Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsoboka: o.: Fidinana ho ao anaty rano; roboka; fidirana ao anaty zavatra. - t.i.f.:Tsobohana, tsobohina, atsoboka, voatsoboka, tafatsoboka 1 manatsoboka, fanatsoboka, mpanatsoboka 1 anatsobohana, fanatsobohana, mitsoboka, fitsoboka, mpitsoboka 1 itsobohana, fitsobohana 1 mahatsoboka l tsobotsoboka. * Ohab.: Aza manao tsobodranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana, raha lait-na hihemorana: ilazana ireo olona tsy mety manao zavatra sarotra fa ny mora ihany no ataony. Ahitsio
Tsodrano: a.: (taloba) Rano nafafy tamin'olona na natao tao am-bava dia notsofina hifafy aminy, ka ny nofafazana tamin'io rano io indrindra dia ny olona marary na ny handeha hivahiny lavitra (ilay tsodrano natao tao am-bava dia natao koa hoe ranom-bavaka) — (ankehitriny) 1) firarian-tsoa heverina ho manan-kery, avy amin'ny olon-dehibe na ray amandreny:Omeo ny tsodranonao aho, ry dada, fa hanambady, ~ Vola kely omena ny tompon-draharaha ho maripihavanana raha misy hasoavana, fanambadiana: Manatitra tsodrano. 1 t, i f.: Tsofin-drano, voatsodrano 1 mitaodrano f itsofan-drano, fitsofan-drano. ¶ M. h, : Ranombavaka, firarian-tsoa. Anaran'ny vola ampiarahina amin'ny tso-drano: Rom-patsa, patsan'ny mpifana, tsodranon-jaza, fenakoho, vodiakoho, zara fihinanana, fanaovam-beloma, fandraisantanana, ro mafana. Ahitsio
Tsofa: a.: Fiasana misy nifinifiny fanapahana hazo na vy. 1 t.i,f.: Tsifana, atsofa, voatsofa 1 manatsofa, fanatsofa, mpanatsofa 1 anatsofana, fanatsofana l mitsofa, fitsofa, mpitsofa 1 itsofana, fitsofana 1 mahatsofa 1 tsofatsofa 1 mitsofatsofa. - F,-p.: Tsofo didiravina: karazan-tsofa kely fisaka misy fitazonana azy. Ahitsio
Tsofana: (tsofa) mt. ih. (tsofào): Tapahina amin'ny tsofa: Tsofao kely re ity hazo ity alohan'ny handehananao, Tsofina (tsoka) mt. ih, (tsofy): Andefasana rivotra amin'ny vava: TsofY ny firo. Tsofina ny afo. 1 Esorina ny vovoka. 1 Ampanenoina: Raha uao tonga ny Ftloham-pirenena dia notsofina ny bingona, Ahitsio
Tsofin-drano: (tso-drano) mt. ih, (tsofy rano): Rarfna soa. ~ Atao batisa na batemy. ~ Ahitsio
Tsofoka: o.: Fidirana ao anatin' ny,,.; fandrosoana ho ao afovoan'ny... i t.tf.: Tsofohana, atsofoka, voatsofoka, tafatsofokalmanatsofoka, fanatsofoka, mpanatsofoka 1 anatsofohana, fanatsofohana 1 mitsofoka, fitsofoka, mpitsofoka 1 itsofohana, fitsofohana 1 mahatsofoka 1 tsofotsofoka. Ahitsio
Tsofoka: na Sisika: Kianteny kely atsofoka na asisika ao anaty fototeny mba hanaovana sampanteny, oh. -in- atsofoka ao aorlan'ny f amin'ny teny hoe "fidy" dia ahazoana ny hoe finidy. Ahitsio
Tsoforana: (tsofotra) mt. pdr. na ih. (tsofory): Sitrihana, lentehana: Notsoforany benitra ny kibon'ilay fahaualo ka maty nitsitra teo no ho eo ihany. ~ Ampirehetina: No ts oforan'ilay mioramtia ny tafondrony dia Jasa nandositra izy, ? Asiana, petahana: Tsoforana uy mena mivaivay ny kekerin 'ny aUka romotra. Ahitsio
Tsofotra: p. t.: Milentika, maty, tafasoka, nisoka: Tsofotra ity ny masoandro nefa mbola tsy niverina ihany izy. / Niasa teto aho mandra-pahatsofotry ny andro. 1 Fandentehana zavatra ao anatin' ny... - t.i.f.: Tsoforana, atsofotra, voatsofotra / manatsofotra, fanatsofotra, mpanatsofotra, anatsoforana, fanatsoforana / mitsofotra, fitsofotra / mahatsofotra / tsofotsofotra. Ahitsio
Tsoitsoy: ft.: Lena, vontondrano, - t.i.f.: Mitsoitsoy, fitsoitsoy. Ahitsio
Tsojay: a.: Filam-ban!ny aminjavatra kely tsy misy antony akory. - F.-p.: An-tsojay: amin-kalozana mihoa-pampana./Manao an-tsojay: mila vaniny am!n'izay fahadisoam-potoana kely tsy misy inona. Ahitsio
Tsoka: a.: Fandefasana rivotra avy ao am-bava: na hamonoana na hamelomana afo na hampangatsiatsiahana na hanalana vovoka amin-javatra iray, na koa hampanenoan zavamaneno, toy ny bingo-na, trompetra. - t.i.f.: Tsofina, atsoka, voatsdka/ mitsoka, fitsàka, mpitsbka / itsôfana, fitsàfana / mahatsdka I tsotsoka. Ahitsio
Tsoka: a.: Ilay zavatra mltsiranorano be toa menaka ao anaty taolana. - F,-p.: Fano tsoka: mpanankarem-be, mpanefohefo, trama, ngetroka, be fofon' aina. Ahitsio
Tsoky: sy Tsokitsoky p.t.: Maranidranitra, lava somary kitso ny tendrony: Tsoky molotra ilay vehivavy iny. Ahitsio
Tsolitsaka: Mitovy amin'ny Kolitsaka. Ahitsio
Tsolo: a.: Fandrehetana afo handoroana zavatra, fandomana amin'ny afo. - t.i.f.: Tsoloana, atsolo, voatsolo / tsolotsolo j atsolotsolo j manatsolotsolo, manolotsolo, fanolotsolo, mpanolotsolo j anolotsoloana I anatsolotsoloana, fanatsolotsoloana/ mitsolotsolo, fitsolotsolo, mpitsolotsolo j itsolotsoloana, fitsolotsoloana. Ahitsio
Tsolo: a.: Karazan'angady kely lava lela. 1 p, t, : Marani-doha, tsoky. - t.i.f.: Mitsolotsolo, fitsolotsolo. Ahitsio
Tsoloana: (tsolo) mt. ih, (tsoloy): Dorana amin'ny afo: Notsoloan'olona ny tranony. Ahitsio
Tsolotra: a.: Vola omena olona mba hitaomana azy tsy hanao araka ny adidiny: Raran' ny !alàna ny mandray tsolotra. — Ireo mpandray tsolotra dia nomena anarana hoe "lava tanan'akanjo". ¶ M. h, : Gaka, kolikoly, tranon' afokasoka. Ahitsio
Tsolotra: Tsolotsolotra a.: Fandrosoana sy fihemorana miverimberina. - t.i.f,: Atsolotsolotra j manatsolotsolotra f manolotsolotra, fanolotsolotra, mpanolotsolotra / anolotsolorana, fanolotsolorana / mitsolotsolotra, fitsolotsolotra, mpitsolotsolotra / mahatsolotsolotra. Ahitsio