Fisotrasotra | : | (sotrasotra) a.: Fomba entina misotrasotra na mihinana mambosibosika.
Ahitsio |
Fisotrasotrana | : | (sotrasotra) a.: Fihinanana mambosibosika.
Ahitsio |
Fisotrisotriana | : | (sotrisotry) a.: Fianjonanjonana; fikiribibiana.
Ahitsio |
Fisotrisotry | : | (sotrisotry) a,: Toetran'ny olona misotrisotry na mianjonanjona, na be di-doha.
Ahitsio |
Fisotro | : | (sotro) a,: Fomba entina misotro: Ataovy fisotro ranon'akoho ha ny kely azo andrandraina, ? Zavatra sotroina: Fadio ny fisotro mahamamo. ? p.t.: Azo sotroina: Tsy fisotro ny rano amin'itg f antsakana ity+,
Ahitsio |
Fisotroana | : | (sotro) a,: Fitelemana rano, fitrohana rano amin'ny vava alohan'ny hitelemana azy: Ataovy miadana ny fisotroanao rano sao kofona ianao,
Ahitsio |
Fisovohana | : | (sovoka) a,: Fanatonana mangingina, antsokosoko: Ny fisovohan'ny hatsiaka no nahauoa azy. ? Fahatongavana tampoka, fanampohana: Ny fisovohan' ny fahavalo no ahina isan' alina izao.
Ahitsio |
Fita | : | (ita) a,: Fomba entina mi-ta: Toy ixao no fila amin'itai rano tsy miteniteny, tsy miondrikondrika.., 1 p.t.: A-zo itana.
Ahitsio |
Fitaba | : | (taba) a,: Fomba entina mitaba na manakorontana, na mihinan-javatra ka miosanosana ery eo am-pihinanana.
Ahitsio |
Fitabaka | : | (tabaka) a.: Toetran' ny zavatra mitabaka na miely, miparitaka betsaka, mihanaka,
Ahitsio |
Fitabana | : | (taba) a.: Fanakorontanana; fihinanan-javatra ka miosanosana eo am-pihinanana.
Ahitsio |
Fitabariahana | : | (tabariaka) ao: Fielezana, fiparitahana, fipariahana.
Ahitsio |
Fitabariaka | : | (tabariaka) a.: Fomba na toetran'ny zavatra na olona mitabariaka, izany hoe miely, mipariaka, miparitaka.
Ahitsio |
Fitabataba | : | (tabataba) a.: Fomba entina mitabataba, mihorakoraka, manao teny na feo betsaka.
Ahitsio |
Fitabatabana | : | (tabataba) a.: Fanaovana horakoraka na kotaba, fihorakorahana, fikotabana: Asaivo atsahany ny fitabataban'ireo ankizy ireo, ~ Fikorontanana: Naharitra iray volana ny fitabatabana tao amin'io tanĂ na io.
Ahitsio |
Fitaboika | : | (taboika) a.: Fomba na toetran'ny rano mitaboika, izany hoe mandeha tsy migogo fa miboiboika.
Ahitsio |
Fitabonahana | : | (tabonaka) a,: Fibontsinana, fivozihirana.
Ahitsio |
Fitabonaka | : | (tabonaka) a.: Toetran'ny zavatra mitabonaka, izany hoe mibontsina azon' ny rivotra ao anatiny.
Ahitsio |
Fitaboretahana | : | (taboretaka) a.: Fipetrahana mitaboretaka, izany hoe tsy miarina tsara fa miboretaka, toa mifotetaka.
Ahitsio |
Fitaboretaka | : | (taboretaka) a.: Fomba na toetran'ny olona mipetraka mibotetaka, tsy miarina tsara fa toa miretaka, mifotetaka.
Ahitsio |