Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitafoforana: (tafofotra) a.: Fitsofan'ny rivotra mafy. Ahitsio
Fitafofotra: (tafofotra) a.: Toetran'ny rivotra mitafofotra na mitsoka mafy: Amin' ny rioo-doza, ny fitafofotry ny rivotra no loza noho ny fifafin'ny orana. Ahitsio
Fitafotafo: (tafotafo) a.: Toetran'ny zavatra feno hatramin'ny morony, safononoka. Ahitsio
Fitafy: (tafy) a.: Fomba entina mitafy, izany hoe manisy lamba manarona ny tena: Somary agoragora no fitafin' ny vehivavy sasany lamba rehefa mianjaika. ~ p.t.: Azo tafina: Tsy mba fitafY itony lamba itony, ry Bozy a! Ahitsio
Fitaha: (taha) a.: Fampitoviana. Ahitsio
Fitahana: (taha) a.: Fifaninanana, fisehoana milahatra hahitana izay tsars: Heverinao moa fa matahotra ny fitahana amin'iny olona iny aho? Ahitsio
Fitahiana: (tahy) a,: Fanampiana, fitsimbinana: Sitrana ihany izy noho ny fitahian' Andriamanitra. Ahitsio
Fitahina: (fitaka) mt.ih, (fitaho): Laingaina, ilazana tsy marina: Nofitahin'ialahy a-ho fa hay tsy tonga akory Rakoto dia nantsoin'ialahy aho. ? Ambakaina: MbĂ  matahotra an'Andriamanitra fa aza ny adala no fitahina. ? Fetsena, angalarana an-kafetsena, solokina: Nofitahin' ilay karilahy iny ny raiko ka nahazoany vola roanjato. Ahitsio
Fitaho: (taho) a.: Fomba entina mitaho na mizara, mitantana toaka amin'ny namana. Ahitsio
Fitahoana: (taho) a.: Fizarana na fitantanana toaka amin' ny namana. Ahitsio
Fitahontahona: (tahontahona) a.: Fomban'ny olona mitahontahona, na midrahodraho, mitaraikiraiky. Ahitsio
Fitahontahonana: na Fitahontahona (tahontahona) a.: Fitavozavozana, fidrahodrahoana, tsy fahakingana, fitaraikfraikena: Ny fitahontahonany, ny fitahontahony no nanalan'ny mpampiasa azy. Ahitsio
Fitahy: (tahy) a.: Fomba entina mitahy, manampy, mitsimbina. Ahitsio
Fitaika: (taika) a.: Toetran'ny zavatra mitaika na mipatraka, milatsaka mahalankalana: Ny fitaikan'ny patrakala. 1 Filatsahan'ny rano mahalankalana: Ny fitaikan'ny orana no nahatonga anay handeha fa mbola mamy tokoa ny resaka. Ahitsio
Fitaikataika: (taikataika) a.: Fomban'ny olona mitaikataika, na ratsy famindra manainga ny sandry sy ny tongotra rehefa mandeha. Ahitsio
Fitaikataikana: (taikataika) a: Famindrana somary mitsamboamboatra, ny tanna sy ny tongotra afngaina toa akipilipily. Ahitsio
Fitaikotaiko: (taikotaiko) a.: Fomban'ny olona mitaikotaiko, izany hoe mamindra mitsiparaka na somary mievotrevotra noho ny hakevohana. Ahitsio
Fitaikotaikoana: (taikotaiko) a.: Famindrana mitsiparaka na somary mievotrevotra noho ny hakevohana. Ahitsio
Fitailana: (tailana) a.: Toetran'ny zavatra mitailana, vilana, misomaradimbana. Ahitsio
Fitailanana: (tailana) a.: FahavilĂ nana. Ahitsio