Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisonaninana: (sonanina) a.: Fipetrahana milamina ary amim-pahamendrehana. Ahitsio
Fisonasona: (sonasona) a.: Toetran'ny vavorona misonasona, misokatra be, misokasoka. Ahitsio
Fisondretahana: (sondretaka) a.: Fipetrahana miboretaka, fitsivetrahana. Ahitsio
Fisondretaka: (sondretaka) a.: Fomban'ny olona misondretaka, mipetraka miboretaka, mitslvetraka. Ahitsio
Fisondrotana: na Fisondrotra (sondrotra) a,: Fiakarana ambony, fisavoanana: Jereo ny fisondrotr'iry aroplanina. 1 Fitomboana: Haingana diahaingana izany fisondrotry ny rano izany! / Ny irinay dia ny fisondrotan-karama. 1 Fitomboana vidy: Tsy anerany ny fisondrotry ny vidimpiainana ankehitriny. 1 Fiakarana voninahitra: Mazdna ny fisondrotana uoninahitra mahatonga hiavonavona. Ahitsio
Fisondrotra: (sondrotra) a,: Fomba entina misondrotra, miakatra ambony, misavoana, na mitombo, miakatra voninahitra der, Fisondrotana). Ahitsio
Fisonenehana: (sonenika) a.: Fandihizana misosa moramora, tsy mikoropadropaka, milamina sy ara-dalàna tsara: Endre izany fisonenehan'ny zana-drazana manao tsipisandry sy veiatanana, Ahitsio
Fisonenika: (sonenika) a.:Fornba entina misonenika na mandihy misosa moramora, milamina sy ara-dalàna. Ahitsio
Fisonga: (songa) a,: Fomba na toetran'ny zavatra misonga, miainga kely ny ilany. Ahitsio
Fisongadina: (songadina) a.: Toetran'ny zavatra na olona misongadina na miavaka tsara, mivongady. Ahitsio
Fisongadinana: (songadina) a.: Fiavahana tsara, fivongadinana: Ny ahy, ny mba tiako ho tsapa, dia ny fisongadinan'ny tombombarotra amin'ity uarotra ataontsika ity, 1 Fiboridanana: Mahamenatra ny fisongadinan'ilay touolahy marna teo ampovoan'ny arabe. Ahitsio
Fisongana: (songa) a.: Fisokafana kely, fiaingana kelin'ny ilany, Ahitsio
Fisononohana: na Fisononoka (sononoka) a.: Fandehanana moramora tsara tsy misy mitsamboamboatra: Ny fisononokan'ny na fisononohan' ny lakana. 1 Fizoran'ny fiai-nana na ny raharaha milamina tsara: Ny fisononohan'ny fiainana no anisan'ny fahasambarana eto an-tany. Ahitsio
Fisononoka: (sononoka) a,: Toetran'ny zavatra misononoka, mandeha moramora tsy misy miantsambotsambotra, mizotra milamina tsara, Ahitsio
Fisoratana: (soratra) a.: Fanoratan a ny anarana: Amin'ny talata no faron'ny fisoratana amin'ny fanadinana. 1 Fandatsahana an-tsoratza ny fanambadiana: Lasa nividy akanJo hoentina amin'ny fisoratana ny zanakovavy, ' Ahitsio
Fisoretra: (soretra) a.: Fahakiviana, fahareraham-po, haketrahana. Ahitsio
Fisoritana: (soritra) a.: Fitspika manavaka: Tsy hita mazaua ny fisoritan'ny tanimbolinareo izany. Ahitsio
Fisoritra: (soritra) a.: Toetran' ny misoritra na misy tsipika manavaka. Ahitsio
Fisorohana: (soroka) a.: Fanalana tany na ahitra amin'ny angady ka asosa fotsiny hisafo ny tany ny vohony:Tsy dia raharaha sarotra loatra akory ny fisorohana ny ahitra amin'ity lalan-kely ity, 1 Fidifiana, fanalana mialoha: Mba ho fisorohana ny Icaza no ilazako izany aminao, Ahitsio
Fisoroka: (soroka) a.: Fomba entina misoroka, manala tany na ahitra amin'ny angady, izay asosa tsy dia lalina loatra ny vohony, na fomba entina midify na miala mialoha amin'ny... ? P.t.: Azo sorohina, Ahitsio