Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisorona: (sorona) a,: Fomba entina misorona, izany hoe manafina na tsy milaza amin' ny olona izay kilema ananany nefa tsy hitany, Ahitsio
Fisorona: (sorona) a,: Fomba entina misorona (manao sorona na mamono biby atao fanatitra ho an'Andriamanitra). 1 Fanao sorona. ~ : Azo atao sorona. Ahitsio
Fisorona: (sorona) a.: Fomba entina misorona na manisy afo. Ahitsio
Fisoronana: (sorona) a.: Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany: Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin'ny fisoronam-bady ao an-trano. Ahitsio
Fisoronana: (sorona) a.: Fikarakarana ny firehetan'ny afo amin'ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon'ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon'Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy Lay, nefa ny aoriana asesika ihany. Ahitsio
Fisoronana: (sorona) a.: Fanaovana sorona: Fisoronana zanak'ondry no natao tamin' ny fetin'ny Paka tamin'ny Tes tamen ta taloha. Ahitsio
Fisosa: (sosa) a.: Fomban'ny zavatra misosa na mandeha milamina tsy misy misakantsakana. Ahitsio
Fisosana: na Fisosa (sosa) a.: Fizorana tsy miato: Tsy azo aato ny fisosan'ny andro sy ny volana, ? Fandehanana milamina tsy misY manakantsakana na manelingelina: Mampisaotra an'Andriamanitra ny fisosan'ny raharahantsika. 1 Fikorisana aminjavatra malama; fisononohana eo ambony rano: Endre izany fisosan'ny lahanay ta-min 'iny takariva diauolana iny! Ahitsio
Fisosohana: (sosoka) a.: Fana-nana sosoka na fanampiana lamba rovitra na marambato mba hitovy tantana: Hampihena betsaka ny vidiny ny fisosohan'it9 palitao ity. ? Fankanesana ho eo amin'ny toeran'olon-kafa ixay: Tsy nahateny ny olona nahita ny fisosohan'ilay vahiny tsy fantatra teo amin'ny toeran' ny filoha. 1 Fisalovanana eo anoloana: Mahasosotra ahy ny fisosohanao eo anoloako. ~ Fitsabahana amin'ny raharahan'ny sasany: Tsy ilaiko akory ny fisosohanao amin' ny raharahako, Ahitsio
Fisosoka: (sosoka) a.: Toetran' ny zavatra misosoka, asiana sosoka. ~ Fomba entina misosoka, mankeo amin'ny toeran'olona, misalovana eo anoloan'olona. Ahitsio
Fisosona: (sosona) a.: Toetran' ny zavatra misosona, izany hoe misy sosona, na zavatra manampy avy ao anatiny: Hafahafa ny fisoson'ny ni-fin 'ity zaza itys, Ahitsio
Fisosonana: (sosona) a.: Fisiana sosona na zavatra manampy avy ao anatiny: Ny fisosonan'ny akanjo dia mahatonga azy hafana sy mate-vina, Ahitsio
Fisosososo: (sosososo) a.: Toetran'ny olona misosososo na miditra sahisahy tsy am-pihambahambana. Ahitsio
Fisosososoana: (sosososo) a.: Fandrosoana sahisahy tsy am-pihambahambana, tsy miahotrahotra na misalaaala: Tsy voatanan-dreniny Ikoto ka lasa terY anoloan'ny olona terY; tsy nisy tezitra na sosotra anefa nahita ny fisosososoany terY akatkin'ny mpandraharaha fa gaga sy homehy fotsiny. ? Fijolonjoloana tsy mahalala menatra: Lasa fanoharana ny ffsosososoan'ny vinanto ao an-trano nefa na rafozany eo am-pifosana azy indrindra, Ahitsio
Fisotasota: (sotasota) a,: Fomba entina misotasota na mila ady, Ahitsio
Fisotasotana: (sotasota) a.: Filana ady. Ahitsio
Fisotisotiana: (sotisoty) a,: Fahalotolotoana mitsaporetika. Ahitsio
Fisotisoty: (sotisoty) a.: Toetra na fomban'ny zaza misotisoty na malotoloto mitsaporetika. Ahitsio
Fisotitihana: (sotitika) a.: Fahalotolotoana, fisolotehana, fikoretehana. Ahitsio
Fisotitika: (sotitika) a,: Toetran'ny tarehy misolotika. Ahitsio