Mifanesika [hery] | : | (sesika) mt. s.: Tonga na miditra mirohotra miaraka. Ahitsio |
Mifanerasera [hery] | : | (serasera) mt.pf. (mifaneraser?): Mifampihaona matetika, mifampikasokasoka. Ahitsio |
Mifanerana [hery] | : | (erana) mt. s.: Mitovy hatiana, lanja, habe: Mifanerana tsara amin'ny lohanao io satroka io fa vidio. ? Mifanaraka, mifanentana: Mifanerana amin'ny hareny ihany ny vola laniny ka tsy mampaninona azy. Ahitsio |
Mifanendrika [hery] | : | (endrika) mt s.: Mifanaraka: Mifanendrika amin'ny akanjonao tsara ny kiraronao. ? Mitovy: Mitanendrika aoka izany izy mirahavavy. Ahitsio |
Mifanena [hery] | : | (tsena) mt. pf. (mifanen?): Mifankahita sendrasendra toa nitsena ny iray ny iray; miara-tonga amin'ny toerana iray, mifanojo, mifanehatra: Nifanena teny andalana izahay sy ny mpampianatra anao. Ahitsio |
Mifanelanelana [hery] | : | (elanelana) mt, s.: Enti-milaza zavatra na olona roa karazana, ka tsy a-tao misesy ny iray karazana fa sisihana ilay karazany faharoa mifandimbidimby aminy: Ataovy mifanelanelana ny mpianatra kilasy fahadimy sy fahenina. Ahitsio |
Mifanehatra [hery] | : | (sehatra) mt. s.: Mifanena. Ahitsio |
Mifandrozana [hery] | : | (fandrozana) mt. s.: Tsy mifanara-kevitra, tsy mifanaraka; (raharaha) misavorovoro. Ahitsio |
Mifandrotra [hery] | : | (fandrotra) mt, s.: Mifatotra singory: Mora vahana io fa mifandrotra fotsin y. Ahitsio |
Mifandrotika [hery] | : | (fandrotika) mt. pf.: Mifandrovitra, miady mafy mifanao hotohoto. Ahitsio |
Mifandrombaka [hery] | : | (rombaka) mt. pf. (mifandrombaha): Mifaninana manao asa na miteny: Mifandrombaka hanao tsianjery ny mpianatra. ? Mifaninana haka (zavatra) haingana sy an-kery sao lasan'ny sasany: Mifandrombaka uoankazo izy dimy lahy. Ahitsio |
Mifandrindra [hery] | : | (rindra) p. mt.: Mifanaraka tsara. Ahitsio |
Mifandramatra [hery] | : | (fandramatra) mt. s.: Mifanaikitra, miady, manao ady saritaka. Ahitsio |
Mifandraka [hery] | : | (fandraka) mt. s.: Misy ambaviny, misy loaka hidiran'ny andahiny. - F.-p.: Voatavo tcy mifandraka: enti-milaza ankizy mbola zazabodo. Ahitsio |
Mifandraika [hery] | : | Mifandraidraika (raika) mt. s.: Misy fitovitoviana amin'ny...: Mifan- draidraika amin'ny tarehindrenibeny ny tarehin'ity zaza ity. Ahitsio |
Mifanditra [hery] | : | (fanditra) mt. s. (mifandira): Miady vava, mifamaly, mifanjihitra: Mifanditra lalandaua izy roa lahy ireo. Ahitsio |
Mifandiso [hery] | : | (diso) mt. s.: Tsy mifanena, tsy mifanaraka: Nifandiso izahay sy Rakoto. / Nifandiso ny bokotrao fa amboary. Ahitsio |
Mifandinika [hery] | : | (dinika) mt. pf. (mifandiniha): Miara-mamotopototra ny amin'ny antonanton-draharaha iray: Nifandinika momba ny fanambadian'ny ankizy izahay roa tonta. Ahitsio |
Mifandimby [hery] | : | (dimby) mt. pf. (mifandimbiasa): Misesy mifanarakaraka: Efatra ny filoham-pirenena nifandimby teto hatramin'izay. 1 Mifampisolo: Nifandimby izy mirahalahy nitondra ilay entana. / Nifandimby teny ny andro sy ny alina. 1 Enti-milaza olona roa na maro mampiasa zavatra tokana mifamadibadika ka mbetika ny iray, mbetika kosa ny iray hafa: Taloha nifandimby sotro ny mpivady vao teo amin'ny sakafom-pampakarana Ahitsio |
Mifandetsy [hery] | : | (letsy) mt. pf. (mifandetse): Mifanala, izany hoe, ohatra, ka ananan'olona vola ny tena, ka misambotra amin'ny tena kosa indray io olona io, tsy aloa ilay volany fa io fotsiny no analana. Ahitsio |