Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisotrasotra: (sotrasotra) a.: Fomba entina misotrasotra na mihinana mambosibosika. Ahitsio
Fisotrasotrana: (sotrasotra) a.: Fihinanana mambosibosika. Ahitsio
Fisotrisotriana: (sotrisotry) a.: Fianjonanjonana; fikiribibiana. Ahitsio
Fisotrisotry: (sotrisotry) a,: Toetran'ny olona misotrisotry na mianjonanjona, na be di-doha. Ahitsio
Fisotro: (sotro) a,: Fomba entina misotro: Ataovy fisotro ranon'akoho ha ny kely azo andrandraina, ? Zavatra sotroina: Fadio ny fisotro mahamamo. ? p.t.: Azo sotroina: Tsy fisotro ny rano amin'itg f antsakana ity+, Ahitsio
Fisotroana: (sotro) a,: Fitelemana rano, fitrohana rano amin'ny vava alohan'ny hitelemana azy: Ataovy miadana ny fisotroanao rano sao kofona ianao, Ahitsio
Fisovohana: (sovoka) a,: Fanatonana mangingina, antsokosoko: Ny fisovohan'ny hatsiaka no nahauoa azy. ? Fahatongavana tampoka, fanampohana: Ny fisovohan' ny fahavalo no ahina isan' alina izao. Ahitsio
Fita: (ita) a,: Fomba entina mi-ta: Toy ixao no fila amin'itai rano tsy miteniteny, tsy miondrikondrika.., 1 p.t.: A-zo itana. Ahitsio
Fitaba: (taba) a,: Fomba entina mitaba na manakorontana, na mihinan-javatra ka miosanosana ery eo am-pihinanana. Ahitsio
Fitabaka: (tabaka) a.: Toetran' ny zavatra mitabaka na miely, miparitaka betsaka, mihanaka, Ahitsio
Fitabana: (taba) a.: Fanakorontanana; fihinanan-javatra ka miosanosana eo am-pihinanana. Ahitsio
Fitabariahana: (tabariaka) ao: Fielezana, fiparitahana, fipariahana. Ahitsio
Fitabariaka: (tabariaka) a.: Fomba na toetran'ny zavatra na olona mitabariaka, izany hoe miely, mipariaka, miparitaka. Ahitsio
Fitabataba: (tabataba) a.: Fomba entina mitabataba, mihorakoraka, manao teny na feo betsaka. Ahitsio
Fitabatabana: (tabataba) a.: Fanaovana horakoraka na kotaba, fihorakorahana, fikotabana: Asaivo atsahany ny fitabataban'ireo ankizy ireo, ~ Fikorontanana: Naharitra iray volana ny fitabatabana tao amin'io tanĂ na io. Ahitsio
Fitaboika: (taboika) a.: Fomba na toetran'ny rano mitaboika, izany hoe mandeha tsy migogo fa miboiboika. Ahitsio
Fitabonahana: (tabonaka) a,: Fibontsinana, fivozihirana. Ahitsio
Fitabonaka: (tabonaka) a.: Toetran'ny zavatra mitabonaka, izany hoe mibontsina azon' ny rivotra ao anatiny. Ahitsio
Fitaboretahana: (taboretaka) a.: Fipetrahana mitaboretaka, izany hoe tsy miarina tsara fa miboretaka, toa mifotetaka. Ahitsio
Fitaboretaka: (taboretaka) a.: Fomba na toetran'ny olona mipetraka mibotetaka, tsy miarina tsara fa toa miretaka, mifotetaka. Ahitsio