Mifizofizo [hery] | : | (fizofizo) p.t.: Lava mitezotezo. Ahitsio |
Mifitsaka [hery] | : | (fitsaka) mt, s. (mifitsaha): Mihafisaka, mandry: Mifitsaka ny uolon-doha raha lena. / Mifitsaka ny katsaka azon'ny orana. 1 Mifintina: Mifitsaka ny tany tratran'ny orana. 1 Mipetraka tsy mihetsika: Mifitsaha aloha ato antrano fa mangatsiaka any iuelany. / Miery: Mifitsaka ao anatin'io lava-bato io izy. Ahitsio |
Mifitra [hery] | : | (fitra) mt. s. (mifira): Mamaoka ny loto amin'ny vavafivalanana rehefa avy nivoaka, amin'ny alalan'ny taratasy na vorodamba. Ahitsio |
Mifito [hery] | : | (fito) mt. s. (mifitoa): Mizarazara fito. Ahitsio |
Mifisaka [hery] | : | (fisaka) mt. s.: Tonga fisaka. Ahitsio |
Mifiry [hery] | : | (firy) mt. s.: Mizara firy?: Hatao mifiry ity ampalibe ity. Ahitsio |
Mifira [hery] | : | (fira) mt. p.: Mikapa zavamaniry mbola eo am-paniriana; mijinja. Ahitsio |
Mifioka [hery] | : | (fioka) mt. s.: Mande-fa feo mafy toa sioka eny am-panidinana. Ahitsio |
Mifintina [hery] | : | (fintina) mt. s. (mifintina): Mihafohy sy mihakely: Mifintina ny lamba sasany rehefa sasana. 1 Tery mifinjifinjy: Dia manao akanio mifintina loatra ity ianao! 1 Mihakely, mihamahia: Loza fa vao avy narary izy dia iny nifintina iny. Ahitsio |
Mifinjifinjy [hery] | : | (finjifinjy) mt, s.: Mivihivihy: Misy maharary an'ity zaza ity angamba fa mifinjifinjy er? izy rehefa mivalan-drano. 1 Tery dia tery: Mifinjifinjy loatra iny akanjonao iny ka esory fa sao mankarary anao. Ahitsio |
Mifingafinga [hery] | : | (fingafinga) mt. s.: Sahirana mamindra matetitetika: Nododonana Rasoa fa maika ny fiarakodia; inty izy mifingafinga ao anatin' ilay zipony tsy mandingantatatra. Ahitsio |
Mifindra [hery] | : | (findra) mt. s. (mifindr?): Miova fonenana na toerana: Nifindra atsy auaratra ry Dadatoa mianakavy. 1 Mipaka tonga hatrany amy...: Mifindra amin'ny taranaka mandimby ny aretina sasany. 1 Miova ho tonga: Nifindra ho komonista ilay mpitondra tatsy ananona ka tsy nisy tsy gaga ny mpitazana satria olona mpanao mamifouelona izy io. Ahitsio |
Mifikitra [hery] | : | (fikitra) mt. s. (mifikira): Misarangotra: Mifikitra amin'ny hazo ny vahy. Ahitsio |
Mifihitra [hery] | : | (fihitra) mt. s. (mifihira): Mifikitra: Mifihitra amin'ny hazo ny vahy. 1 Mikely aina, milozoka, mikezaka: Mifihitra amin'ny fianarana ity zaza ity. 1 Mita-na, mikiribiby: Mifihitra amin'ny heviny izy. Ahitsio |
Mifihina [hery] | : | (fihina) mt. s.: Voageja, migeja. Ahitsio |
Mifihifihy [hery] | : | (fihifihy) mt. s.: Mangovitra, mihoron-koditra: Mifihifihin'ny hatsiaka ity zaza ity fa rakofy lamba ma fana. / Mihararetra: Vao nambanako izy dia nifihifihy. 1 Mangaihay, kepoka: Nifihifihy teo anatrehan'ny mpitsara ilay voampanga. Ahitsio |
Mifantina [hery] | : | mijobona, mitsonga: Nifidy azy tao anatin'ny ariuoariuo aho. 1 Mandatsa-bato tsy voateritery ho an-...: Nifidy an-dRabe aho ho solombavambahoaka tao amin'ny faritaninay. ? M.h.: Mifantina, mijobona, mitsongo, mitsaika, manasivana, manivana. Ahitsio |
Mifidy [hery] | : | (fidy) mt. p. (mifidiana): Maka izay tiana an-tsitrapo: Nifidy ny fampianarana aho ho raharahako. 1 Ahitsio |
Mifiaka [hery] | : | (fiaka) mt. s.: Mitsako zavatra ka mamihina azy ary mitroka ny ranony: Mifia-pary lava vany. ? F.-p.: Mifia-dranomaso: tsy mitsaha-mitomany, mitomany marain-tsy hariva noho ny fahoriana mahazo, mijaly mafy dia mafy, miferinaina andro aman'alina. / Mifia-bary maina: mihinam-bary tsisy laoka, mihafy mafy. Ahitsio |
Mifia [hery] | : | (fia) mt. s.: Voafihina mafy ao anaty tanana. Ahitsio |