Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitoina: (fito) mt,ih. (fitoy): Zaraina fito: Fito mianadahy izahay ka tokony hofitoina izany ny lova napetrak'i dada sy neny, Ahitsio
Fitoka: (toka) a.: Fomba entina mitoka, izany hoe mirary hahery na manozona ho resY, Ahitsio
Fitokàka: (tokaka) a.: Fomba entina mitokàka, izany hoe mihomehy mitokelaka toa maneso. Ahitsio
Fitokakàna: (tokàka) a.: Fihomehezana mitokelaka toa maneso; fanaovana feo toa mampiseho hagagàna miharo hafaliana. Ahitsio
Fitokalo: (tokalo) a.: Fomba entina mitokalo, izany hoe mangataka mafy, miambezo. Ahitsio
Fitokàna: (toka) a,: Firariana hahery na fanozonana ho resy: Hohenoin'i Zanahary a-nie ny fitokànao. Ahitsio
Fitokana: (tokana) a.: Fomba entina mitokana, izany hoe mankalaza (zavatra) am-pahibemaso alohan'ny hampiasana azy. Ahitsio
Fitokanana: (tokana) a.: Fipetrahana na fivelomana irery tsy mikambana amin'ny ha-fa: Angamba mahafinaritra anao ny fitokanana at9 antany efitra at?, fa raha sana-tria marary kosa ianao, dia ho sahirana. ? Fankalazana zavatra vaovao iray ampahibemaso alohan'ny hampiasana azy: Amin'ny alahady izao ny fitokanana ny fiangonanay any ambanivohitra. ? F,-p,: Fitokanan-trano: fipetrahan'ny mpivady vao ao amin'ny trano anankiray, tsy mikambana amin'ny ray aaman-dreniny, / Fitokanana mpitandrina: fanamasinana mpitandrina ho amin'ny raharaha nanaovana azy. Ahitsio
Fitokelahana: (tokelaka) a.: Fihomehezana mikakakaka mampiseho hafaliana na kosa somary maneso. Ahitsio
Fitokelaka: (tokelaka) a.: Toetran'ny olona mitokelaka, izany hoe mihomehy mikakakaka mampiseho hafaliana na kosa somary maneso, Ahitsio
Fitokiana: (toky) a.: Fametrahana fanantenana: Manàna fitokiana an 'Andriamanitra lalandava. ? Fananana toky: Olona mendrika fitokiana iny lehilahy iny. ~ Fiankinana, fianteherana: Malefolefo ny fitokiana amin'ny haren' ny tany. Ahitsio
Fitokiana: (toky) a.: Famosaviana, famorehana. Ahitsio
Fitokikiana: (tokiky) a.: Famitsahana, fipetrahana mijokaiky na manjonitra toa malahelo. Ahitsio
Fitokiky: (tokiky) a.: Toetran' ny olona mitokiky, izany hoe mamitsaka, mipetraka mijokaiky na manjonitra toa malahelo. Ahitsio
Fitoko: (toko) a.: Toetran'ny zavatra mitoko, izany hoe mitsinjarazara ho toko. Ahitsio
Fitokoana: (toko) o.: Fitsinjarazarana ho toko: Eto no fitokoan'ny mpianatra rehefa handeha hitsangantsangana. Ahitsio
Fitokona: (tokona) a.: Fomba entina mitokona, izany hoe mihenahena tsy mety miala amin'ny toerana misy azy, fomba entina mitokona na mihenahena tsy mety miasa. Ahitsio
Fitokonana: (tokona) a.: Fihenahenana tsy mety miala amin'ny toerana misy ny te-na: Nokapohina, novelesina: tsy nisy nampihontsona ny fitokonan'ilay omby izany. ? Fihenahenana tsy mety miasa: Efa naharitra hadimiana izao ny fitokonan'ny mpiasa amin'ny Paositra. Ahitsio
Fitokozihirana: (tokozihitra) a.: Fihenahenana tsy mety mihetsika hiasa na hanamPY. ¶ M.h.: Fitokozihitra, fihenahenana, fitokonana, fidongiana. Ahitsio
Fitokozihitra: (tokozihitra) a.: Toetran'ny olona mitokozihitra, mihenahena velona, mitokona. Ahitsio