Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitakiboka: (takiboka) a.: Fomban'ny zavatra mitakiboka, mizihitra, mihandrona. Ahitsio
Fitakikiana: (takiky) a.: Tsy fananana na inona na inona, fahabotriana, faharavana harena. Ahitsio
Fitakiky: (takiky) a.: Toetran' ny olona mitakiky, tsy ma-nana na inona na inona, botry, raya harena. Ahitsio
Fitakila: (takila) a,: Toetran' ny zavatra mitakila, izany hoe very ila. Ahitsio
Fitakilana: (takila) a.: Fahaverezana antsasany, fahaverezana ilany. Ahitsio
Fitakitsohana: (takitsoka) a.: Filentehana, fitsobohana lalina dia lalina. Ahitsio
Fitakitsoka: (takitsoka) a,: Toetran'ny zavatra mitakitsoka, izany hoe milentika, mitsoboka lalina dia lalina. Ahitsio
Fitakizina: (takizina) o.: Toetran'izay mitakizina, izany hoe mitoetra ao anaty maizina. Ahitsio
Fitakizinana: (takizina) a,: Fitoerana amin'ny maizina: 1-tondray Jiro haingana, ry Bozy, fa lalina it? fitakizinana it?! Ahitsio
Fitakobahana: (takobaka) a.: Fihetsiketsehana ao anaty rano. Ahitsio
Fitakobaka: (takobaka) a.: Toetran'ny zavatra mitakobaka, inihetsiketsika ao anaty rano. Ahitsio
Fitakobohana: (takoboka) a.: Fiafenana ao anaty filanjana misarona; fiafenana ao anaty lamba: Ny fttakobohana matetika no fomba ampiasain' izay ta-handositra tsy te ho hitan'olona. Ahitsio
Fitakoboka: (takoboka) a,: Toetran'izay ao anaty filanjana misarona. Ahitsio
Fitakodirana: na Fitakoditra (takoditra) a.: Toetran'ny zavatra andrahoina miaraka amin'ny hodiny. Ahitsio
Fitakoko: (takoko) a.: Fomba entina mitakoko na mipetraka manjonitra, toa manjoretra. Ahitsio
Fitakokoana: (takoko) a.: Fipetrahan tsy mitombin fa ny tongotra miforitra eo anoloana no mitondra ny te-na: Izany fitakokoan'ny ankizya eo amorom-patana rehefa mamindro! 1 Fipetrahana manjonitra na toa manjoretra: Tamin'ny famangiana manjo fahiny, tsY nisy tsy mampalahelo, na ny fitakokoan'ny fianakaoiana, na ny fitsemna aman tomany manerana ny trono. Ahitsio
Fitakolahana: (takolaka) a,: Fitampifiana fiafenana ao ambadiky ny zavatra iray mba hitily: Ny fitakolahako tao ambadiky ny uarauarona no nandrenesako ny teniny rehetra. Ahitsio
Fitakolaka: (takolaka) a.: Fomba entina mitakolaka, na mitampify, miafina ao ambadiky ny zavatra iray mba hitily. Ahitsio
Fitakona: (takona) a.: Toetran' izay mitakona, miafina. Ahitsio
Fitakona: (takona) a.: Fomba entina mibata zavatra indray miaraka. Ahitsio