Baondy | : | a.: Anaran-karatra filalaovana misy sary tokana eo afovoany (kodiadiam-borona na efa-joro na fo na fon'omby mainty), ka heverina mazàna fa anisan'ny tsara indrindra amin'ny vato.
Ahitsio |
Baorina | : | (fr. borne) a.: Tsatobato efa-joro lavalava famaritana ny tany misy tompony ary voasoratra any amin'ny fanjakana: Tany vita baorina. • Tsato-bato misy tarehimarika milaza ny isan'ny kilaometatra mampisaraka toerana na tanàna roa.
Ahitsio |
Baoritra | : | (angl. board) a.: Karazana taratasy mahery sady henjana ampiasaina hanaovana fonon-javatra, boaty... - F.-p.: Tsy mitent' fa vola banritra: enti-milaza zavatra efa lany andro ka tsy misy vidiny intsony.
Ahitsio |
Baoroka | : | a.: Tapa-tsigara efa nifohana.
Ahitsio |
Baotinina | : | a.: Kiraro misy ranjony.
Ahitsio |
Baoty | : | (fr. botte) a.: Fonondranjo hoditra atao eo ambonin'ny kiraro mba hiarovana amin'ny ranon'ando na ny tsilo na ny riaka, na ny fotaka, rehefa manavasava any anaty ahitra na rehefa avy ny orana.
Ahitsio |
Bara | : | a.: Anaram-poko lehibebe monina amin'ny tany voafaritry ny renirano Zomandao, avaratra, izay mampisaraka azy amin'ny Betsileo; ny ala onenan'ny Tanala, atsinanana; ny ony Onilahy, atsimo andrefana, izay mampisaraka azy amin'ny Antandroy sy ny Mahafaly, art' ny havoana marin-tamp on' Analavelona, andrefana st' avaratra andrefana; tanàn-dehibe: Ihosy, Betroka.
Ahitsio |
Bara | : | p. t. (t. t. m.): Tsy fananana na tsy fisiana, mandait) ihany fa tsy maharitra: Baram-bola aho androany.
Ahitsio |
Bara | : | Barabara p. t. : Enti-milaza feo misamonina na farimparina tsy mazava loatra eo am-pitenenana. - F,-p.: Bara feo: farimparim-peo. ¶ M. h.: Gadragadra feo. / Bara saina: donto sains. kely saina.
Ahitsio |
Barabaha | : | (Btm) a.: Karazan' akondro.
Ahitsio |
Barabahy | : | a,: Karazan'akondro vaventy.
Ahitsio |
Barabara | : | p.t.: Fampiasa matetika kokoa noho ny hoe Bara: Farina (feo): Barabara feo ianao izany. 1 Tsy ampiampy (saine): Olona barabara saina.
Ahitsio |
Barabatavo | : | (Ski) a.: Fofo-malany tahaka ny an'ny mamba.
Ahitsio |
Baradaka | : | ft.: Enti-milaza fikorontanam-pitenenana. - t.i.f.: Abaradaka, baradahina,tafabaradaka / mibaradaka,fibaradaka, mpibaradaka/ ibaradahana, fibaradahana.
Ahitsio |
Baradida | : | (Br) a.: Tehina vita amin'ny hazo mafy, tsy dia la-va loatra, ataon'ny Baralahy fiadiana ka tsy misaraka aminy raha vao mivoaka ny trano izy na aiza na aiza alehany.
Ahitsio |
Baradondradony | : | p. a.: Lava maronjana sy tsara bika mifanao ara-keviny amin'ny toe-batana.
Ahitsio |
Baraingo | : | p. toe.: Bila, bingo. - t.i.f.: Abaraingo, voabaraingo J manabaraingo, fanabaraingo / anabaraingoina, fanabaraingaana I mibaraingo, fbaraingo / ibaraingoana, fibaraingoana J mahabarainga.
Ahitsio |
Baraingo | : | a.: Mari-pijanonantsoratra (?) misolo ny teboka raha manontany: Iza no tonga teto anikeheo?
Ahitsio |
Baraka | : | a a.: Voninahitra: Tsy manaiky aho fa ny barakako mihitsy no nalanao tamin'ny nitenenanao ahy teo imason' ny olona rehetra teo. - F,-p.: Afa-baraka: afa-boninahitra, very haja: Afa-baraka ianareo mianakavy tamin 'ny nafitsoky nt' zanakao. • H. i.: Voafitaka: Afa-baraka aho nitonantonana tany; hay efa nifindra ianareo ka tsy nilaza akory. ? Simba: Afa-baraka ilay laoka vao novidina fa nihosim-bovoka eran'ny tokotany.
Ahitsio |
Barakay | : | a.: Baiko-miaramila enti-milaza fandravana laharana.
Ahitsio |