Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitaboroahana: (taboroaka) a.: Fivoahana ambadiky ny lava-ka. Ahitsio
Fitaboroaka: (taboroaka) a.: Toetran'ny zavatra mitaboroaka, mivoaka any ambadiky ny lavaka. Ahitsio
Fitaborobahana: (taborobaka) a.: Fahagorobahana. Ahitsio
Fitaborobaka: (taborobaka) a,: Toetran'ny zavatra mitaborobaka, gorobaka, loaka tanteraka. Ahitsio
Fitabotetahana: (tabotetaka) a.: Fipetrahan-javatra mitabotetaka, izany hoe mifotetaka amin'ny fanambaniny. Ahitsio
Fitabotetaka: (tabotetaka) a.: Toetran'ny zavatra mitaboretaka, izany hoe mipetraka mifotetaka, tsy miarina tsara fa mova tsy ny miroraka. Ahitsio
Fitadiavana: (tady) a.: Fizahana na fizahavana; fikarohana: Sarotra ny fitadiavana raharaha amin'izao fotoana izao. ? Fomba ahazoana na ahitana vola hivelomana: Mitaona entana eny an-tsena no fitadiavan'io Rangahy io, Ahitsio
Fitadidiana: (tadidy) a.: Fahatsiarovana. Ahitsio
Fitadidy: (tadidy) a.: Fomba entina mitadidy na mahatsiaro: Asiana vona kely ny lambany: izany no fitadidin' ny Ntaolo ny hafatra ixay natahorany sao hadino. 1 P. t.: Tsara hotadidina: Vanin' andro fitadidy ny andro androany ka soraty ao amin' ny diary, Ahitsio
Fitady: (tady) a.: Fomba entina mitady, mikaroka, mizaha: Tsy toy izao no fitady zavatra ao anaty mololo e! ? p.t.: Azo tadiavina, atao hotadiavina: Ny vola fitady, rankizy, ka aza kivy raha sendra maty antoka. Ahitsio
Fitady: (tady) a.: Toetran'ny zavatra vita tady. Ahitsio
Fitafa: (tafa) a.: Fomba entina mitafa, izany hoe miresaka lavareny toa entina mandany andro. Ahitsio
Fitafasiriana: (tafasiry) a.: Fanaovana tafasiry na resaka mahasoa, firesahana mahasoa. Ahitsio
Fitafasiry: (tafasiry) a.: Fomba entina mitafasiry na manao resaka mahasoa. Ahitsio
Fitafiana: (tafy) a.: Fitondrana lamba handrakofana ny te-na: Ny fitafiana lamba arindrano, hono, taloha dia nitorY fananan-karena. ? Filazana ankapobeny ny zavatra entin'ny olombelona mandrakotra ny vatan-tenany (ny fitafiana dia natao ho takon-kenatra sy fiarovana amin'ny toetr'andro mivadibadika aloha tany an-tendrony, ary dia naniary ho haingo koa taty aoriana noho ny olombelona tia endri-javatra). Ahitsio
Fitafiiafy: (tafitafy) a.: Toetran'ny varavarana mitafitafy na mivoha kely tsy mirindrina tsara: Reko daholo ihany ny resakareo, na dia tsY niheuitra ny hihaino aza aho, noho ny fitafitafin'ny varavarana.. Ahitsio
Fitafitafiana: (tafitafy) a,: Fivohan'ny varavarana mivoha sasaka. Ahitsio
Fitafo: (tafo) a,: Toetran'ny trano mitafo, Ahitsio
Fitafoahana: (tafoaka) a.: Fahafenoana be loatra ka mihoa-pefy; famorivoriana, fandroatana, fisafoahana. Ahitsio
Fitafoaka: (tafoaka) a.: Toetran'ny rano mitafoaka na feno mila hihoatra, na mamorivory. Ahitsio