Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitaina: (taina) a.: Fomba entina mitaina, izany hoe mandrehitra, mampiasa ho kitay. 1 p.t.: Azo ataina, ampiasaina ho kitay; arehitra atao kitay: Tsy fitaina, hono, itony hazo itony fa mahaboka raha ataina. Ahitsio
Fitainana: (taina) a.: Fandrehetana, fampiasana ho kitay: Manetroka izaitsizy ny fitainana bozaka. Ahitsio
Fitaingenana: (taingina) a.: Fiakarana na fipetrahana eny ambony zavatra: Noraran'i dada ny fitaingenana eny ambony hazo. 1 Fipetrahan eo ambony na ao anaty fiara mandeha: Mila fahaizana mampifandanja tsara ny lanjan'ny tena havia sy havanana ny fitaingenana bisikileta. Ahitsio
Fitaingina: (taingina) a.: Fomba entina mitaingina, miakatra na mipetraka eo ambony zavatra. / p, t.: Azo taingenana, azo itaingenana. Ahitsio
Fitaingo: (taingo) a.: Fomba entina mitaingo na manapaka ny lafngon-javamaniry. 1 p. t.: Azo taingosana. Ahitsio
Fitaingosana: (taingo) a.: Fanapahana ny laingon-javamaniry. Ahitsio
Fitaintainana: (taintaina) tebitebena amin'izay ho avy fa toa hisy loza ho tonga ilrany: Tay hita holazaina ny fitaintainanay tao am-piandrasana ny taratasinareo. Ahitsio
Fitaitaizana: (taitay) a.: Fahamaikana, fahadodonana: Loza ny fitaitaizanay handre ny valim-panadinana. Ahitsio
Fitaitay: (taitay) a.: Fomba entina mitaitay na maneho fahamaikana, fahadodonana. Ahitsio
Fitaiza: (taiza) a.: Fomba entina mitaiza na mikarakara mba hanasoa sy mba hahaolom-banona: Tsara fitaiza ny zozo apetraka amin'io zazavavy io. 1 Teny enti-milaza izay rehetra tehirizina ha-tao fiandry an-tratra: Fanafody atao fitaiza mihitsy ny anay ny fanazava. Ahitsio
Fitaizana: (taiza) a.: Fikarakarana izay hahasoa sy fanaovana izay haha-olom-banona: Mazàna arakaraka ny fitaizana azy no maha-tsara na ratsy ny toetran'ny zaza. Ahitsio
Fitaka: a.: Teny na zavatra toa marina nefa diso entina hanambakana: Tsy misy fitaka izany lazaiko anao izany na kely aza 1 Hafetsena entina hanambakana: Fanekena na-tao am-pitaka io ka tsy.ekena. - t.i.f.: Fitahina, voafitaka ( mamitaka, famitaka, mpamitaka / amitahana, famitahana / mifitaka, fifitaka ) ifitahana, fifitahana ( mahafitaka 1 fitapitaka. - F.-p.: Mamaia am-pitaka: mamely an-kafetsen tampoka. / Ny toky fitaka, ny atao no hita: ny fanomezan-toky nety ho fitaka ihany, fa ny a-sa atao no tena azo ianteherana. Ahitsio
Fitakarina: (takarina) a.: Fomba entina mitakarin na mandeha miresaka na mihinana any an-tranon'olona, Ahitsio
Fitakarinana: (takarina)a: Fandehanana hiresaka nahihinna any an-tranon' olona. Ahitsio
Fitakatsihana: (takatsika) a.: Firaisan-tetika mba hamitaka. Ahitsio
Fitakatsika: (takatsika) a.: Fomba entina mitakatsika na miray tetika mba hamitaka. Ahitsio
Fitakemorana: (takemotra) a.: Fihemorana, fiverenan-dalana noho ny henatra na tahotra: Tsy mendrika ny olona manan-kerimpo ny fitakemorana, Ahitsio
Fitakemotra: (takemotra) a.: Fomba entina mitakemotra, mihemotra miverin-dalana noho ny henatra na tahotra. Ahitsio
Fitakiana: (taky) a.: Fakana amin'ny fomba hentitra amin' olona ny zavatry ny tena any aminy (na vola notrosainy izany na zavatra nindraminy): Fitakiana trosa. 1 Fakana amin'ny fomba hentitra zavatra tsy maintsy aloany: Fitakiana hetra. Ahitsio
Fitakibohana: (takiboka) a.: Fizihirana, fihandronana. Ahitsio