Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitofezaka: (tofezaka) a.: Toetran'ny biby na olona mitofezaka, izany hoe reraka no-ho ny tsy fihinanan-kanina. Ahitsio
Fitofina: (tofina) a.: Fomba fianjera: Tsy dia avo loatra ny nianjerany, fa ny fitofiny no nahatapaka ny tanany. Ahitsio
Fitofintofina: (tofina) a.: Toetran'ny zavatra mitofintofina, izany hoe manonjanonja, mitopatopa. Ahitsio
Fitofintofinana: (tofina) a.: Fanonjanonjana, fitopatopana. Ahitsio
Fitoforana: (tofotra) a.: Fiddnana, fipbhana: Ny fitoforan'ilay lakana tamin'ny harambato no nahavaky azy. Ahitsio
Fitofotra: (tofotra) a. :Toetran' ny zavatra mitofotra, izany hoe mipoka, midona aminjavatra hafa; fidofitra. Ahitsio
Fitoha: (toha) a.: Fomba entina mitoha, izany hoe mitady, mizaha (remby, haza). 1 p.t.: Azo tohaina, hazaina. Ahitsio
Fitohana: (tohana) a.: Toetran' ny zavatra mitohana, izany hoe misy tohana, zavatra iankinana: Tsy toy izao velively ny fomba fitohan'ny voninkazo amin'ny rindrina, ~ Toetran'ny zavatra mitohana, izany hoe misy tohana, misy zavatra manakana: Ny fitohan'ny rano any irĂ  no mahakely ny rano manondraka ny tanimbolintsika. Ahitsio
Fitohana: (tohana) a.: Toetran' ny olona mitohana, izany hoe maharitra fotoana elaela tsy mivalana. Ahitsio
Fitohana: (toha) a.: Fitadiavana (remby, zaha), Ahitsio
Fitohanana: (tohana) a.: Faharetana elaela tsy mivalana: Misy milaza fa ny fitohanana dia mariky ny fitomboana ho an'ny zazakely. Ahitsio
Fitohanana: (tohana) a.: Fiankinana: Asivy fitohanana ityt zanakazo itJ fa mita hitolefika. Ahitsio
Fitohifana: (tohika) a.: Fanaovana ditra, fikiribibiana. Ahitsio
Fitohika: (tohika) a.: Fomba entina mitohika, izany hoe manao ditra, manao botraika, mikiribiby. Ahitsio
Fitohinjaka: (tohinjaka) a.: Fomba entina mitohinjaka, izany hoe sady mihetsiketsika no mihovotrovotra. Ahitsio
Fitohizambalala: a.: Karazan' ahitra (cyperus o b tusifolius). Ahitsio
Fitohizana: (tohy) a.: Izay entina na ampiasaina hitohy hena, vakana...: Andeha aloha maka kofehy kely atoo fitohizan-kena. Ahitsio
Fitohofana: (tohoka) a.: Fihandronana. ? Fiavovonana kitay betsaka eo am-patana. Ahitsio
Fitohoka: (tohoka) a. :Fomban' ny zavatra mitohoka, izany hoe mihandrona betsaka eo am-bavan-javatra, varavarana, sns...: Jereo izato fitohoky ny vahoaka eo am-baravarana, Ahitsio
Fitohotra: (tohotra) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mitohotra, izany hoe miampy ka mikambana mivaingana hatrany tahaka ny toho-tantely. Ahitsio