Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitango: (tango) a.: Fomba entina mitango, izany hoe manapaka amin'ny tanana na amin'ny antsy ny ravina na ny iaingon'ny anana; mana-Paka ny tongotra sy ny elatry ny valala. Ip.t.: Azo tangosana. Ahitsio
Fitangolehana: (tangolika) a.: Fifadidirana, fiolikolehana manodidina, fiolànana. Ahitsio
Fitangolika: (tangolika) a.: Toetran'ny zavatra mitangolika, izany hoe mifadiditra, miolikolika manodidina: Jereo ny fitangoliky ny tangolibahin' ny sarisarimbomanga. Ahitsio
Fitangongo: (tangongo) a.: Toetran' ny olona na biby na zavatra mitangongo na mivory betsaka ka miavosa na mifanakaiky mifanizina izaitsizy. Ahitsio
Fitangongoana: (tangongo) a.: Fivoriana betsaka miavosa na mifanakaiky mifanizina izaitsizy: Jereo ny fitangongoan' ny uitsika amin'ireto hotampary. Ahitsio
Fitangopetaka: (tangopetaka) a.: Toetran'ny zavatra mitangopetaka, fisaka, tabebaka. Ahitsio
Fitangorona: (tangorona) a.: Toetran'ny zavatra na olona mitangorona, mivory betsaka manodidina tsy misy filaharana na filantoana. Ahitsio
Fitangoronana: (tangorona) a.: Fivoriana betsaka manodidina tsy misy filaharana na filantoan: Endre izany fitangoronan'ny ankizy teo amin' ilay mpampiseho majika. Ahitsio
Fitangosana: (tango) a.: Fanapahana amin'ny tanana na amin'ny antsy ny ravina na ny laingon'ny anana; fanapahana ny tongotra sy ny elatry ny valala. Ahitsio
Fitanika: (tanika) a: Fomba entina mitanika, izany hoe mahandro, mampangotraka, mampiempo: Faran'izay tsotra ny fitanika menaka. 1 Toetran'ny zavatra mitanika, izany hoe mahatonga hafana toy ny mampangotraka mihitsy: Ny fitaniky ny masoandro no tsy toha rehefa lohataona. Ahitsio
Fitanila: (tanila) a: Toetran' ny zavatra na olona mitanila, izany hoe mipetraka na mijoro tsy manatrika fa miraika amin'ny ilany iray. Ahitsio
Fitanilana: (tanila) a.: Fijoroana na fipetrahana tsy manatrika fa miraika amin'ny ilany iray: Manatrika no mahatsara ny sarin'ny sasany; ny fitanilana kosa ho on'ny sa-sans), Ahitsio
Fitanina: (tanina) a.: Fomba entina mitanina na mipetraka mitodika amin'ny afo na masoandro: Fa angaha moa misy fitanina andro maro karazana? Ahitsio
Fitaninana: (tanina) a.: Fipetrahana mitodika amin'ny afo na ny masoandro mba hahazo hafanana: Anisan'ny zavatra ankafizin'ny antitra ny fitaninana ondro. Ahitsio
Fitanisa: (tanisa) a.: Fomba entina mitanisa na mamisavisa, manonona tsirairay. 1 p.t.: Azo tanisaina. Ahitsio
Fitanisana: (tanisa) a.: Fanaovana tanisa. 1 Fanononana tsirairay: Hain'Ikoto ue ny fitanisana ny anaran'ny olona ao anatin'ny fianakauiana? 1 Filazalazana antsipiriany, famisavisana: Tsy naharitra aho fa nihataka tsy ta handre ny fitanisany ny fahoriany, Ahitsio
Fitanjahana: (tanjaka) a.: Fisehoan'ny vatana tsy misy manarona azy. Ahitsio
Fitanjaka: (tanjaka) a.: Fomba entina mitanjaka. Ahitsio
Fitankosina: (tankosina) a.: Fomban'ny olonamitankosin, manafotetaka ny tenany, mihosina, mitavona amin'ny vovoka na fotaka. Ahitsio
Fitankosinana: (tankosina) o,: Fihosinkosinana, fanafotetahana loto amin'ny tena: Oadray ity fitankosinan'ny zanakao amin'ny vouoka, Rasoa! / Fifanosonan-javatra matevina izay toa manjary loto hafahafa: NY fitankosinan'ny fotaka omin'ny akanjo fotsy no karazan-jauatra mahatsikaiky indrindra. Ahitsio