miteraka. Ahitsio
Fiteronterona: (teronterona) a.: Fomba na toetran'ny olona miteronterona, izany hoe mipetraka amin'ny toerana avo milingilingy na mipetraka amin'ny toerana mihaja ary mora tazana. Ahitsio
Fiteronteronana: (teronterona) a.: Fipetrahana amin'ny toerana avo milingilingy, fipetrahana mininginingina amin' ny toerana avo: Nitady an' Ikoto efa ho antsasak'adiny reniny fa tsy nahita azy; nony inona, akory ny fahagagany nahita ny fiteronteronany tery ambony hazo (na ny fiteronteronany tata) ambony vato), ? Fipetrahana amin' ny toerana mihaja ary mora tazana: Edre izany fiteronteronan'ilay mpandresy ter? ambony filanjana raha nanti-na nid itra ny tanna! Ahitsio
Fitery: (tery) a.: Fomba entina mitery na mamihina tohatr'omby mba hakana ronono: Toa tsy hainao akory izany fitery omby, • p.t.: Azo terena. Ahitsio