Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rentina: a.: Mitovy amin'ny Renty. Ahitsio
Renty: a.: Ravaka na haingo manaitra mamirapiratra: Be renty loatra ity trano ity ka tsy tiako indray. ? Teny marevaka feno sarin-teny sy angolam-pitenenana: Be renty izany raha lahateny. ? Haingonkaingony, angolankira: Hira feno renty. i t.t.f.: Rentena, voarenty 1 mandrenty, fandrenty, mpandrenty I andrentena, fandrentena f mirenty, fixenty, mpirenty / irentena, firentena / maharenty i rentirenty. Ahitsio
Reny:Ny vehivavy niteraka ny tena: Tiavo sy hajao ny reninao. 1 Enti-milaza sy manaja ny vehivavy efa lehibe. - Reny anaka: vehivavy vady niterahana. / Hira, torimaso iray reny: hira indray manao, torimaso indray misintona. / Kelireny: vehivavy manifinify sy kely vahana ary fohy. Renikely: ny vehivavy mitaiza ny zanabadiny. * Ohab.: Aleo miadan-ko reniny toy izay mitsaraingonkovantony: ilazana ny fihetsiky ny tanora raha vao mahita zavatra: tsy mba mandinika firy na milamina toy ny zokiolona. Ahitsio
Reny: Mitovy amin'ny Re. Ahitsio
Reona: sy Reondreona a.: Ny feon-javamaneno maro na ny mpihira betsaka indray miaraka. Enti-milaza koa ny feon'ny kotrok'orana manakoako manao lavareny. - t.i.f.: Mireona, fireona, mpireona / mheondreona, fireondreona, mpireondreona 1 mahareona, mahareondreona. Ahitsio
Reotra: a.: Ny feo mipiaka sy mirefotra heno amin'ny fahatapahan'ny rantsan-kazo na taolana. - t.i.f : Mireotra, fireotra, mpireotra / reodreotra. Ahitsio
Repaka: Mitovy amin'ny Reraka, noana. Ahitsio
Repaky:Avy amin'ny [Repaka] Ahitsio
Reparepa: a.: Toetran'ny zavatra mirefarefa amin'ny tany; mitaritarika lava be. - t.i.f.: Areparepa, tafaxeparepa I mireparepa, fireparepa, mpirepaxepa / ireparepana, firepareppna I fahareparepa. Ahitsio
Repika: (tsy fampiasa loatra) a.: Fihasimban'ny hoe Kepika. Ahitsio
Repirepena: (repirepy) mt. ih. (repirepeo): Asaina mivembena, atao mirondrona. Ahitsio
Repirepy: a.: Vembena, vezimbezina, rondrona, 1 Toetran' ny olona miapanapana azon' ny tahotra mafy na alahelo lehibe sy fahasahiranana tsy eran'ny aina. - t.i.f.: Arepirepy, repirepena, tafarepirepy / mandrepirepy, fandrepirepy, mpandrepirepy 1 andrepirepena, fandrepirepena 1 mirepirepy, firepirepy / kepkepena, firepirepena I mampirepĀ¢e-PY, Ahitsio
Repoka: a: Ny fipiapiakan'ny voanjo tsakoina; ny fikepokepoky ny zavatra ketoketohin'ny nify. - t.i.f.: Arepoka, voarepoka, tafarepoka 1 mandrepoka, fandrepoka, mpandrepoka / andrepohana, fandrepohana I mirepoka, firepoka 1 maharepoka / repodrepoka. Ahitsio
Rerahina: (reraka) mt, ih. (reraho): Vahana dia borahana, ketrahina. ~ Atao izay hahaosa azy, trotrahina. 1 Lani- na harena. 1 Kivina, ketrahina. Ahitsio
Reraka: p.t.: Tsy manan-kery intsony noho ny hanoanana na havizanana: Hateloana izay tsy nanendry honinaaho ka reraka. / Mafy loatra ny osa'nataony ka reraka izy. 1 Marary mafy: Efa reraka izy ka tsy aveian'ny dokotera iresahana intsony. 1 Maty: Tsy salama teny izy roa vola-na dia reraka. 1 Lany harena, sahirana izaitsizy: Reraka Rakoto hatramin'izay nahauoazan'ny rivo-doza ny famboleny izay. 1 Ketraka, kivy: Be loatra ny fahoriana nianjady taminy ka tsy mahagaga raha reraka izy. - t.i.f.: Rerahina, vouera-ka 1 mandreraka, fandreraka, mpandreraka 1 andrerahana, fandrerahana 1 mireraka, fireraka, mpireraka 1 irerahana, firerahana / reradreraka 1 harerahana 1 faharerahana. - F.-p,: Rera-molotra: Inhibe sady toa miraviravy ny molotra ambany. l Rera-po: kivy sy ketraka. / Rera-tsaina: tena tsy mahasaina izay ha-tao fa kivy ambony ihany. / Vato reraka: vato-mizana tsy miasa. * Ohab.: Akanga reraka tsy mahasidina ambon y: ilazana ny akanga tsy afa-manidina avo noho ny hanoanana. / h.o.: enti-milaza ny tsy fahafahana manao zavatra noho ny harerahana. Ahitsio
Rerarera: a.: Fiakanjo tsizarizary, miroradroraka; refarefa (enti-milaza ny elatry ny vorona na ny fitafiana mila tsy ho zaka); fitavozavozana sady mitaredretra. - t.i.f.: Arerarera, tafarerarera I mirerarera, firerarera, mpirerarera / irerarerana, firerarerana / maharerarera. Ahitsio
Rere: a.: Soka-dranomasina lehibe. Ahitsio
Rere: a.: Poa-basy maro atao indray mirefotra. ? F.-p.: Manao rere (miaramila maro) indray manapoaka ny basiny. Ahitsio
Rere: a.: Anaram-borona izay fantatra kokoa amin'ny anarana hoe vorondreo. Ahitsio
Rerika: a.: Teny tsy fandre raha tsy amin'ilay fomba fiteny hoe "Very rerika": revo, sondriana amin'ny zavatra iray ka tsy mahatsiaro ny manodidina azy intsony, varivariana. Ahitsio