Lahinainginy | : | a: Hoditramafy sy matevina ataon'ny mpanao kiraro amin'ny faritra aoriana amin'ny kiraro mba hanamafisana azy.
Ahitsio |
Lahindefona | : | a.: Lehilahy nianatra ny ady an-defona ka tonga nahay fatratra amin' ny tora-defona, tombo-defona, fiarovan-tena amin'ny ampinga.
Ahitsio |
Lahintangerina | : | a.: Vy lavalava mitsofoka amin'ny kodiarana amin'ny tendrony roa ary mitondra ny fiaramanontolo.
Ahitsio |
Lahiroa | : | a.: Karazan-kazo madinidinika. • Fambolena tahon-ketsa tsiroaroa amin'ny lavaka iray.
Ahitsio |
Lahirodona | : | a.: Fanetsana ketsa maro fototra indray mandeha.
Ahitsio |
Laho | : | ft.: - t.i.f : Halaho / malaholaho.
Ahitsio |
Laho | : | na Laholaho ft: - t.i.f : Lahoina 1 laholaho 1 malaholaho.
Ahitsio |
Lahoina | : | Madiva ho faty, mby efa ho faty, ambavahoana. • hi.: Vizana aoka izany, trotraka izaitsizy: Aoka izany ny fifanosehana ao anaty fiarambahoaka: lahoina ianao van tafauoaka rehefa hidina.
Ahitsio |
Laholaho | : | (t.tr.) p.t.: Moramora, tsy rotoina.
Ahitsio |
Lahy | : | a sy p.t: Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin'ny vavy. Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianodahy ny zanako; tala vavy, roa lahy. 2) Miaraka amin'ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy. 3) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy uao lasa nivoaka. ? p.t.: Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy. - t.i.f: Lahilahina I mandahilahy, fandahilahy, mpandahilahy / miandahy / mahalahy / lahilahY 1 ny lahiny 1 filahiana 1 andahiny. - F.-p.: Lahin'akoho, lahintsoavaly: akoholahy na soavalilahy atao fakana taranaka. / Lahi-mizàna: vy kely mijoro eo afovoan'ny mizàna mitsara ny fahamarinan' ny fandanjana. / Lahilahy toetra: vehivavy maherihery setra toy ny lehilahy, na amin'ny fihetsika na amin'ny fisaina. / Fito lahy fito vavy: teny entin'ny olona mitsodrano ny mpanambady mba ho maro anaka, maro dimby. / Lahim-bela: ny vola izay tsara petraka amin'ny lalao fanorona, ka mety handany ny vaton'ny andaniny. / Tokantranon-dahy: ilazana ny tokantrano tsy misy vehivavy, na tsy ao ny vehivavy, ka tsy mimpirina araka ny tokony ho izy.
Ahitsio |
Lahy | : | t-p.: Tenim-piontanana enti-mil aza:l) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy! 2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy! 3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izyl 4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy nouidiko ity saha
Ahitsio |
Laika | : | a.: Fomba fandeha na fanindra matotra, mendrika; famindra miadana, tsy rototra sy toa kamokano nefa miaingitraingitra. - t.i.f.: Laikana, alaika, taf alaika / milaika, filaika, mpilaika 1 ilaikana, filaikana 1 mahalaika / laikalafka.
Ahitsio |
Laikaina | : | (laika) mt. ih. (laikao): Enti-milaza famindra na dia atao matotra tsara, asononoka: Laikao ny famindra fa aza rotorotoina.
Ahitsio |
Laiko | : | na Laïkolaiko a: Famindra somary miandranandrana nefs miadana, ary tsy maka sarotra loatra. - t.i.f.: Laikoina 1 milaiko, filaiko, mpilaiko / ilaikolaikoana, filaikolaikoana( mihalaikolaiko / mitsilaikolaiko na mitsilaiko.
Ahitsio |
Laikoina | : | (laiko) mt. ih. (laikoy): Atao milamina tsara misy aingitraingitra.
Ahitsio |
Lailay | : | a.: Hidihidy vokatry ny lay. - t.i.f.: Malailay.
Ahitsio |
Laimanjava | : | (Br) a.: Fivoriana iantsoana ny fanahin'ny maty na amohazana ny angatra.
Ahitsio |
Laina | : | a.: Tsy fahazotoan-komana. • Tsy faharisihana hanao zavatra, hakamoana, fidonanaham-poana: Ny zoto ahandroana, ny laina itonoana. i t if.: Malaina, malaindaina / mahalaina 1 ahalainana, fahalainana 1 kalaina. - F.-p.: Manaran-daina: manaram-po amin'ny fahalainana. * Ohab.: Ny mandeha tsy zoto, ny mijanona tsy laina: adidy no aleha ary andraikitra no ijanonana, ka izay mahatsara zavatra no atao, fa tsy hoe akory izay mande-ha dia olo-mazoto ay izay mijanona dia olo-malaina. / Ny zoto ahandroana, ny lai-na itonoana: ny malaina hahandro homana ny tsizarizary fa ny mazoto kosa mihinana ny masaka: izay malainkisahirana tsy mba manana ny tsaa.
Ahitsio |
Lainga | : | a.: Filazana mifanohitra amin'ny marina: Vaky ny laingan'Isambilo; hay falzafolo izy fa tsy voalohany. • Filazana ho marina ny zavatra fantatra fa tsy marina hamitahana olona: Mivelona amin'ny lainga io olona io. ¶ M. h.: Fitaka. i t.if•: Laingaina, voalainga / mandainga, fandainga, mpandainga / andaingana, fandaingana / mahalainga 1 laingalainga, tsilaingalainga, kilaingalainga.
Ahitsio |
Laingaina | : | (lainga) mt. ih. (laingao): Ilazana lainga: Nolaingainy ianao fa tsy mahalala akory.
Ahitsio |