Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitandrantandranana: (tandrantandrana) a,: Fijerena miherikerika etsy sy eroa toy ny olona bado. Ahitsio
Fitandremana: (tandrina) a.: Fampifantohana ny sain amin'ny zavatra atao: Ilaina ny fitandremana rehefa manao asa-marika. 1 Fiambenana olona: Mila olona be fahafoizan-tena ny fitandremana ireo rasa ireo. 1 Fikarakarana, fanolokoloana: Ataovy anton-draharaha ny fitandremana ireo uoninkozoko ireo mandritro ny tsy maha-eto ahy. 1 Fanarahana, fanatanterahana (adidy): Zavatra iray ihany no tsy maha-voaheloka: ny fitandremana ny didy aman-daiàna. Ahitsio
Fitandrina: (tandrina) a.: Fomba entina mitandrina na mikarakara, manolokolo, miambina, manaraka, manatanteraka: Tsy toy izao no fitandrina ny mpianatra.... Ahitsio
Fitandro: (tandro) a: Fomba entina mitandro na mitandrina, mitsimbina (fihavanana, voninahitra). 1 p, t.: Azo tandrovina. Ahitsio
Fitandroana: na Fitandrovana (tandro) a,: Fitandremana, fitsimbinana (voninahitra, fihavanana) fitsitsiana (hasasarana): Mba ho fitandroana ny fihauanana, dia vonona hamela ny hadisoanao aho. Ahitsio
Fitanehana: (tanika) a.: Fandrahoana, fampangotrahana: Fitanehana rano, /Fampiempoana: Fitanehana menaka. 1 Fanasitiliana: Ny olona taloha dia efa nahay ny fitanehana toaka. Ahitsio
Fitanesahana: (tanesaka) a.: Fandehanana na famindrana mitsikamokamo, mivaroraka sy mitaredretra: Oadray izany fitanesahan-dRangahy matauy tzars)! Ahitsio
Fitanesaka: (tanesaka) a.: Fomban'ny olona mitanesaka na mandeha mitsikamokamo, mivaroraka sy mitaredretra. Ahitsio
Fitangariana: (tangary) a.: Fanampohana amin-kafetsena, famitahana. Ahitsio
Fitangary: (tangary) a.: Fomban'ny olona mitangary, manampoka amin-kafetsena, mamitaka. Ahitsio
Fitangazona: (tangazona) a.: Fomba entina mitangazona, izany hoe mitan, mihazona. Ahitsio
Fitangazonana: (tangazona) a.: Fitanana, fihazonana, fisakanana. Ahitsio
Fitangerenana: (tangerina) a.: Fisangodingodinana, fitambolimbolinana. Ahitsio
Fitangerina: (tangerina) a.: Toetran'ny zavatra mitangerina na misangodingodina, mitambolimbolina. Ahitsio
Fitangirihana: (tangirika) a.: Fisiana hirika. Ahitsio
Fitangirika: (tangirika) a.: Toetran'ny zavatra mitangirika na misy hirika. Ahitsio
Fitangitrihana: (tangitrika) a.: Filentehana ao anaty...: Ny fitangitrihan'ny lefona ao anaty tany. / Fiboiboihana, fifantsitsirana: Zaua-mahagaga ny fitangitrihan'ny solitany auy any anaty tany. Ahitsio
Fitangitrika: (tangitrika) a.: Toetran'ny zavatra mitangitrika, milentika any anaty tany, na miboiboika, mifantsitsitra avy ao anaty tany. Ahitsio
Fitangizina: (tangizina) a.: Toetran'ny zavatra mitangizina, na mifanizina, mifanety. Ahitsio
Fitangizinana: (tangizina) a.: Fifanetena, fifamoretana, fifanizinana. Ahitsio