Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lady: a.: Fikisahana amin'ny tany, fananihana, fandehanana amin'ny tanana sy ny tongotra. 1 h.o.: Fandokadokafana tafahoatra. - t.i.f: Ladina, tafaladina / mandady, fandady, mpandady I andadiana, fandadiana / ladilady / miladilady, filadilady, mpiladilady I iladiladiana / mahaladilady. Ahitsio
Lafa: (Tsm) a.: Karazam-bibikely fihinana mitovy amin' ny zanadandy, mipetraka anaty vatan-kazo. Ahitsio
Lafa: a: Kiran-taretra. Ahitsio
Lafaoro: (fr. le four) a.: Fitaovana voahodidin'ny afo, izay ametrahana ny hanina tiana ho masaka tsy mivantana eo ambony afo: Atao anaty lafaoro matetika ny akoho a-tao ladobo. / Fantsona nie tao hivoahan'ny setroka avy amin'ny fatana: Mipololdtra ny setroka auy ao anaty lafaoro. Ahitsio
Lafarana: na Lafarina (lafatra) ma ih. (lafaro): Toherina. Ahitsio
Lafarinina: (fr. la farine) a: Totom-barimbazaha. (Ny mangahazo na vary voatoto ho koba dia azo ambara ho lafarinin'ireny zavatra ireny). Ahitsio
Lafasana: (lafy) mt.ih. (lafaso): Vidina mitamba-be: Nolafasako telonjato ariary ireo voankazo ireo. Ahitsio
Lafatra: a.: Fifanoherana misy andaniny sy ankilany. - t.i.f.: Lafarana na lafarina, alafitra, voalafitra I mandafatra, fandafatra, mpandafatra I andafarana, fandafarana 1 mifandahatra / ifandafarana, fifandafarana / milafatra, filafatra, mpilafatra 1 ilaf ara-na, filafarana / mahalafatra / lafadafatra. - F,-p.: Tia lafatra: tia mainpakatra ady amin'ny fitsarana. / Tay mila lafatra: tsy mi-la mpitsara fa manao mpitsara tena, manao teniko fe andriana, manao teny tsy valiana. Ahitsio
Lafatra: a.: Ambaratongam-pahefana, fari-p ahef ana, laharana: Ny lafatry ny fanjakana 1 Lalàna mbamin'ny fomban-tany manan-kery toy ny lalàna, ary ny fankatoavana sy fanarahana azy: Tsy araka ny lafatra ny nataonao. • F,-p.: Tonga lafatra: tanteraka avokoa ny lalàna mbamin'ny fomban-tany momba ny zavatra iray: Tsy tonga lafatra ft? karatrao it? fa tsy uoatomboka sy tsy uoaisy sonia. Ahitsio
Lafaza: a: Karazan-javamaniry fakana sirahazo. Ahitsio
Laferana: a.: (Fahasimban'ny teny hoe Leferana) Ny ao ivohon'ny lohalika, izay mahazo milefitra. * Ohab.: Lohalika sy laferana: izay mandefitra no mandina: entina milaza fa izay mandefitra tian'ny olona no-ho izay miridiridy manao antratreva. Ahitsio
Lafihana: (lafika) mt. pdr. (lafiho): Asiana lafika: Lafihana mololo ny entana fa man-do ny tany ipetrahany. Ahitsio
Lafika: a: Izay rehetra atao ao ambanin'ny tsihy andriana, tahaka ny bozaka izany: Soloy ny lafik'it? fandriana it? fa efa fisaka loatra / Izay rehetra atao fanambanin-javatra mba tsy hahamafy ny fia-sana na ny fipetrahana eo amboniny: Asio lafika kely eto hanoratako. / Fisotro sotroina alohan'ny sakafo, na koa zavatra tsaldtsaky hanina alohan'ny handraisana zava-pisotro. / Zezika atao amin'ny tanimboly alohan'ny hamafazana ny voa na hambolena ny zavamaniry. - t.i.f.: Lafihana, alafika, voalafika, tafalafika I mandafika, fandafika, mpandafika 1 andafihana, fandafihana I milafika, filafika, mpilafika / ilafihana, filafihana 1 mahalafika llafidafika. - F.-p.: Maitso lafika: entimilaza ny zaza fatra-panditsaka am-pandriana ka zary maitso hatrany amin'ny lafipandriana. Ahitsio
Lafitra: a.: Fitambaran'ny voan' akondro amin'ny tahony iray: Akondro iray lafitra. i t.i.f : Holafitra, ankolafiny 1 beholafiny. Ahitsio
Lafo: p. t.: Be vidy, tsy taka-bola: Lafo ny vary tamin'it? fa tafakatra roa ambin'ny folo ny kilao. 1 Efa lasan'olona: Enta aty hojereko io satroka io fa houidiko. — Efa Iafo io, tompoko. - t.i.f.: Mahalafo, halafo, fahalafo, halafosana, fahalafosana I lafolafo 1 milafolafo, filafolafo, mpilafolafo 1 ilafolafoana, filafolafoana. - F.-p.: Lafo aida: tafahoatra amin'ny tokony ho vidiny. f Tsy lafo uoamena: entina milaza olona na zavatra tsy misy vidiny, tsinontsinona. * Ohab.: Ombalahy lafon'ny vauany (na ny feony): ny tanjaky ny omby no mazàna jeren'ny mpampiady omby raha mividy omby izy, fa tsy ny fitrenany akory; koa it? ohabolana H.S., dia enti-milaza ny olona izay zavatra tsy dia manao ahoana loatra no mampisy vidiny azy. ¶ M. h.: Sarotra, hangana, be vidy, sarobidy, hentona, maneno, tsy takatra, tsy azon' ny kely vola, tsy takatry ny malahelo, tsy azo vidina, tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. — Manao taro: manao sarotra, mivaro-bolony. Ahitsio
Lafo: (Ski) a: Hazandrano misy tsilony ka manaintaina ohatra ny asian'ny maingoka ny voatsindrony. Ahitsio
Lafy: a.: Tava: Misy lafy enina ny kodiakely. 1 Ila, sakany, indrany: Refeso ny lafin'io trano io? 1 Toerana amin'ny ilan'ny renirano na lakandrano, na hady na lohasaha iray: Er? an-dafin'ny lohasaha izahay no mipetraka a F.-p•: Ny lafy valo: ilazana ny havana rehetra izay heverina fa niely eran'ny vazantany valo, dia ny avaratra, ny atsimo, ny andrefana ary ny atsinanana, sy ny elanelan'ireo avy. /'Lafy tsarany sy lafy ratsiny: entina milaza ny fisian'ny atiny sy ivelany amin'ny fitafiana, na ny toetra tsara sy ratsy mety hananan'ny olona na zavatra iray. / Lafin-kavana: ny havana lavidavitra fa tsy ny mpiray tam-po na ny terak' olona iray. Ahitsio
Lafy: a.: Fividianana zavatra mitamba-be mba hamidy antsinjarany. - t.i.f.: Lafasana, alaf y, voalafy I mandafy, fandafy, mpandafy I andafisana, fandafisanal mahalafyl lafilaf y. Ahitsio
Lagaly: (fr. la gale) a.: Hazaka na hatina betsaka. Ahitsio
Lagirika: (fr. la grecque) a.: Kafitera misy masoarivo fanatantavanana ny kafe na ravimboafotsy hanalana ny faikany. Ahitsio