Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitakonana: (takona) a.: Fiafenana, fisaronana. Ahitsio
Fitakonana: (takona) a: Fiarahana mibata zava-mavesatra. Ahitsio
Fitakotrohana: (takotroka) a.: Fipoahana, fidobohana mafy, Ahitsio
Fitakotroka: (takotroka) a.: Toetran'ny zavatra mitakotroka, mipoaka, midoboka mafy. Ahitsio
Fitakovana: (takovana) a.: Toetran'ny zavatra mitakovana na miendaka matevina. Ahitsio
Fitaky: (taky) a,: Fomba entina mitaky na maka ny an'ny tena (na trosa na zavatra nindramina): Manao fitakin' adala. I p.t.: Azo takina, Ahitsio
Fitalagaga: (talagaga) a.: Toetran'izay mitalagaga, gaga izaitsizy, talaniona. Ahitsio
Fitalagagana: (talagaga) a.: Fampisehoana figagana izaitsizy. Ahitsio
Fitalaho: (talaho) a.: Fomba entina mitalaho na mangataka amim-pitarainana, amim-piangaviana fatratra. Ahitsio
Fitalahoana: (talaho) a.: Fangatahana amim-pitarainana, amim-piangaviana fatratra. ΒΆ M.h.: Fiambezoana, fitampesoana. Ahitsio
Fitalanjona: (talanjona) a.: Toetran'ny olona mitalanjona, maneho figagana fatratra. Ahitsio
Fitalanjonana: (talanjona) a.: Figagana variana fatratra. Ahitsio
Fitalantalanana: na Fitalantalana (talantalana) a.: Toetran' ny zavatra eo ambony talantalana. Ahitsio
Fitalapetrahana: (talapetraka) a.: Fipetrahana atao mivelatra ny lohalika roa ary miforitra manaraka izany ny ranjo ka mifanindry eo anoloana ny tongotra; fipetrahan'ny tongotra mifanaingina eo anoloana. Ahitsio
Fitalapetraka: (talapetraka) a.: Fomban'ny olona mitalapetraka, izany hoe mipetraka, ny tongotra mifanaingina eo anoloana. Ahitsio
Fitalapioka: (talapioka) a. : Toetran'ny zavatra mitalapioka, izany hoe mifioka, toy ny tsorakazo akipilipily. Ahitsio
Fitalelaka: (talelaka) a.:. Toetran'ny zavatra mitalelaka, be vava fa tsy lalina aty, talesaka. Ahitsio
Fitambarana: (tambatra) a.: Fikambanana: Mahatratra aalopolo ny fitambaran'ny mpianatra ao amin'ny lakilasy fahatelo sy fahefatra. IFiadiana: Mitsetaka tsara ny fitambaran'ny hazo amin'it9 rafitra ity. 1 Fiharoana: Ny fitambaran'ny oksizena sy hidrozena no tonga rano. Ahitsio
Fitambatambazana: (tambitamby) a.: Fanaovana izay hijerevan'ny olona ny tena, izay hahazoan'ny tena sitraka avy amin'ny hala. Ahitsio
Fitambatra: (tambatro) a.: Toetran'ny zavatra mitambatra, mikambana, miharo. Ahitsio