Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitazana: (tazan) a.: Fomba entina mitazana, mijery lavitra, mitsinjo. 1 pat.: Azo tazanina. Ahitsio
Fitazanana: (tazana) a.: Fijerena lavitra, fitsinjovana: Ohatra ny omby mandry eo afm voan'ny ahitra no fitazanana an'Antongona avy eto. / Toerana fijerena lavitra: Misy fitazanana tsara eto. Ahitsio
Fitazona: (tazona) a.: Fomba entina mitazona na mihazona mafy, mitana, tsy marne-la handeha na hiala. 1 p.t.: Azo tazonina. Ahitsio
Fitazonana: (tazona) a.: Fihazonana mafy: Ny fitazonana ilay tady no nah000njy azy. - Fitanana: Tsy nanaiky ny fitazonana azy ho mpangolatra izy. 1 Fanagejana tsy hihetsiketsika: Raharaha lehibe indraindray ny fitazonana ny zaza forana. 1 Tsy famelana handeha na hiala: Samy nanan izay afany daholo ny olona rehetro tamin' ny fitazonana azy, fa tsy nety nijanona izy. Ahitsio
Fitebitebena: (tebiteby) a.: Fanahiana sy fahatahorana fa toa hisy zavatra hihatra amin'ny tena: Loza ny fitebitebeny nandritra ny alina nialoha ny fitsarana. Ahitsio
Fitebiteby: (tebiteby) a,: Fomban'ny olona mitebiteby, izany hoe manahy sy matahotra fa toa hisy zavatra hihatra amin'ny tena. Ahitsio
Fitefahana: (tefaka) a.: Fipiahana, firefotana. Ahitsio
Fitefaka: (tefaka) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mitefaka, mirefotra, mipiaka. Ahitsio
Fitefintefenana: (tefintefina) a,: Fipentsompentsonana amin'ny fitsabahana amin'ny raharahan'ny sasany• Ahitsio
Fitefintefina: (tefintefina) a.: Fomba entina mitefintefina, mipentsompentsona amin'ny fitsabahana amin'ny raharahan'ny sasany. Ahitsio
Fitefitra: (tefitra) a.: Fomban' ny olona mitefitra, mieboebo, tia dokadoka, jefy, Ahitsio
Fitefohana: (tefoka) a.: Fipoahana; firefotana: Tsy raharahako ny fitefohan'ny basy fa mandroso ihany no fantatro. Ahitsio
Fitefoka: (tefoka) a.: Toetran' ny zavatra mitefoka, mipoaka. Ahitsio
Fitehafana: (tehaka) a.: Fampikatrohana ny felatanana roa ho mariky ny hafaliana: Arahabao amin'ny fitehafana ny mpitondra vaovao eto amin'ny fokontany! 1 Fainelezana amin'ny felatanana, famelezana tehamaina: Hovidinao lafo iny fitehafanao ny zanako iny. Ahitsio
Fitehaka: (tehaka) a.: Fomba entina mitehaka, mampikatrokatroka ny felatanana roa ho mariky ny hafaliana. / p.t.: Azo tehafina. Ahitsio
Fitehenana: (tehina) a.: Fanosehana lakana amin'ny tehindakana. 1 Fitondxana tehina. 1 Fiankinana: Rehefa mihinana ambony latabatra, tsy fahalalam-pomba ny fitehenana amin'ny latabatra. Ahitsio
Fitehina: (tehina) a.: Fomba entina mitehina, miankina, na mitondra tehina. Ahitsio
Fiteko: (Btl) a.: Sotro. Ahitsio
Fitelemana: (telina) a: Fanagorodanana na famarinana any an-tenda: Misy fanafody, tsy dia mampaninona loatra ny fanaouana azy ao am-bava, fa ny fitelemana azy no mafy. ? Ny tenda. Ahitsio
Fitelina: (telina) a.: Fomba entina mitelina na managorodana, mamarina zavatra any an-tends. ? pi.: Azo atelina: Tsy mba fitelina ny vato. Ahitsio