Fitanondrehana | : | (tanondrika) a.: Fiondrehan'ny loha noho ny alahelo, na ny hasasarana, na ny hanoanana: Hontsa aho nahita ny fitanondrehan' izy telo mianaka tsy nihinankanina hateloana.
Ahitsio |
Fitanondrika | : | (tanondrika) a.: Fomba na toetran'ny olona mitanondrika, miondrika no-ho ny alahelo na ny hasasarana na ny hanoanana.
Ahitsio |
Fitanontanona | : | (tanontanona) a.: Fomba entina mitanontanona, izany hoe mipetrapetraka mitsikamokamo eo akaikin'olona ka tsy manao na inona na inona fa mfjerijery fotsiny eo.
Ahitsio |
Fitantana | : | (tana) a.: Fomba entina mitantana na manohana olona mandeha amin'ny fandraisana ny tanany eo ampamindrana miaraka amia' ny tena: Toy izao no fitantana ny zaza 1 p. t.: Azo tantanana.
Ahitsio |
Fitantana | : | (tantana) a.: Fomba entina mitantana, izany hoe mizara (vola, hena, van', sakafo) amin'olona maromaro nandray anjara tamin'ny fandevenana na famadihana: A-toroy ahy ny fitantana ny hena fa tsy haiko. 1 p.t.: A-zo tantanina.
Ahitsio |
Fitantanana | : | (tana) a.: Fanohanana olona mandeha amin' ny fandraisana ny tanany eo am-pimindrana miaraka amin'ny tena: Raina ny fitantanana ny zozo vao mianamandeha. / Fitondrana, fifehezana: Noraisin'ny fanjakana ny fitantanana ireo orinasa ngeza eto amin'ny firenena.
Ahitsio |
Fitantanana | : | (tantana) a.: Fizarana (vaxy, hersa, sakafo, vo-la) amin'olona maromaro nandray anjara tamin'ny fandevenana na famadihan: Iza no hikarakara ny fitantanana ny sakafo amin'ireo mpandeuina? 1 Fiadidiana, fiandraiketana: An'ny vehioauy ny fitantanana ny vola ao an-tokantrano.
Ahitsio |
Fitantara | : | (tantara) a.: Fomba entina mitantara. / p. t.: Azo tantaraina.
Ahitsio |
Fitantarana | : | (tantara) a.: Filazalazana izay zava-nitranga.
Ahitsio |
Fitantavana | : | (tantauan) a.: Fomban'ny zavatra mitantavana na nndalo tamin'ny tantavana, sivana.
Ahitsio |
Fitantavanana | : | (tantavana) a.: Fandalovana amin'ny tantavana, fisivanana.
Ahitsio |
Fitao | : | (tao) a.: Fomba entina mitan, izany hoe miomana ho toy ny hiady, mivonona.
Ahitsio |
Fitaomana | : | (taona) a.: Fitaterana, fitondrana hifindra toerana, fitondrana zavatra hangonina: Ny fitaomam-biriky no raharaha tamin'ny nananaovana ity tranon-tsekoly ity'. / Fitarihana: Aza avala ho azon' ny fitaoman-dratsy izahay!
Ahitsio |
Fitaona | : | (taona) a.: Fomba entina mitaona na mitondra zavatra hangonin, na mitarika mba hiaraka hanao zavatra iray.l p, t.: Azo taomina.
Ahitsio |
Fitaovana | : | (tao) a.: Fiomanomanana toy ny ho any an' ady, izay rehetra entina manomana ady: fiadiana, hanina, vatsy: Fano fitacmana tratran'ny polisy tao an-tranon-dRabe. 1 Izay rehetra entina miasa: Misy mpianatra tsy manana penina, pensily, solaitra; ahoana izany tsy manam-pitaouana izany?
Ahitsio |
Fitapiana | : | (tapy) a.: Fankanesana eo amin'ny hainandro mba hafana, fitaninana andro.
Ahitsio |
Fitapitapiana | : | (tapitapy) a.:Fahatongavana miatoato, tsy indray migorodana fa tsirairay ary misy elanelany ny eo aloha sy ny ao afara.
Ahitsio |
Fitapitapy | : | (tapitapy) a.: Fomban'ny olona na zavatra mitapitapy, izany hoe tonga miatoato, tsy iray migorodana fa tsirairay na manao andiany ka misy elanelany ny eo aloha sy ny ao afara.
Ahitsio |
Fitapy | : | (tapy) a.: Fomba entina mitapy, na mitanina andro.
Ahitsio |
Fitaraina | : | (taraina) a.: Fomba entina mitaraina na mimenomenona, mitoloko aman mitoreo, mitory,
Ahitsio |