Teny nampidirina farany

Mifoy
[hery]
:(foy) mt. p. (mifoiza): Mamotsitra, mamotsika, ma-mono amin'ny hoho (hao, parasy): Mifoy hao. Ahitsio
Mifohehatra
[hery]
:(fohehatra) mt. s.: Idiran-doza, mahita angano: Nifohehatra ny zanako tamin'ny nataonao, Ahitsio
Mifohafoha
[hery]
:(fohafoha) mt. s.: Misehoseho, mitsangantsangana (fiteny indrindra amin' ny volo): Nifohafoha volo ilay uoronkely van navelan' ny ankizy. 1 p.t.: Enti-milaza tany mando efa maimaina mbola tsy mafy. * Ohab.: Vorona azon'adala: na tsy maty axa, mifohafoha volo: zavatra mby an-tanan'ny olona tsy misy fisainana: raha tsy simba tanteraka, manahirana vao azo ampiasaina. Ahitsio
Mifoha
[hery]
:(foha) mt. s. (mifohaza): Taitra amin'ny torimaso: Manao famantaran'ny hazofijaliana izy raha vao mifoha. 1 Mitsangana avy eo am-patoriana, miarina: A-min'ny dimy izy dia efa mifoha ary manokona ody ambauafo kely. - Mifohafoha volo: enti-milaza ny vorona mitsangantsangam-bolo noho ny fampijaliana natao taminy (izany hoe olona nampijalina ka lifta miferinaina). / Mifoha olo-mazoto: fotoana vao maraim-be: Mifoha olo-mazoto izy no niainga. Ahitsio
Mifofotra
[hery]
:na Mamofotra (fofotra) mt. s. (mifofora, mamofora): Mampandeha ny tafc forana: Tsemboka ery Rakoto rehefa mifofotra. 1 Mana-fana: Izy no nifofotra tamin' ny lanonan'ny fokontany. / Mikezaka, mikely aina, mi-maso, milozoka: Mifofotra amin'ny fanoratana boky izy. ? F.-p.: Sady mifofotra no mively vy: manao ny asa rehetra tsy misy mpanampy. Ahitsio
Mifofoka
[hery]
:(fofoka) mt. s,: Mianjera, mivarina, miantonta: Nifofoka tao anaty rano ilay zazalahy. Ahitsio
Mifofofofo
[hery]
:(fofofofo) mt. s.: Mandrivotra fatratra. 1 h.o.: Miasa, miezaka mafy. Ahitsio
Mifofo
[hery]
:(fofo) nit p. (mifofoa): Mamorom-pikasana ratsy hamono, hamely: Hatry ny ela no efa nifofo azy Ra-koto, Ahitsio
Mifody
[hery]
:(fody) mt. s. (mifodia) : Miverina amin'ny tompony voalohany, amin'ny mpivarotra nividianana azy: Ny entana lafo tsy mifody intsony ato, / Mivadika ny teny natao, mitsoa-teny, miova fiteny: Mifody lava io vavolombelona io. Ahitsio
Mifoaba
[hery]
:(foaba) mt. s. (mifoabd): Mitrerona, minaonaona foana, mikafara foana. Ahitsio
Mifizofizo
[hery]
:(fizofizo) p.t.: Lava mitezotezo. Ahitsio
Mifitsaka
[hery]
:(fitsaka) mt, s. (mifitsaha): Mihafisaka, mandry: Mifitsaka ny uolon-doha raha lena. / Mifitsaka ny katsaka azon'ny orana. 1 Mifintina: Mifitsaka ny tany tratran'ny orana. 1 Mipetraka tsy mihetsika: Mifitsaha aloha ato antrano fa mangatsiaka any iuelany. / Miery: Mifitsaka ao anatin'io lava-bato io izy. Ahitsio
Mifitra
[hery]
:(fitra) mt. s. (mifira): Mamaoka ny loto amin'ny vavafivalanana rehefa avy nivoaka, amin'ny alalan'ny taratasy na vorodamba. Ahitsio
Mifito
[hery]
:(fito) mt. s. (mifitoa): Mizarazara fito. Ahitsio
Mifisaka
[hery]
:(fisaka) mt. s.: Tonga fisaka. Ahitsio
Mifiry
[hery]
:(firy) mt. s.: Mizara firy?: Hatao mifiry ity ampalibe ity. Ahitsio
Mifira
[hery]
:(fira) mt. p.: Mikapa zavamaniry mbola eo am-paniriana; mijinja. Ahitsio
Mifioka
[hery]
:(fioka) mt. s.: Mande-fa feo mafy toa sioka eny am-panidinana. Ahitsio
Mifintina
[hery]
:(fintina) mt. s. (mifintina): Mihafohy sy mihakely: Mifintina ny lamba sasany rehefa sasana. 1 Tery mifinjifinjy: Dia manao akanio mifintina loatra ity ianao! 1 Mihakely, mihamahia: Loza fa vao avy narary izy dia iny nifintina iny. Ahitsio
Mifinjifinjy
[hery]
:(finjifinjy) mt, s.: Mivihivihy: Misy maharary an'ity zaza ity angamba fa mifinjifinjy er? izy rehefa mivalan-drano. 1 Tery dia tery: Mifinjifinjy loatra iny akanjonao iny ka esory fa sao mankarary anao. Ahitsio