Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitifihana: (tifika) a.: Fipitihana, fitsipihana, fialana mahery. Ahitsio
Fitifika: (tifika) a.: Toetran' ny zavatra mitifika, mipitika, mitsipika miala. Ahitsio
Fitifirana: (tifitra) a.: Famelezana amin'ny basy, tafoudro, tsipika: Tsy niato ny fitifiran'ny fahavalo, ~ H.o.: Famelezana, fanaratsiana: Loza ny fitifiran'ireo mpialona ahy fa tsy ahoako, Ahitsio
Fitifitra: (tifitra) a.: Fomba entina mitifitra na mamely amin'ny basy, tafondro, tsipika.l p, t.: Azo tofirina. Ahitsio
Fitihintihana: (tihintihana) a.: Fomba entina mitihintihana, izany hoe mirehareha amin' ny fandeha na ny famindra. Ahitsio
Fitihintihinana: (tihintihina) a.: Firehaxehana amin'ny fandeha na ny famindra: Endre izany fitihintihinan'I-sambilo kely nahazo voalohany! Ahitsio
Fitikintikina: (tikintikina) a,: Fomba entina mitikintikina, izany hoe mandeha na mamindra amim-pieboeboana. Ahitsio
Fitikintikinana: (tikintikina) a.: Fandehanana na famindrana amim-pieboeboana. Ahitsio
Fitikitiky: (tikitiky) a.: Fipipika, fipaipaika. Ahitsio
Fitiliana: (tily) a.: Fikendrena: Fitiliana ny vorona hotofirina. ? Fanaraha-maso, fitarafana, fizahana taratra: Tandremo fa misy tsY manao afa-tsy ny fitiliana izay rehetra ataonao. ? Fitsikilovana, fijerena nefa tsy hita mba hanaovana tatitra na hanaovana tetika hamelezana: Misy antoko-miaramila tsy manao afa-tsy ny fitiliana ny fahavalo. Ahitsio
Fitily: (tily) a.: Kofehy taretra mena. Ahitsio
Fitily: (tily) a.: Fomba entina mitily, izany hoe mikendry, na mizaha taratra, na mitsikilo. Ahitsio
Fitily: (tily) a.: Jar. Fody. Ahitsio
Fitintina: (tintina) a.: Toetran' ny zavatra mitintina, izany hoe mamoaka feo mangintsina. Ahitsio
Fititftra: (tititra) a,: Toetran' ny zavatra mitititra, izany hoe mipiapiaka, toy ny ngorodona efa tranainy hitsahina. Ahitsio
Fititia: (Tsm) a.: Famarana. Ahitsio
Fitizy: a.: Akanjo fanerena ny valahana raha hihaingo mba hahatsaratsara bika. Ahitsio
Fito: p.i.: Enina ampiana iray: Misy andro fito ao anatin' ny herinandro. • h.i: Ilazana zavatra betsaka: Hanimpito loha. - t.i.f,: Fitoina / manafito, fanafito, mpanafito / anafitoana, fanafitoana / mifito, fifito, mpifito / ifitoana, fifitoana ) fahafito / impito / manimpito, fanimpitony / tsifitofito / ampahafito / hafitoana. - F.-p.: Miteraha fito bah y, fito vavy: firariana atao ho an'ny mpivady vao mba hiteraka maro, ho maro faxa sy dimby. / Hady fito sosona: hady lalina dia lalina. / Hanim-pito loha: sakafo ma-ro karazana. / Harom-pito sosona: enti-milaza fitahirizan-javatra mahafa-po fa voaro sy voatandrina tsara ny zavatra ao. /Haizim-pito: haizina mikitroka. / Impito mandifotra olona: (jer, impito). / Ilay fito: andro misy orana misesy mandritra ny herinandro. / Satroka fito rantsana: satrok'andriana, * Ohab.: Zaza fito tsy mahafehy trano, fanahy fito no mahafehy trano: tsy ny hamaroan'ny zanaka akory no mety hahasakana ny mpivady tsy hisaraka fa ny toetra soa maro sy ny hatsarampanahy ananany. Ahitsio
Fitoantoana: (toantoana) a.: Hadisoan-kevitra. 1 Fandehanana, fitenenana befahatany, fanaovana kitoatoa. Ahitsio
Fitobahana: na Fitobaka (tobaka) a.: Fitopazan'ny rano fzay mihoa-pefy: Ny fitobahan'ny rano amin'ny siny. / Mikisaha fa tsy hitahita akory ny fitobak'iny rano mangotraka entin'Ikoto iny. 1 Habetsahana sesehena: Endre izany fitobahan'ny vary ao an-tsena! Fararano tokoa ny andro. Ahitsio