Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitesontesona: (tesontesona) a.: Fomban'ny olona mitesontesona, tsy mahalala menatra. mieboebo, basivava. Ahitsio
Fitesontesonana: (tesontesona) a.: Tsy fahalalana menatra, fieboeboana,habasiam-bava. Ahitsio
Fitete: (tete) a.: Toetran'ny zavatra (rano na tafo) mite-te. Ahitsio
Fitetehana: (tetika) a.: Fandidiana na fanapatapahana zavatra atao madinika: Fitetehana mangahazo. 1 Fieritreretana zavatra mialoha ary fakana ara-keviny izay mety ho fandehany: Araka ny fitetehanay azy, dia telo arivo ariary dia mahavita ny vauahady, • Fikasana hanao zavatra tsara na ratsy, efa nodinihina tsara natao maty psi-ka: Tsy nahomby ny fitetehany hamono an-dRakoto rafilahiny, Ahitsio
Fitetevana: (tete) a.: Filatsahana mitsltaitaika toy ny patrakala: Sarotra inoana fa ny fitetevan'ny ranonorana mandavan-taona no nahaloaka ity vatolampy ity, •Toetran' ny zavatra, toy ny tafontrano, mamela ny rano hilatsaka mitsitaitaika toy ny patrakala: Amboary haingana ity tafo itYt fa mety hanimba ny valindrihana ny fitetevan'ny tafontrano. / Mande-na ny lohan'ny mpantsaka ny fitetevan'ny siny. Ahitsio
Fitetezana: (tety) a.: Fandehanana manitsaka toerana ma-ro: Fitetezam-paritany. 1 Famisavisana, filazana tsirairay: I dadabe no mahay ny fitetezana ny havana rehetra mifandray aminay, fa izahay tsy misy mahalala. Ahitsio
Fitetika: (tetika) a,: Fomba entina mitetika, na mandidy, manapatapaka zavatra atao madinika izany na mieritreritra zavatra mialoha ka maka ara-keviny izay mety ho fandehany, na mikasa hanao zavatra efa nodinihina tsara natao maty paika. 1 Azo tetehina. - Ahitsio
Fitety: (tety) a,: Fomba entina mitety, na mandeha manitsaka toerana maso; tomba entina mamisavisa. Ahitsio
Fitevehana: (tevika) a.: Fanaovana tevika (fandoahana sofina mba hasiana kavina): Fomban-tany hatraiza hatraiza ny fitevehana. Ahitsio
Fitevika: (tevika) a,: Fomba entina mitevika: Toy izao no fiteviky ny Karana. Ahitsio
Fiteza: (teza) a.: Toetran'ny zavatra miteza, izany hoe mipetaka mahitsy, henjana. Ahitsio
Fitezerana: (tezitra) a,: Fampisehoana tsy fahafaliana amin'ny olona iray ka hetsehim-po hamely azy; fandevilevena: Ny fitezeranao azy, hono, no nialany tato aminareo. Ahitsio
Fitezitra: (tezitra) a.: Fomba entina mitezitra. Ahitsio
Fitezotezo: (tezotezo) a,: Toetran'ny lehilahy tsy miakanjo, miboridana; fihanjaka; fiboridanana. Ahitsio
Fitezotezo: (tezotezo) a.: Toetran'ny olona na zavatra la-va mahia, lava marotsaka: Oadray ity fitezotezon'ny zanakao lahy! Ahitsio
Fitia: a.: Fomba entina mitia: Aza atao fitia varavarana, tiana ihany ka atositosika. ? Fahazoana mitia: Atao ahoana na fitia olona toa an'io. ? Fitiavana: Tsy manam-pitia anao, hono, izy. / Bobongolo ilay fitia. - F,-p.; Fitia ketsa: enti-milaza fa ny fitiavana toy ny ketsa ka izay amindrana azy no aniriany. / Fitia mifono avona: fitiavana atao an-kif onofono toa mahamenatra ny mampiseho azy. / Fitiavandrenikely: fitiavana mihatsaravelatsihy. J Mahakelikely fitia: mahatonga ny fitiavana hihena, toy ny tsy fanotrahana firy izany raha ampisehoan'olona fitiavana. * Fiten.: Fitia mifamaly mahatsara fihavanana: mora rava ny fihavanana raha mandeha ila fotsiny. Ahitsio
Fitiatiatra: (tiatiatra) a,: Toetran'ny kotro-baratra mitiatiatra, na mirefodrefotra, Ahitsio
Fitiavana: a.: Firaiketam-po amin-javatra na olona iray, izay tiana ho an'ny tena ary irina ho sambatra sy ho finaritra: Mahagaga ny fitiavan'ny reny ny zanany fa vonona ny hahafoy ny ainy ho azy izy. / Loza ny fitiavan'Ikoto kilalao. Ahitsio
Fitibatiba: (tibatiba) a.: Toetran'ny zavatra mitibatiba, feno rano (fiteny indrindra amin'ny kibo), midibadiba. Ahitsio
Fitifaka: (tifaka) a.: Toetran' ny zavatra mitifaka, tapaka, maito, vaky. Ahitsio